mercredi 18 mars 2015

Torohay ampitaina : « TAOMBAOVAO MALAGASY »: DATY ? FOMBA ? TANJONA ?

Avant de continuer à partager mes réflexions personnelles, je souhaite faire part aux lecteurs de l’importance du texte explicatif rédigé en malagasy ci-après. Par honnêteté intellectuelle, je tiens à préciser que je n’ai pas personnellement participé à sa rédaction. Ma responsabilité se limite donc à son partage.

Merci de noter que la mention de Vazimba Mpanazary dans le texte renvoie au groupe établissant siège au Tahala Rarihasina Analakely avec lequel j'entretiens des relations cordiales mais non-formelles. Aussi, sera-t-il judicieux de ne pas confondre nos engagements respectifs. Le leur s'assortit de louables efforts d'institutionnalisation du "Taombaovao malagasy". Le mien, pour le moment, se concentre sur la clarification des fondements idéologiques des concepts-clés malagasy dont ceux du vazimba et du mpanazary.

Quoique non-signé, le texte original est accessible grâce au lien ci-après qui doit aussi faciliter le contact avec la source d’information.

A toutes fins utiles, prière s'adresser au Tarika Rary Efitrano Rary Tahala Rarihasina aux horaires suivants: 07 h, 11 h et 16 h.

Bonne lecture !


Io rohy io, tompokolahy sy tompokovavy, no afahantsika mandramby ny loharano nipoiran’ny lahatsoratra izay ho adikako manontolo etsy ambany. Avy amin’io koa no mety hiseraserantsika amin’ny mpanoratra ilay izy.

Soritako mazava tsara fa tsy nandray anjara velively tamin’ny fanoratana azy io ny tenako. Mpampita fotsiny no hany anjara raharahako eto satria heveriko fa tena ilaintsika ny torohay izay tanisainy. Hanampy antsika aharaka kokoa ny fanadihadiana izay iandraiketako manokana sy tohizako ho zaraina eto rahateo izany.

Farany, tsara avahana ny tarika Vazimba Mpanazary, mpikatroka ao amin'ny Tahala Rarihasina ao Analakely, izay voatonina anatin'ito lahatsoratra ito sy ny tenako manokana. Mifampita traikefa izahay saingy samy manana ny làlana izorany. Ry zareo no mendri-pideràna mifofotra sy mively vy mikasika ny fankalazana ny "Taombaovao malagasy" efa hatry ny taona maro. Ny tenako kosa hatreto dia mihanona amin'ny fisavasavàna ny ambahandain'ny maha-olona sy ny maha-malagasy. Anisan'izany ny Vazimba sy ny Mpanazary. Antony goavana ampitàko ito lahatsoratra ito izany.

Raha mila fanampim-panazavana, zahao ny Tarika Rary ao amin'ny efitrano Rary, Tahala Rarihasina. Ora: 7 maraina sy 11 antoandro ary 4 folakandro.

Mahazoa tombondahany, tompokolahy sy tompokovavy.

_______________________________________________________________________


" TAOMBAOVAO MALAGASY": DATY? FOMBA? TANJONA?
Ny "Taombaovao Malagasy" dia anarana natokana hiantsoana ny fiandohan'ny taona malagasy sy ny fankalazana izany izay atao eo amin'ny manodidina ny volana martsa na aprily

FAMARITANA NY DATY FANKALAZANA NY TAOMBAOVAO MALAGASY:

Manaraka ny endrika sy fipetraka ary fihodin'ny volana ny fanisantaona malagasy koa isaiky ny andro vava alahamady amin'ny volana Alahamady, atao koa hoe tsinambolan'Alahamady, no ankalazaina ny Taombaovao malagasy. Mifanandrify amin'ny volana martsa na aprily amin'ny taona gregoriana hatrany io tsinambolan'Alahamady io.

Ny Trano Koltoraly Malagasy sy ny Akademia Malagasy no namaritra io daty io. Nefa koa efa ela ny fikambanana hafa toy ny Tarika RARY sy VAZIMBA MPANAZARY no efa nahafantatra io daty io.

Hoan'ny Trano Koltoraly Malagasy dia eo amin'ny vanimpotoan'ny fararano, izany hoe efa hifarana ny rivodoza, ny ranobe, ny fihotsahan'ny tany. Amin'io vanimpotoan'ny fararano io koa no miakatra ny vary koa resy ny maintso ahitra. Fahizay mantsy dia indroa miakatra ny vary isan-taona ka ny "vary aloha" dia eo amin'ny febroary no jinjaina, ary ny vary aloha dia anaovana ny fety natao hoe " santa-bary". Fa ny vary ara-potoana kosa dia eo amin'ny fararano izay mifanandrify amin'ny volana martsa-aprily amin'ny taona gregoriana no ampiakarina. Efa afaka mifaly sy tsy mifehy kibo intsony araka izany ny rehetra satria vokatra ny vary ary efa nindaosin'ny ranobe sy ny rivodoza ny loto ary manomboka madio indray ny voajanahary rehetra. Ny Malagasy koa dia tsy tara amin'izany fidiovana ara-boajanahary izany fa manararaotra io midio amin'ny alalan'ny fandroana sy fifamelana ary fandiovana ny tontolo manodidina. Fotoana filanonana ara-boajanahary ny fararano satria tafavoaka ny andro ratsy sy ny mosary koa hoy ny fiteny fahizay hoe "mandihiza rahitsikitsika,hianaranay raha fararano". @ io fararano io no mifanitsy ny tsinambolana sy ny antokokitan'alahamady eny amin'ny lanitra raha jerena avy eto Madagasikara. Koa tsinan'alahamady na vava alahamady ny andro voalohany isian'io fifandrifiana io ary izany vava alahamady izany no manamarika ny fiandohan'ny Taombaovao Malagasy. Hoan'ireo efa zatra ny fanisantaona gregoriana dia ny tsinambolana akaiky indrindra ny équinoxe 21 Martsa no tena mora hamantarana ny andro voalohany amin'ny Taombaovao malagasy.

Fahizay dia manisa andro sy mijery ny endrika sy ny toeran'ny volana mitaha amin'ny antokokitana hafa ny Mpanandro mba hahalalana ny volana tsinana sy ny diavolana sy maizimbolana ary ny anarambolana.Ankehitrio kosa, nohon'ny fisian'ny milina matanjaka dia azo fantarina mialoha ny andro mahatsinana ny volana alahamady satria ireo solosaina matanjaka dia afaka mikajy izany hoan'ny 50 taona hoavy.

Indreto santionany ny datin'ny Taombaovao malagasy hatramin'ny taona 2019 :
- Taona 2015: 20 Marsa 2015 @12 ora 36mn atoandro no tsinan'alahamady,Taombaovao malagasy.
- Taona 2016: 10 Marsa 2016 amin'ny 04 ora maraina sy 55 mn no tsinan'Alahamady
- Taona 2017: 28 Marsa 05 ora maraina sy 58 mn no tsinan'Alahamady, Taombaovao malagasy.
- Taona 2018: 17 Marsa amin'ny 16 ora hariva sy 13 mn no tsinan'Alahamady,Taombaovao
- Taona 2019: 05 Aprily @11ora atoandro 51 mn no tsinan'Alahamady, Taombaovao Malagasy.

NIVOATRA NY DATY FANKALAZANA AZY

Nivoatra hatrany ny daty nankalazana ny tonontaona teto Madagasikara.

Tany amboalohany dia azo heverina fa samy nanana ny tonontaonany ny faritra tsirairay noho ny tantarany sy ny anisan'andro tsy mitovy. Etienne de Flacourt tamin'ny taonjato faha- 17 tany amin'ny faritra Anosy dia nanoratra fa mifanandrify amin'ny volana martsa taona gregoriana ny fiandohantaonan'ny foko Antanosy izay taranaky ny mpanjaka Raminia izay tonga teto Madagasikara tamin'ny taonjato faha-12. Ny volana "alahamaly" hoan'ny foko antemoro izay taranaky Ramakararo arabo tonga teto Madagasikara tamin'ny taonjato faha-16 dia mifanandrify amin'ny volana aprily amin'ny fanisantaona gragoriana, tsy volana voalohany amin'ny taona anefa ny "alahamaly" amin'ny foko antemoro. Hoan'ny foko merina dia ny Mpanjaka Rabiby izay arabo no nanova ny anarambolana vazimba ho anarambolana arabo ka nahitan'ny merina ny anarambolana alahamady tamin'ny taonjato faha-16. Ny tsara ho marihina dia saika taranaky ny Mpanjaka Raminia sy ny Mpanjaka Ramakararo ary ny Mpanjaka Rabiby no nifindrafindra toerana namorona ny fanjakana-foko maro eraky Madagasikara. Tsy mifanalavitra anefa fa miodina eo amin'ny martsa na aprily eo ny volan'Alahamady hoan'izy telo razamben'ny fanjakana maro teto Madagasikara ireo.

Voalaza fa tany Imerina ny Mpanjaka Ralambo (1575-1610) zafikelin'ny mpanjaka Rabiby, teo Ambohidrabiby, no nanao ny volana alahamady ho volana voalohany amin'ny taona. Hatramin'ny Mpanjaka Ralambo ka hatramin'ny mpanjaka Andrianampoinimerina (1787-1810) dia ny andro voalohany amin'io volana alahamady io no miandoha ny taona tany Imerina.

Tamin'Andrianampoinimerina anefa dia nampifandrifiana tamin'ny alahamaly antemoro ny alahamady tao Imerina araka ny torohevitry ireo antemoro mpanolotsaina azy, izany hoe raha mitaha amin'ny fanisantaona gregoriana dia teo amin'ny volana martsa ny alahamady merina no nakisaka ho eo amin'ny volana aprily. Ny Mpanjaka Andrianampoinimerina moa dia teraka tamin'ny volana alahamady ary alahamady no vintany. Izy dia nilaza fa " Tsy manampahavalo afa-tsy ny mosary aho". Izany filazany izany dia ahitana taratra ny fandresen'ny volana alahamady izay taompiakaran'ny vary sy fararano amin'ny maintso ahitra.

Nanomboka tamin'ny Radama I Mpanjakan'i Madagasikara (1810-1828) kosa no nisy ny alimanaka voalohany izany hoe fanoratana mialoha amin'ny bokikely ny tetiandro hoan'ny taona iray. Tamin'ny Radama II Mpanjakan'i Madagasikara (1861-1863) anefa dia nasiana fanitsiana indroa ny fanisan'andro malagasy satria dia nihioatra 300 andro mahery. Tamin'ny Ranavalona III Mpanjakan'i Madagasikara (1881-1896), vokatry izany rehetra izany, dia tsy fantatra intsony ny tena andro vava alahamady amin'ny volana alahamady satria samy manana ny fanisany andro ny mpanandro. Hany herin'ny Ranavalona III, novainy amin'ny 22 Novambra andro nahaterahany ny fiandohantaona . Tamin'ny taratasim-panjakana nifanaovan'ny mpitondra fanjakana teto Madagasikara tamin'ny nanjakan'i Ranavalon III, Mpanjakan'i Madagasikara, taratasy izay voarakitra ao amin'ny tahirimbakokam-pirenena dia hita fa mifanandrify eo amin'ny volana martsa na aprily eo hatrany ny volana alahamady hoan'ny taona 1894 sy 1895 sy 1896 ary 1897.

Ankehitrio kosa, tsy azo heverina intsony ny samy hankalaza ny taombaovao malagasy araka ny datin'ny faritra tsirairay satria ny tanjona dia hatao andro iray tsy fiasana nefa andraisakarama io daty io. Izany dia mitaky daty iray iombonan'ny faritra rehetra. Ny Trano Koltoraly Malagasy sy ny Akademia Malagasy, dia samy nikaroka momba izany ary nitovy ny fomba fijerin'izy ireo fa raha ampifandrifiana amin'ny fanisantaona gregoriana dia ny tsinambolana akaiky indrindra ny ekinoksa 21 Martsa no fiandohan'ny taona malagasy ka ankalazana ny Taombaovao Malagasy.

NIVOATRA NY ANARANY

Nivoatra hatrany ny anarana nampiasaina. Samy nananana ny fiandohan-taonany ny faritra maro teto Madagasikara fahizay.

Tao anivon-tany dia ny Mpanjaka Ralambo no nankalaza izany voalohany tamin'ny fomba manetriketrika ary tao amin'ny renivohitry ny fanjakany tao Ambohidrabiby no nankalazana izany voalohany tamin'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany tamin'ny taona 1575 aorian'ny Jesosy Krisy, andro "vava Alahamady" amin'ny volana alahamady moa io fitsingerintaona nahaterahany io koa natao hoe "Alahamadibe" no niantsoana izany izay nataony andro voalohany amin'ny taona.

Tamin'ny taonjato faha 19 kosa rehefa nivelatra ny fivavahana kristiana ary lasa kristiana mihintsy ny fanjakana malagasy dia tsy nampiasaina intsony ilay anarana hoe "Alahamadibe" satria toa misy fombafomba fanao amin'ny sampy izany, koa "Fandroana" no teny nentina niantsoana io fety io. Tamin'ny Ranavalona III (1883-1896) dia novainy ho ny 22 novambra izay tsingeritaona nahaterahany ny fanaovana ny fandroana, vanimpotoan'ny asara moa io 22 novambra io koa "Asaramanitra" no niantsoana io fety io.Ary "tratry ny asaramanitra e!" no teny ifampiarahabana tamin'izany.

Rehefa tonga ny fanjanahantany mandrak'ankehitrio dia nampiasaina hilazana izay fety rehetra io asaramanitra io na dia tsy vanimpotoan'ny asara intsony aza ka na tonga ny 1 Janoary na 14 Jolay na 26 Jiona dia mifampiarahaba "tratry ny asaramanitra" ny Malagasy.

Ankehitrio kosa dia haverina hankalazaina amin'ny fomba manetriketrika izany tonontaona malagasy izany koa "Taombaovao Malagasy" no anarana iantsoana izany satria natao hoan'ny Malagasy tsy vakivolo, tsy manavaka fiaviana, firazanana sy finoana ary foko izany. Ny Taombaovao Malagasy dia tsy misy fomba iraisana hankalazana azy fa dia miankina tanteraka amin'ny mpikarakara ny fankalazana azy: ny Kristiana dia afaka mankalaza izany amin'ny fomba kristiana, ny silamo malagasy koa dia afaka mankalaza ny Taombaovao malagasy amin'ny fomba silamo; toy izany koa ireo mpandala ny nentim-paharazana. Ny mpandraharaha amin'ny sehatra maro dia afaka mankalaza izany koa amin'ny fombany toy ny hetsika ao amin'ny toerampiasana na toerampianarana. Ny taranak'andriana dia afaka mankalaza izany amin'ny fombany. Ary any amin'ny faritra maro eraky Madagasikara dia afaka hankalazaina amin'ny fomba any amin'ny faritra ny Taombaovao malagasy.


TOERANA SY SEHATRA MANKALAZA NY TAOMBAOVAO MALAGASY

Nivoatra ny toerana nankalazana ny fiandohan'ny taona teto Madagasikara.

Misy tamin'ny faritr'i Madagasikara no tsy nankalaza mihintsy ny tonontaona . Nisy kosa ny nankalaza. Arak'izany, samy nanana ny fanisan'androny koa ny faritra ka samy hafa ny tonontaona.

Tamin'ny taonjato faha-19 anefa, rehefa lasa fanjakan'i Madagasikara i Madagasikara dia efa nankalaza tamin'ny daty iray niraisana ny 3/4 ny faritra rehetra eto Madagasikara. Arak'izany, efa fetimpirenena niraisan'ny Malagasy maro anisa ny fankalazana ny tonontaona talohan'ny nahalasa zanatany antsika tamin'ny taona 1896 ary efa samy nankalaza azy ny eraky ny Nosy talohan'ny taona 1896.

Ankehitrio, ny Taombaovao Malagasy amin'ny maha fankalazana tsy mialonjafy sy natao hoan'ny Malagasy tsy ankanavaka azy dia eraky Madagasikara sy manerantany ny Malagasy no entanina hankalaza azy isaiky ny tonga ny fiandohan'ny taona malagasy eo amin'ny martsa na aprily eo. Hatreto dia efa maromaro ny toerana mankalaza ny " Taombaovao Malagasy" dia ny eo Antananarivo sy eny Ikianja Ambohimangakely, ny ao Imerimanjaka, ny ao Ambohidrabiby, ny ao Ambohimanga, ny ao Sabotsy namehana, ny ao Ilafy. Efa misy sekoly maro koa mankalaza ny "Taombaovao malagasy" ao amin'ny toeran'ny sekoly ihany na mamonjy ireny toerana manatantara ireny. Maromaro koa ny antokompinoana mankalaza ny Taombaovao malagasy. Ary misy aza fikambanana antoko politika no efa mankalaza azy toy ny antoko KITANA tarihin'Atoa Tabera. Ary indrindra, maro koa ireo trano fisakafoanana sy filanonana no manao tolotra manokana rehefa tonga ny Taombaovao Malagasy.

FOMBA FANKALAZANA NY FIANDOHANTAONA MERINA SY TAMIN'NY FANJAKAN'I MADAGASIKARA (1810-1896)

Saika ny fomba nankalazana ny Alahamadibe teo Ambohidrabiby tamin'ny Mpanjaka Ralambo no fomba mbola narahina nankalazana ny taombaovao malagasy tamin'ny Fanjakan'i Madagasikara (1810-1896). Toy izao ny hevi-dehibe.

" ny fidiovana" : iray volana mialohan'ny taombaovao malagasy dia misy ny atao hoe " fara-tsena" izay natao hividianana na hifanakalozana ahazoana ireo fitaovana rehetra ilaina amin'ny  fankalazana. Andro vitsy mialohan'ny andro voalohany amin'ny taona dia midio ny Ntaolo malagasy koa diaovina daholo ny saina , ny vatana sy fanahy ary ny tontolo manodidina rehetra. Tafiditra ao anatin'ny fidiovana ny vatana sy ny fanahy mba ahazoana ny fahamasinana ny " fandroana" dia ny fandroan'ny Mpanjaka sy ny fandroan'ny vahoaka. Rehefa avy manjo ny Mpanjakan'Imerina sy Mpanjakan'i Madagasikara dia tafiana jaky vaovao notenomin'ny Andriandoriamanjaka avy eo Ambohidrabiby. Indray andro mialohan'ny hidirana ny taona vaovao no itrangan'ny Fandroana. Miverina mihavana ny rehetra na mpivady misitaka na mpiray tampo miady na mpifanolobodirindrina fa tsy fomban'ny Ntaolo ny miditra taona vaovao amin'ny fo maloto. Diovina daholo koa ny ati-trano sy ivelany koa soloina tsihy vaovao ny lambanana ary vonoina ny mpamosavy sy ody ratsy ary diovina ny tanàna. Tsy mikitika faty mandritry ny andro mialoha sy ny andro fankalazana ny Taombaovao malagasy. Ny hariva alohan'ny taona vaovao dia mandrehitra ny afo tsy maty koa ny eo Ambohidrabiby no mandrehitra voalohany vao mahazo mandrehitra ny vohitra sisa eo amin'ny firenena. Mitohy eo ny harendrina miodidina ny vohitra mba handroahana ny fanahy ratsy ary mba hazava ny lalakombana mandritra ny taona vaovao. Ny alina kosa dia misy ny lapabe na kimandrimandry koa mandritra izany dia foana ny resaka firazanana sy maha mpihavana fa na mpianaka aza na tompo sy mpanompo dia afaka miaraka. Andrasana mandra-maraina tsy ho faty ny afo tsy maty. Mandritra ireo andro maromaro mialohan'ny hidirana ny taona vaovao ireo koa dia tsy mandatsa-drà ( tsy mamono biby na olona ) ny Ntaolo satria tsy mety ny miditra taona vaovao misy rà ny tanana na misy resaka faty.

" ny safo-rano": vao maraina misandratr'andro dia manao ny ankanjo vaovao ny rehetra ary mandeha mamonjy ny safo rano, na tsodrano ny fianakaviana manatrika ny fankalazana. Rano madio tsy vakimasoandro sy tsy vakin'amboa notsakain'ny vehivavy virijiny sy lehilahy mahery tamin'ny mbola maizina mangiran-dratsy no hafanaina ary apetraka anaty tranom-panjaka. Ny zoky raiamandrany toteny sy fitaratra ary efa fotsy volo no mitsodrano ny taranaka koa maka tahona ravinkazo atao hoe hasina no ajobony anaty ny rano ary afafiny amin'ny mpanatrika arahina tsodrano ambava.

"Tatao": Rehefa izany dia santarina amin'ny vary amin'ny ronono tondrahan-tantely ny taona koa tataovina eo ambony loha ny vary amindronono tondrahantantely anaty ravin'akondro koa isaorana an'Andriamanitra ary angatahana tsodrano aminy mba hahazo fahasoavana mandritry ny taona vaovao. Marihina fa ny vary sy tantely ary ronono no tena sakafo saika iraisan'ny Malagasy rehetra eraky Madagasikara fahizay. Ny vary ampiasaina eto dia tsy vary aloha akory na vary vao nojinjaina tamin'ny fararano fa vary vokatra tamin'ny heritaona lasa, izany hoe "vary mialin-taona", mba hirariana fa hanana amby ampy hatrany ary hahatratra ny taona vaovao manaraka ny vary vao nojinjaina tamin'ny taona vaovao.

" zara-hasina": eo amin'ny fararano dia masaka ny vary eny antanimbary, koa angalana ampahany kely izany ary atolotra ireo zoky raiamandreny.

" jaka mialintaona": Satria amin'ny andro voalohany amin'ny taona vaovao dia tsy mety ny mandatsa-drà koa ny "jaka mialintaona" no hilaofan'ny mpanjaka. Ny jaka mialintaona dia hen'omby volavita novonoina teo Ambohidrabiby tamin'ny fankalazana ny taombaovao tamin'ny heritaona lasa.

" Nofon-kena mitam-pihavanana": Rehefa vita izany vao mamono omby koa ny tendrombohitra 12 masina no mahazo mamono omby volavita fa ny vohitra sisa dia omby tsy volavita no vonoiny. Ny tendrombohitra 12 masina moa dia Ambohidrabiby, Ambohimanga, Antananarivo, Ampandrana, Alasora, Imerimanjaka, Antsahadinta, Ilafy, Namehana, Ikaloy, Ambohitsontsy ary Imerimandroso. Amin'ireo tendrombohitra 12 masina ireo anefa dia ny omby volavita eo Ambohidrabiby no vonoina mialoha vao mahazo mamono ny tendrombohitra masina  miisa 11 sisa.  

" fifamangiana": aorian'izany dia mifamangy ny mpianakavy sy mpiara-monina koa ny zanaka na zandry no mamangy ny raiamandreny sy zoky ary mitondra "solo-mbodiakoho" ny zandry na zanaka amin'izany. Dia ankalazaina mandritry ny 1 volana ny taombaovao fahiny teto Madagasikara.

Araka izany, ny fankalazana ny Taombaovao malagasy no fomba tena malagasy sy amanjatotaona nentin'ny Malagasy nanao ny fampihavanana na teo amin'ny tokantrano, ny mpiray vodirindrina, ny mpiray tanàna, sy ny mpiray firenena ary fanamafisana ny fototry ny fihavanana malagasy.


FOMBA FANKALAZANA NY TAOMBAOVAO MALAGASY ANKEHITRIO

Ny taombaovao malagasy dia natao hoan'ny rehetra tsy anavahana foko sy finoana sy fiaviana ary firazanana. Vokatr'izany, malalaka ny fomba fankalazana azy araka ny toerana misy ny mpikarakara satria ny rehetra dia afaka mankalaza azy amin'ny fomba mety amiy. Rehefa tonga ny Taombaovao malagasy dia azo atao tsara ny mankalaza izany amin'ny fomba misy ao amin'ny faritra mankalaza izany.
Hoan'ny faritra ao Boeny ohatra dia araka ny fomba fanao amin'izany faritra izany no hanaovana azy isaiky ny tonga ny Taombaovao malagasy.
Izany koa anefa dia tsy manakana ny tsirairay na fianakaviana, na orinasa, na vohitra, na fikambanana hanao fomba araka izay tiany rehefa tonga ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy. Ohatra: ny sekoly ACEEM dia nankalaza izany tao antsekoly ka ny mpianatra amin'ny sekoly dia manao fitafy malagasy amin'ny andron'ny fankalazana.

Ny Fiangonana FJKM Ambohidrabiby dia mankalaza izany amin'ny fomba kristiana ka fivavahana ekiomenika ao ampiangonana no hataony amin'izany isaiky ny Alahady hariva manomboka amin'ny 2 ora atoandro ao amin'ny FJKM Ambohidrabiby ary ny mpiangona dia manao akanjo malagasy daholo amin'izany.

Ny tarika RARY sy ny VAZIMBA MPANAZARY, ohatra dia seho dihy sy mozika ary fampiratiana eo amin'ny Tahala Rarihasina ao Analakely isantaona no ankalazany ny Asaramanitra Taombaovao Malagasy.

NY TANJON'NY FANKALAZANA NY TAOMBAOVAO MALAGASY

Ny firenena malagasy, toy ny firenena maro erantany (jiosy, silamo, egyptiana, etiopiana, indiana, sinoa, eropeana)dia nanana ny taonany manokana sy mankalaza ny fiandohan'izany taona izany. Tamin'ny taona 1897 anefa dia nofoan'ny Frantsa mpanjanatany izany fankalazan'ny Malagasy izany taombaovao malagasy izany ary noenjehin'ny Frantsa ny Malagasy nankalaza izany.

Vokatr'izany, tsy sahy nankalaza izany imasombahoaka intsony ny Malagasy ary indrindra, maro tamin'ny Malagasy no lasa nihevitra fa mpamosavy sy mpilalao ody izay Malagasy mbola manao izany fankalazana ny Taombaovao Malagasy izany. Vokatr'izany koa dia nosoloin'i Frantsa ny fankalazana ny 14 jolay ny fankalazana ny Taombaovao malagasy. Hatramin'ny taona 1897 mandrak'ankehitrio dia mbola manankery foana ny didimpitondrana noraisin'ny Mpitondra frantsay nanafoana ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy.

Nanomboka tamin'ny taona 90 anefa dia nijoro ny Trano Koltoraly Malagasy sy ny Akademia Malagasy izay niaranamerina ny fankalazana amin'ny fomba manetriketrika izany Taombaovao Malagasy izany. Ny tanjona dia ny hanafoanana ilay didimpitondrana noraisin'ny fanjakana frantsay ka ny fanjakana malagasy mihintsy no hanao andro tsy fiasana nefa andraisa-karama izany andro fankalazana ny Taombaovao malagasy izany. Hatreto dia efa mihamaro ireo mpitondra fanjakana no mankalaza ny Taombaovao malagasy saingy mbola tsy ofisialy. Ny vahiny indray aza, toy ny Ambasadora Indoneziana eto Madagasikara no tonga nanotrona tamin'ny fomba ofisialy ny fankalazana ny Taombaovao malagasy tamin'ny 31 Martsa 2014.

Rehefa tafaverina amin'ny fomba ofisialy ny fankalazana izany Taombaovao malagasy izany dia hoavy hiarahaba ny firenena sy vahoaka malagasy ny firenena maro erantany isaiky ny manodidina ny martsa na aprily isantaona, izay vao hajain'ny vahiny amin'ny fombantsika isika Malagasy. Ary isika Malagasy kosa tsy homenatra amin'ny fombantsika intsony ary hiverina hanana toe-tsaina mandala ny fahadiovana ampo, ampanahy, antsaina sy amin'ny manodidina toy ny fanao isaiky ny fankalazana ny taombaovao malagasy fahizay.

Marihina fa ny Taombaovao malagasy dia nataon'ny Ntaolo ho fanavaozana ny hasina eo amin'ny tontolo rehetra, ho fanamafisana orina ny fihavanana sy ho fametrahana sy fisaorana an'Andriamanitra antampon'ny loha noho ny soa sy fitahiana rehetra nataony ary ny ami'ny hoavy mandritry ny taona vaovao ary ho fanomezandanja ny mahamalagasy.

Aucun commentaire: