dimanche 13 mai 2012

MAHAOLONA MALAGASY # 03




8. NY MAHAOLONA IORENAN’NY MAHA-MALAGASY

« Very tadimpoitra ! » Oadray !!!

« Very tadimpoitra ! », hoy ny fitenenana enti-misokajy ireo olona verivery tadidy, toa tsy mahatombina firy koa kinanganànga fanaovan-draharàha mihitsy aza indraindray. Manginy fotsiny ny toa farofirofy, vizambizam-poana ampitoerana sy saozànin-dava.

Sao tsy fidiny azireo kosa aza izany ?!?

Mety tsy fidiny tokoa raha taorian’ny nahalatsahan’ny tavonin’izireo dia tsy mba nisy nikarakara araka ny tokony izy ilay kitapo nifonosana tao ankibon-dreny. Zary fahazarana sadasada mantsy ankehitriny ny manarinary fahatàny an’iny tavony iny ! Any amin’ny fanariam-pakon’ny clinique sy ny maternité, sanatrian’ny vava !! Aoka re, tompoko, marina tokoa !!!

Fanaontsika Malagasy ny mandray an-tànana an’iny kitapo nifonosana iny. Tandremana fatratra ny famiraviràna azy. Asitrika ambany tokonan’ny trano onenana, na trano nolovàna tamin-drazana mihitsy aza raha azo atao. Rehefa tsy izay dia fantenana fatratra ny toerana anitrihana azy. Ireo mpahalàla rohontany dia maharaka tsara ny tokony atao.

Anton’izany ? Tsy fomba zary fomba fotsiny izany fa misy antony lalina dia lalina !

Rehefa miomana hidina ety ambonin’ny tany ny fanahin’olona iray dia tolorana ny antsipirihany rehetra mikasika ny làlan-kombàny sy raharàha ho tanterahany mandritra ny havelomany ety. Miampy ireo toro-marika enti-manatanteraka antsakany sy andavany izany.

Tsaroan-draOlombelona izany mandavàm-piainany ary miefonefona ao anatiny ao lalandava. Tokony ezahany tadidiana rahateo izany rehefa sendra kihon-dàlana mampisalasala izy. Izay tolotra hatrany an-danitra izay ilay antsointsika hoe “Ariram-piainana”.

Ny maha-saropady ny fikajiana ny tavony ?

Ny tavony no soson-tahiry, na reçu, mikajy io "Ariram-piainana" io. Atao tsara levenana izy io mba ho levona miandàlana ao amin’ny toerana mendrika azy. Mamahatra tsara amin’ny tany, manomboka eo, ny herijika mamelona aina ilay olona vao teraka. Matanjaka kokoa izy mandritra ny havelomany satria mora ho azy ny mampitohy ny herijikan’aina azy manokana amin’ny herijikan’aina manenika ny tany aman-danitra sy ny voaàry manontolo. Hany ka zary kindriandriana ho azy ny mivoatra lalandava miha-vanon-ko olona.

Ho an’ireo misalasala eo anoloan’izay voalaza izay dia tomory ny vokatrin’ny fikarohana amin’ny microkinésithérapie. Mampiaiky ireo mpikaroka ny fahendrentsika Malagasy eo amin’izay lafiny izay. Isika Malagasy, raha oharina amin’ny mponina manerana izao tontolo izao, dia anisan’ireo vitsy dia vitsy an’isa mahakajy io fahalalàna lalina dia lalina io, hoy ny mpikaroka siantifika. Saropady satria sarobidy ho antsika ny fikarakarana tavonin-jaza vao teraka.

Koa aza atao fomba fehy fomba re, rey olona, marina. Koa ho tonga amin’ny kihanihany hoe: “Aza mitoditodika rehefa mandevin-tavony sao maha-njola ny zaza !”. Sangisangy angamba izany saingy zary tenany ihany koa rehefa tomorina akaiky.

Kajio fatratra re, rey ray aman-dreny, ny tavonin-jaza. Hajao ny fanao dia ho bolangina ny zaza, alavirim-parofy sy matsilo saina koa ambini-manasatra mandavam-piainana !

Raki-pahendrena ho an’ny manam-panahy satria sarobidy ny menaky ny aina ary mamy ny miaina. Atsipy ny tady antandrokin’ny omby, atsipy ny teny ampon’ny mahalala.

(Hitohy)

Aucun commentaire: