samedi 31 janvier 2015

MPANAZARY MIFAMPITANTANA AMIN’NY ANJELY.

Mpanazary na “artisan de l’harmonie”. 
Miserasera, manabe, mandrindra lalandava.

Hoy ny Mpanazary: “Mampifameno ny fahasamihafàna.”
Lahy sy vavy. Bitika sy goavana. Mainty sy fotsy. Marefo sy bolangina. Avo sy iva,. Havia sy havanana, …

Koa akory no atao ifamenoin’ireo ?

Marimaritra iraisana ve ? Sa elanelam-panahy ?

Tolokevitra

Dingana voalohany : Elanelam-panahy. Dingana faharoa : Marimaritra iraisana.

Samy mahatsiaro tena aningorana ny mpifanandrina raha vao marimaritra iraisana no katsahana avy hatrany. Mandeha ila, mandringa izay fanao izay.

Noho izany, mialoha ny amelarana lambanana dia tolorana avarapatana Ny Fanahy.

Mifampitsinjo ankitsim-po izay andaniny sy ankilany rehefa elanelam-panahy no ifantohana mialoha.

Ny Fanahy no mitari-dàlana.

Fampiharana

Mitarika fivorian-dehibe aho. Anjarako ny manokatra fotoana, mamaky bantsilana. Miangavy ny mpizaika aho mba hiara-hangina tanteraka mandritra ny fotoana fohy. Raha azo atao dia miara-mitsangana sady mifampitantana.

Mivavaka mangina. Miombom-panahy.

Mampitambatra Ny Fanahy. Rehefa Ny Fanahy no hany manelanelana ny tsirairay, …

Poa toa izay, miharihary ny marimaritra iraisana mahafapo ny mpizaika rehetra.

Tony ny fo. Matsilo ny saina. Mifanaja kokoa avokoa. Mahafinaritra ery ! Samy tsilovim-panahy ê.

Fehiny

Ao anaty FAHANGINANA LALINA,

Mibitsika Andriamanitra.
Misento ny voaàry.
Miriaria ny anjely.
Miaina ny Olona.

Mpanazary mifampitantana amin'ny anjely,

Salanitra ny ambanilanitra !



Aucun commentaire: