dimanche 8 mars 2015

Fisaka ny rariny, marolafy ny marina.

Mifona, tompoko. Mandadilady rariny aho io. Amparakizo ny fireneko. Na ho voatondro molotra sy ho zimbazimbaina aza aho dia hinia hamaky bantsilana.

Misy antony ezahako hazavaina amin’ny mason-tsokina ananako izao loza aman’antambo mihatra izao. Raha anisan'ny fototr’aretina tokoa izany dia azo anoritana “katranaoly”, araka ny filazan’ny Tandroy azy.

Koa tsy hiviombio velively ito lahatsoratra ito satria an’i Kirijavola, ny voamasony no ho potsiriny. Noho izany, manao ombay làlana amin’izay mora tafintohina re, raondriana.

Mivezivezy anelanelan’ny ao amin’i Facebook sy eto amin’ny blog ny serasera iandraiketako koa aza omena tsiny raha hisy ny fanazavana amin’ny fiteny malagasy ary ny sasany kosa dia  frantsay. Hampivoitra mazava ny hafatra ampitaina no anton’izany.

Hizara dimy ny lahatsoratra: Tompoko, … - Aliénation culturelle et religieuse – Vazimba andohan-talily – Mpanazary sy Anjely – Rasavolan’Ikaky Ravaho.

Peinture sur mur et crédit photo: Vahömbey.

Tompoko, ...

Noho ilay groupe SALANITRA NY AMBANILANITRA tantanako ao amin’i Facebook izay mampisongadina foto-pahalalàna isan-karazany iainan'ny zanak'olombelona eran'izao tontolo izao dia nisy ireo velon'ahiahy koa nitsikera. Nandrisika ahy izany hamoaka ito lahatsoratra ito ambany ito. Hevi-tsy feno, hono, manatody ahiahy koa aleoko misoroka. Hoy ilay lahatsoratra:

TOMPOKO,
Misy manontany ahy hoe atao inona avokoa ireto fampahalalàna asesisesiko ato ireto.
 
Fanakorontanana ny diabem-piangonana mpitonona ho kristianina ve hono ? 
Sa fanozongozonana izay rafi-pivavahana efa tsara horina ?
Sa kosa, hono, aho te ho « gourou » na hanangana « secte » ?

Valiako mazava tsy ankiolikolika. Tsy ho « gourou » mandrakizay aho satria « Libre penseur ». Ny tenabeko aza indraindray mila tsy ho leoko koa ny hafa no andeha ho babeko !?
Ary aoka etsy raha izay “secte”! Ny ankamaroan’izy ireo aza efa mankaloiloy ahy ny fidradradradràny ny anaran’ilay maizina sady fangolika ! Ilay io indray no reko tononin-dry zareo matetika kokoa noho Ilay Tompon’Ny Hazavana izay zokibeko tiako tahafina.
Mifantina izay tiako amin'ny filôzôfia rehetra aho ary mankatia manokana ny an'i Jesosy Kristy. Trotroiko am-pahamendrehana izay fitiavako izay. Tsy ho aderaderako mandrakizay. Masina loatra ! Sarobidy !! Saropady !!!
Sao mba tsy rariny, hono, ireto torohay atosaka ato ireto avy amin-draiamandreny toa ahy !?
Ohatra, ny fasahiako nilaza hoe nianatra filozôfia bouddhique i Jesosy avy any Nazareta ary isan'ny fahalalàna nampihariny izany nafahany nampiranga ny maha-Jesosy Kristy azy.
Azafady, azafady indrindra, marina. Ny fanapenamaso ampiharina amin’ny mpiarabelona amiko no tena tsy rariny velively ho ahy. Fisaka ny rariny ary marolafy ny marina.
“Fantaro avokoa ny zava-drehetra koa fihino mafy izay tsara”, hoy ilay tenim-pahendrena.
AOKA IZAY ny fiheverana izay tsy mitovy hevitra, na ara-kolontsaina na ara-kolompinoana, amin’ny tena ho dondrona sy kentrina ary hanjakan’ny herin’ny maizina.
Aleo samy higoka izay tara-pahazavana sahaza ny tenany avy ny tsirairay ary hisafidy malalaka izay mety aminy.
Tena ilaina dia ilaina, tompoko, ny CULTURE GENERALE mba ho SALANITRA tokoa NY AMBANILANITRA.
Ny ankamaroan’ny olon-tsotra eny an-dàlambe dia lerana, tian-kàno tsitiankàno, “prospectus” sy “dépliant” ary bokikely izay tsy mivoy afa-tsy fandresehan-dahatra poamaso. Ilaina ireny saingy tsy ampy mba afahan’ny tsirairay mandalina izay tena irin’ny fony.
Ahoana no ahalalàna izay sahaza ny tena raha toa tsy afaka mampitaha foto-pisainana sy finoana isan-karazany ?!?
Mihatra tanteraka eto Madagasikara ankehitriny ilay nantsoin’I Karl Marx hoe “La religion, opium du peuple”.
Dia io isika mianakavy midogaigy velona io ary midonjona hatramin’ny fiainam-pirenena ! Viraviraim-potsiny !!
Ny mpilokaloka pôlitika no hany omen-tsiny, ara-drariny tokoa, nefa ny besinimaro mihitsy no efa voalemy saina. Toriteny manamasaka làlan-dririnina lava izao no amahanana azy ireo. Hany fanohanan-kevitra ? Fitanisana an-tokony sy andininy efa tsianjerim-boloky. Mety hampatsilo saina ho an'ny fiainana andavanandro ve izany ? Sesiboletra ve hanampy ampisaina !?
Folahana isan-toriteny amin'ny kabary tsy valiana ny mpiasaben'Andriamanitra. Hany ka aleo mangina raha vao tsy ahatanisa tokony sy andininy. Ady karajia amin'ny fampiderana fahaizana soratra masina ve ifaninana amin'ny farisianina maoderina ? Sao mahamenatra olona eo !
Vokany: tany lonaka ho an'ny mpamiravira pôlitika ny mpiasaben'Andriamanitra !!
Rehefa tsy mandinika akaiky an'io lafiny io ny tompon'andraikim-piangonana ka hanova fanao dia tsy hivoatra mihitsy ity firenena ity.
Hampivoatra ny mahaolona no nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny fotoan'androny.
Firy amin'ny tomponandraikim-piangonana no miandany amin'izay fototra izay ? 
Firy no mibirioka saingy manao tsindry aloka satria ... Olo-mahay ? 
Firy no sahy miatrika ny feon'ny fieritreretany hoe tena miezaka manahaka tsisy pentina an'i Jesosy Kristy ?
Efa mihazokinjokiny ny tenako, tompokolahy sy tompokovavy, koa mahatsiaro manana adidy dieny mbola omen’ Andriamanitra fofonaina.
Anjara adidiko izao efaiko izao.
“Fantaro avokoa ny zava-drehetra ary fihino mafy izay tsara !”
Mankasitraka indrindra,
VAHÖMBEY.

Tsy jery vaovao velively io ambara io. Samy tonga saina mangingina amin’io isika mianakavy saingy miahotra na miambakavaka be ihany noho ny antony samihafa. Efa misy olo-miha-maro isa mifoha anie any ambadika any ê. Indrindra fa any Afrika. 

Porofon’izany ito fanehoan-kevitra manaraka ito. Toa sangisangy zary tenany nefa manindrontsindrona izay tsizy !


Peinture sur mur et crédit photo: Vahömbey.

Aliénation culturelle et religieuse

Début de citation.

L’OCCIDENT ET NOUS
Quand ils font la guerre, elle devient mondiale
Quand ils ont une opinion, elle est internationale
Quand ils s'expriment, ils le font au nom de la communauté internationale
Quant à leurs valeurs, elles sont universelles
Quand ils ont une crise, elle est mondiale
Quand ils parlent d'eux c'est une langue. Quand ce sont les autres c'est
forcément des dialectes
Leurs fruits ont des noms du genre pomme, abricots, pèche. Ceux de
l'Afrique sont exotiques, sauvages
Ils se sont installés de force en Amérique, au Canada, en Australie, en
Afrique du sud, Amérique du sud et ils nous traitent d'immigrés. Lamentable !
Quand ils viennent chez nous ils disent qu'ils sont expatriés et quand
c'est nous qui allons chez eux ils nous traitent d'immigrés. Mesquinerie quand tu nous tiens.
Ils disent d'eux qu'ils sont en situation irrégulière dans un autre
pays. Et quand il s'agit de nous, ils disent que nous sommes des sans papiers, des clandestins.
Quand ils s'attaquent à l'occupant, ce sont des résistants. Et quand nous on s'attaque à l'occupant, nous sommes des terroristes
Ils sont les seuls à pouvoir se doter des bombes atomiques et bizarrement ce sont les autres qui fabriquent et utilisent des "armes de destruction massive"
Quand ils les combattaient il y'a à peine un demi siècle, on les appelait homosexuel, pédé. Et maintenant qu'ils les acceptent on les appelle gays.
Quand ils croient en Dieu, le monde entier doit croire en Dieu. Et maintenant qu'ils n'y croient plus, le monde entier devrait accepter le mariage entre deux personnes de même sexe. Croire en Dieu est devenu ringard’
Quand on se met tout nu avec un cache sexe, nous sommes des sauvages. Et quand c'est eux, ils font du naturisme
Quand nos femmes se voilent, nous les opprimons. Quand les leurs se voilent, ce sont des saintes (soeurs)
Quand ils y régnaient, on parlait de noble art. Depuis que nous les terrassons, on parle de boxe tout court
Quand ils nous prêtent de l'argent, ils parlent d'aide. Quand ils viennent nous piller, ils nous parlent de partenariat ou d'accord de partenariat
Quand ce sont eux qui le font, c'est du lobbying. Quand c'est nous, c'est de la corruption, du clientélisme, du népotisme
Ils traitent nos scarifications (marque de reconnaissance ethnique) de sauvage. Aujourd'hui ils pratiquent le tatouage à outrance
Ils disent chez eux que la femme est plus libre, mais ils oublient que le corps de la femme se vend en vitrine à Amsterdam et aujourd'hui pour une pub de yaourt on a droit à un sein nu. Quel culot !

Fin de citation.


Na lafiny ekonomika, na pôlitika, na sosialy, na lafiny inona na inona resahana, ny mampitondrevaka antsika Malagasy ankehitriny dia io "Aliénation culturelle et religieuse" io. Ampolon-taona maro aho izay no namakafaka sy nandinika, ao no rangory fototry ny afo !

Matoa isika donendrina sy midananà-poana toa izao dia ao amin'io no fototr'olana. Any ampara-hatoka mihitsy isika no voalemy.

Zahao tsara fa ny firenena toa antsika taloha kanefa tafavoatra ankehitriny, ohatra i Rwanda, dia io aliénation culturelle et religieuse io no norarafàn-dry zareo voalohany.

Question de volonté ! De volonté individuelle, d'abord. De volonté commune, par la suite. Et enfin de volonté politique de la part des dirigeants. Pour progresser dans la meilleure voie, sitôt cette aliénation culturelle et religieuse ébranlée, le reste relève surtout de la qualité de notre génie organisationnel.

Illustration:

Quand des pays comme le Rwanda ont su faire appel aux experts confirmés, nationaux comme internationaux, de la Justice Transitionnelle (philosophes, historiens, juristes et autres spécialistes des sciences humaines et sociales, ...) pour se relever de leurs monstrueux affrontements civils, que constater ?

Que chez nous, la réconciliation nationale est confiée aux chefs de file des confessions religieuses conventionnelles, exclusivement d'obédience chrétienne.

Sauf le respect que je dois à ces raiamandreny, quelle aberration !

Disposent-ils de la technicité, de l'expérience et de toute la compétence nécessaire pour une telle mission ?
Fondamentalement bergers de leurs propres ouailles, peuvent-ils s'auréoler d'objectivité ?
Et qu'en est-il du reste de la population qui ne franchit pas le seuil de leurs paroisses ?

Le comble de l'absurdité est de leur confier la réconciliation, à l'échelle de la Nation, avec soi-même et avec autrui. La réconciliation exige tout un processus qui facilite le face-à-face avec les stigmates de l'Histoire de Madagasikara handicapée par des affrontements idéologiques sanglants.

Et encore, j'évite par pudeur de parler de la politisation de ces "raiamandreny am-panahy". Comble du comble, seuls les premiers responsables politiques de notre décadence ont été privilégiés pour amorcer les pourparlers. Très vite, ne se sont-ils tournés le dos ?!?

Aliénation culturelle et religieuse, quand tu nous tiens !
Bonté de bonté !!

Marihako manokana fa efa injato kely aho, hoy ny fitenenana, no nanolotra torolàlana ho an’ny fitondram-panjakana ankehitriny mikasika io Justice Transitionnelle izay tao anatin’ny drafitrasam-panjakana nomaninay FAnambinana MAdagasikara – FAMà. Niady ho minisitry ny kolontsaina aho tamin’ny goverinemanta voalohan'ny Repoblika faha-IV mba afahana mampihatra an’io. Ankilabao tsotra izao. 

Tsy mbola milavo lefona mikasika io Justice Transitionnelle io aho hatramizao fa mbola mitady hirika hatrany ampiharana azy io ara-panjakana. Nahomby tany an-kafà rehetra tany io. Ilaina arafitra amin’ny zava-misy eto an-toerana dia mizotra ny raharaha fampihavanana.

Senior consultant en ingénierie culturelle aho rehefa miresaka an’io Justice Transitionnelle io fa tsy mpanakanto na mpandraharaha pôlitika. Noho izany, teknisianina. “Carré et objectif”, hoy ny fitenim-bahiny.

Raha nanazava ny maha-banja goavana ny Tantaram-pirenena aho ho an’io fahaizan-mandraharaha io dia nisy nanontany hoe: “F’angà nisy kolontsaina talohan’ny faha-mpanjaka ?”. Fanontaniana faran’izay tsara !


Peinture sur mur et crédit photo: Vahömbey.

Vazimba andohan-talily

Valiako mazava ilay fanontaniana.

Ny kolontsainan'ny Vazimba izay nahavatra nampandroso ny vahiny rehetra tonga taty afara no vahatry ny tantaran'i Madagasikara. Izay no iantsoana azy ireo hoe Andohan-talily.

Ny fifampirandranan-tendron'ny Vazimba tamin'ireo andiam-bahiny tonga tsikelikely taty afara ireo no nanome hasina ny fanjakàm-panjaka nanerana ny nosy.

Nototoran'ny "histoire officielle" tsikelikely noho ny antony ara-pôlitika ny fisiana mari-pototry ny Vazimba izay tsy mba voakajy an-tsoratra. Marihana fa sorabe no nitahirizana fahiny izay rakitry ny ela. Anjaran'ny tsirairay no mamisavisa izay mety nasovok'izany fahefana pôlitika goavana dia goavana izany.

Na dia efa nisy taloha lavitra ny vaninandron'Andrianampoinimerina aza ny fanilihana tsikelikely ny taranaka Vazimba dia teo amin'io mpanjaka malaza io izany no niharihary indrindra rehefa nikiry ny ampirangàna an'Ilaidama ho mpanjaka mpandimby azy izy.

Nampibolongana ny fifandiram-pijery teo amin’ny havam-bazimba sy ny mpahay hatrany Atsimo Atsinanana izany. 

Andriamamilaza no nahatondra hatrany andahamadintanim-bazimba ny rano tsy dikain’amboa nahasinan’Andrianampoinimerina an’Ikelimalaza nafahany nanitatra fanjakana. 

Tafaka-dapa taty aoriana ny havana tatsimoatsinan'ny mpanjaka izay hatrany no tena ray nahitany masoandro. Mifandraika amin’izay ve ny fifantsihan' ny ivon-drohotanim-bazimba ao andakaosy fanasinan-tsinana fa tsy eo anivo fijoroana mifanandrify amin'ny andriben-dapa ao Besakana ? Ankamantatra, tompokolahy sy tompokovavy.

Nivaky roa ny tao androvan'Andrianampoinimerina. “Fracture épistémologique” no filazan’ny philosophie azy. Fifanandrinana isan’ny nampikoro ny fanjakana merina izay mpiambina ny laka ivon-drohotanim-bazimba nafahany nijoro ho Fanjakan’i Madagasikara izany. 

Loza iray ! Isan’ny ozon-drazana mahery vaika zakain’ity tany mamintsika ity ny ràn'ny taranaka tatsimoatsinana nasandratra ho Andriamasinavalona kanefa voavono ankabibibiana talohan'ny firodanan'ny Fanjakana Malagasy faha-mpanjaka. Anontanio mikasika an’izay ny mpahalala toa ny Printsy Jobily Rakotoson izay nanolotra ho an’ity blog ity ny tantaran-drazana # 01 sy # 02.

Loza roa !! Nanomboka teo amin-dRadama I dia nitampify an-jorony rehefa tsy nikobona an-johy ny mpanazary Vazimba. Niha-niataka tanteraka ny raharaham-panjakana. Tsy niahy n'inon'inona intsony mikasika ny zotram-piainam-panjakana. 

Radama I  rahateo nandidy ny fanaboriana randrana. Sady nampiasa basy be aman-tafondro fandripahana aina. Noboriana ny randrana. Tsy fifandraharahana intsony ny fanitaram-pahefana fa lasa ankibeda sy antery vay manta. Niha-nahay toa ny tandrefana ra-Malagasy saingy nikolepaka ilay fotoram-panahy notovozina tamin'ny fahendrem-bazimba.

Aoka isika ahatsiaro fa ny Vazimba no tena tompon’ity tany disahintsika ity. Hoy ny lovantsofina nampitain’ilay ingahibe vazimba bahosy nihaonako tany Bemaraha tamin’ny 1999 fony aho niasa ho an’ny RFO-TV5: ” Nisondrotra hatrany ankibon’ny tany ny tsingin’i Bemaraha. Ary nipongatra niaraka tamin’izay ny Vazimba, nialoha ny nielezany nanerana ny vazantany.” Hoy kosa ny géologie, nisintona ny ranobe dia nipoitra i Bemaraha. Ambava omana, ampo mieritra.

Nanampy trotraka ny “fanimbazimbàna”, izay lasa oha-pitenenana, ny fanjanahan-tany izay navozo fatratra ireo Vazimba nahatahiry tanjaka Mpanazary toa ny fanidim-boay sy ny zavontsihita ary ny tsilaitrambasy. 

Hafa ny lôjikam-bazaha: " manichéisme, matérialisme et domination de l'homme sur la nature". Hafa ny lôjikam-bazimba izay mifototra amin'ny " spiritualité, complémentarité des contraires et harmonie avec la nature". Hany ka "nohabibiana" hatrany ny Vazimba teo amin'ny jerim-bahoaka.

Saingy mbola tompon'ny tany ny Vazimba hatramizao na tsinontsinoavina sy hamavomavoana aza. Miataka dia mitazam-potsiny sisa izy ireo. Izao no iafaran'ny nosintsika ! Nikoroso nanomboka tamin'ny taonjato faha-XIX. Mandroso indray mandingana dia mitambotsitra indroa miantoana.

Ny rano ity miverina amin'ny taniny eny andonahonan'Analamanga fahiny ary ny iba andrefan'ny ivon-drohotanim-bazimba miha-mangozohozo fatratra !!! Zahao fa manomboka eo amin'ny adimizanantany miazo adijadintany no manambana ny gorodon-driaka. Asa mitaky adalo hialana faditra ?

Aleo hazava tsara ny resaka. Tsy mila velively anaovana fomba maramara amam-panao poakaty izay afangaro finoanoampoana filàna tombotsoa manokana ny Vazimba. Ohatra: izay mety ho karazana sorona aim-belona (akoho, omby, sns) sady sandaina vola aman-karena

Tsarovy fa FADY Rà ny tena Vazimba. Ho an'ny adim-bazimba dia izay mahalatsa-drà no resy !

Tsaroako eto ilay hitsin-dàlan-dririnin’ny tantara nampitaina tany ampianarana. Tsy nahaleo an’Andriamanelo izay nanana lefom-by ny vazimba koa vaky lefa. Aoka re marina ! Nalaina niady ifandatsa-drà izy ireo dia naleony nandefitra. Aok'izay ny fitsirihana ny tantaran-drazantsika amin'ny lôjikam-bazaha re, tompoko ô.

Amafisiko : Fady mandatsa-drà ny Vazimba. "Non violence pour l'harmonie et simplicité ascétique pour l'élévation spirituelle" no dikan'izany.

Fantaro fa ny maha-Vazimba ny tena Vazimba sy ny taranaka Vazimba dia noho izireo Mpanazary, tompoko.

Ara-pikajiana firazanana, sady TSY andriana, TSY hova, TSY andevo fa Vazimba ny vazimba satria vazimba.

"Hors caste"!


Peinture sur mur et crédit photo: Vahömbey.

Mpanazary sy Anjely (1)

Vanim-potoana mampibanabàna ny vavavokàka izao iainantsika izao. Tovan’ilay lahatsoratra "Tokantrano tsy ahahahaka” no ambara etoana. “Copulation des deux luminaires sur le 0 degré des poissons », hoy ilay mpahalala, ny faha-19 febroary 2015 tamin’ny 2 ora maraina sy 47 minitra ary 15 sekondra lasa teo.

“Reprogrammation galactique” hoy isika teto. Io ilay marika nandrasanan’ny Mpanazary efa ela dia ela izay. Zahao lahatsoratra “Galère sur terre, mystères de l’univers”.

Misy ny mpiantafika ho an’ny Mazava. Raha andohalaharana amin’izany ny Mpanazary ety ambonin’ny tany, tsara fantarina fa misy mpirahalahy-mpirahavavy miara-mianady aminy koa any ankoatran’ ny tontolo andavanandron'ny besinimaro. Anjely no fiantsoana azy ireo amin’ny mahazatra. 

Ho antsika Malagasy dia anisan’izy ireo ny razana mpiahy. Tsy izay maty rehetra akory dia misandratra ho razana. Ny mahavatra manazary mandritra ny fotoam-pandalovany ety an-tany no hany mizaka ny sata hoe Razana.

Ireo izay nangidy hoditra, maramara fitondran-tena fony nirisarisa tety an-tany dia tsy mipàka ho razana velively. Ito karazany faharoa ito dia mpamorika fandevina amoron-dàlana, lolo sy avelo mirenireny foana koa antsoin’ny olona hoe “mpiady vomanga”. 

Soa fa misy ny manavin-janahary izay mpigodongodona manaitra azy ireo amin’ny fahalovam-panahiny isaky ny alarobia maizinkitrom-bolana. Tsotra ny antony, mba inoan-dry zareo ireo hoe misy ny Mazava any ananonanona any izay tokony hisondrotany mba hananany fahafaha-misafidy hiverina ety ambonin’ny tany amin’ny fiainan-kafa indray anarenany tena. Raha tsy izay dia voarohy andaharan’ny mpiantafiky ny Maizina izy ireo ka mandroba-dràha ety an-tany no hany lahasany hatrany ambadika any. 

Fehin’izay tolokevitra izay, mifanandrina tanteraka amin’izao fotoana anoratako izao ny andaniny mpiantafiky ny Mazava sy ny ankilany an’ny Maizina. Tsy hoe satria “Reprogrammation galactique” dia manatombo hery ny Mazava. 

Mibanabàna ny vavavokàka ! Fiandohana izany. Fiandohana mampifandanja ny hery mpifanandrina. Vita pasoka ny daomy tamin’ny 19 febroary lasa teo. Tena eo ampandrafetana diam-panorona vaovao tanteraka isika io. Izao ankehitriny izao. Izao anoratako izao.

Noho izany, mandromodromotra mafy mihitsy ny Maizina izay tompon’ny laka nialoha io 19 febroary 2015 io. Mbola ho avelantsika ho baboanan’izy ireo indray ve ny laka ? Fotoana mety ho antsika Mpanazary izao irosohantsika amin’ny lalina kokoa. Alao hery, ry havako isany !

Safeli-dromoromo fotsiny izao sedra amin’ny loza aman’antambo manjo antsika izao. Azontsika havadika ny tantara. Indrindra ho an’i Madagasikara. Manana SIVY taona isika manomboka amin’ny faha-19 marsa izao hanarenantsika ity firenentsika ity. Tsara dia tsara raha omanintsika sy iomanantsika dieny izao ny faha-19 marsa 2026.

Miangavy an-tànandroa ny olo-mazoto aho. Mandadilady am-bovoka aman-davenona eo antongotrareo tsirairay avy. Mijoroa avokoa re, tompoko, izay efa miaina ho Mpanazary. 

Ho an’ireo izay mbola misalasala, ... Ataovy re, tompoko, izay hahavanon-ko Olona anareo. Zahao ny lahatsoratra " Maha-Olona sy mahaolona " sao afa-manampy ho an’izany.

Mandadilady, tompoko ô. Ario ny teniko raha misy diso. Saingy mialoha an’izay dia mba alaivo ambony, alaivo ambany ihany. Tsy tombontsoa ho ahy velively no ilazako izao. Raha izay tenabeko anie ka mety tsy ho eo intsony rahampitso, rahafakampitso ê.

Mahatsiaro tena ho diso aho fony nirotsaka nofidiana Filohampirenena tsy nahavaky bantsilana tanteraka ny marina bitsihan’ny feon’ny fieritreretako. Tanterahako izany ankehitriny. Tsy mila avara-patana na aiza na aiza aho raha manoratra izao. Ny fahavalon-kevitra indray aza no ahiana hiha-hitombo isa nohon' ny fahasahiana manambara.

Sanatria, tompoko, ny mitoky teny fantatra. Saingy fisaka ny rariny ary marolafy ny marina. Koa mba asio maso sy sedrao ihany re izay atondroko mialoha ny iavonana azy ê. Azafady indrindra.

Tsotra ny hafatra. Omeo tànana re ny Anjelin’ny Hazavana ê. 

Na ahoana na ahoana finiavan’izy ireo, tsy afaka mamboly fahendrena eo amin’ny toerantsika olombelona ny anjely. Anjarantsika ny ety an-tany, anjaran’izy ireo ny any ambadika any. Raha mahavita mamafy voa tsara isika, anjara lahasan’ny anjely kosa ny mampitombo izany avo zato, arivo, analinkisa heny.


Peinture sur mur et crédit photo: Vahömbey.

Rasavolan'Ikaky Ravaho

“ Raha mbola taranaka Malagasy mifototra amin’ny lafivalon’ity nosy ity ihany ianao, na razamiharo inona na inona, dia fantaro sy tsarovy fa miaina ao anatinao ao ary mamelona ny lahatra iainanao andavanandro ny “Génome Vazimba”.

Miandry anao, vato nasondrotry ny tany, ireo havanao Vazimba mitampify any ampara zohy. Sao valaka ihany re izy ireo, marina mafy ê. An-taona maro dia maro izay no nilolohavan’izy ireo ity tany ity. Efao ny anjara adidinao, ianao olo-mirija, olo-misaina, olom-po amam-panahy.

Mitsangàna amin’ny maha-Mpanazary anao !

Na inona na inona foto-pinoanao sy fiangonanao, tohizo sy hajao. Tanterao anivon’izany ny maha-Mpanazary anao.

Tsy mandrafy anaka, tsy mialon-jafy ny maha-Mpanazary.

Ary aza manaiky rebireben’izay fomba amam-panao izatsy na zaroa raha manelingelina ny fisainanao sy ny feon’ny fieritreretanao izany. Tsy ilan-tsikidy na fanandroana izany. Na izay karazandrazan-javatra miendrika ho finoanoampoana na asan'ny maizina araka ny fiheveranao.

Izany hoe Mpanazary izany dia olona mahato-tsofina ny feon’ny fieritreretany ary manatanteraka izany amin’ny antsakany sy andavany. Dia izay.

Mijoroa ho MPANAZARY."



Peinture sur mur et crédit photo: Vahömbey.

(1) Mpanazary, Album Ikaky 2009: www.youtube.com/watch?v=10pUTObgIog


Aucun commentaire: