vendredi 9 janvier 2015

Tsy teny Iavoloha aho androany 09 janoary 2015



Miarahaba, tompokolahy. Manaja, tompokovavy. Salanitra isika mianakavy.

Fifampiarahabana ofisialy nohon’ny taombaovao teny amin’ny lapam-panjakana teny Iavoloha androany 09 janoary 2015. Amin’ny naha-kandidà ahy tamin’ny fifidianana filohampirenena 2013 sady mpanorina ara-panjakana ny antoko pôlitika nasionaly FAnambinana MAdagasikara – FAMà dia anisan’ireo nahazo fanasàna ny tenako.

Koa  mankasitraka eram-po eran-tsaina ny tomponandraikitrin’ny arifenitra, tompoko, nanome hasina izany sata izany. Mahasoàva anareo isan-tokonambaravarana re, tompoko. Mitomboa haja amam-boninahitra.

Saingy ialako tsiny, aoka tsy handiso fihavanana. Ninia tsy nanatrika io lanonana io ny tenako. Fanapahankevitra ankitsim-po tsotra izao.

Antony manokana:

Amin’ny anarako irery ilay fanasàna. Fomba fifanajàna, tompoko, ny miara-dàlana amin’ny andefimandry rehefa lanonana goavana toa io. Nanontany ny arifenitra ny tenako mikasika izany. Saingy izay, hono, no tinapaka. Tsy ifanomezan-tsiny. Fotoan’ny fitsitsiana rahateo izao. Koa naleoko tsy nitonantonana nankany toa tokan-tena satria vidian-kaja, vidiam-boninahitra. Raha ny vola no maha-rangahy,… Mandeha roa, tompoko, sahalain’olombelona.

Antony iraisana amin’ny valala be mandry:

Hatramin’izao fotoana anoratako izao dia diso fanantenana tanteraka aho mikasika ny fitantanana ny rafi-panjakana malagasy. Te-hampiharihary aho fa tsy manan-tendro iraisana velively amin-dry zareo mpitondra fanjakana manoloana izao fahoriana mianjady amin’ny fireneko izao.

Tsy ivarotana saka be loha na itantarana atsanga tsy aman’orana aho mikasika ny anton’izany. Nandaniako ron-doha am-polo taona sy vola aman-karena tsitokotsiforohana ny famelomana aina firenena koa tsy ampideràna izay taim-by aho mikasika an’izany. Fara-faharatsiny diso paikady ry zareo mpitondra na tena manaotao fahatany tsotra izao matoa milentika ankehitriny i Madagasikara. Taona iray manontolo anie izao ry zareo no tompon’ny fanapahana ara-panjakana, tompokolahy sy tompokovavy !

-          Fara-gisitra eran’izao tontolo izao i Madagasikara mikasika ny herinaratra
-          Kolikoly maharikoriko hatrany an-tampony ka hatraty ampaladia
-          Valala tangosam-potsiny ny zanabahoaka ianjadian’ny horohoron-jiolahy
-          Fanjakazakàn-tsakaizan’ny tompomenakely ny ambaratongam-pitantanana
-          Fahantrana sy fahavoazana isan-tokantrano mampikororoso ny isambatan’olona
-          Fampiharana lalàna natao ialofan-jiolahy sy amoretana ny tsy manam-piahy
-          Mitotongana ny maha-olona, mirefarefa ny maha-malagasy
-          Sy ny sisa, sy ny sisa tsy ary ho voatanisa !

Vaovao ity ny taona. Izaho rahateo olo-malain-tsiasia. Sady raim-pianakaviana efa loa-jafy. Koa fatra-mpandàla fihavanana sy mankatoa raiamandreny.

Amin’izao fiandohan’ny taona 2015 izao, mirary fanapahana feno tsy ladian-tsakatsakana ho an’ny Filohampirenena voafidim-bahoaka. Handidy, ahadidy anie. Hanapaka, ahatapaka. Handrasa, aharasa. Hialoha azy anie ny faharisihana ary hanjohy azy anie ny fahombiazana.

Ho velombolo anie ny taranaka faramandimbin’ny vahoaka malagasy eo ambany fiahian’ny Filohampirenena izay iladiladiako amin’Andriamanitra mba ho sesefany fahendrena.

Mankasitraka, tompokolahy. Mankatelina, tompokovavy. Tahian’Andriamanitra isika mianakavy.



RABEARISON Roland Dieu Donné Vahömbey.


Aucun commentaire: