vendredi 25 mai 2012

"Tafatafa", gazety Valosoa 19.05.2012


Gazety Valosoa, sabotsy 19 mey 2012. “Tafatafa” nitondra ny lohateny hoe: 

“Kandidà ho Filohampirenena koa.”






















1) Iza marina moa aloha Vahömbey ?

Rabearison Roland Dieu Donné Vahömbey. Teratany Malagasy, taranaka Merina sy Tandroy milaro karana Baniâna. Raim-pianakaviana, 53 taona, efa loa-jafy. Monina ao Antsirabe.

2) Inona no tena zavatra ataony, efa mpanao gazety teo aloha, mpanakanto, dia inona avy koa ?

Mpampianatra serasera sy fanabeazam-boa ny mahaolona teo anivon’ny anjerimanontolo. Mpiandraikitra ny ivotoeram-pandraharahàna BEzoro-ingénierie culturelle. Mpandalina ny maha-Malagasy sy mpanoratra ary mpanabe eo amin’ny sehatra karaté-do

“Mpandio pôlitika” fa tsy mpanao pôlitika. “Mpandio pôlitika” miatrika ny mpamiravira pôliFika.

3) Efa nanambara ianao fa hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana filohan'ny Repoblika ho avy, inona no nanosika anao ho amin'izany ?

Efa fantatro hatry ny faha-zaza ny anjara andraikitro eto amin’ny firenentsika. Fiomanana ho an’izany avokoa ny làlam-piofanana samihafa tozoiko hatramizao. Efa niomana ny hirotsaka aho taorian’ny mandat faharoa-n’ny Filoha teo aloha. 

Nony nitranga ny korontana dia nanambara ampahabemaso izany avy hatrany aho ny 06 jolay 2009. Rehefa nitranga ny fanonganàm-panjakana dia nandefitra teo anoloan’ireo mpisetrasetra aho saingy nitaky fifidianana vaovao raha vao feno ny fepetra mahatomombana izany.

4) Misy fikambanana na antoko manosika ve ianao ho amin'izany ?

FAnambinana MAdagasikara, afohizina hoe FAMà, dia hetsiky ny olompirenena mandàla ny mahaolona iorenan’ny maha-Malagasy. Sady tsy antoko pôlitika no fikambanana fa fiaraha-misalahan’ny tsara sitrapo, mpamelombolo ny mahaolona sy ny maha-Malagasy. 

Mahenika ny vazan-tany i FAMà ankehitriny . Mandraharàha ampahamendrehana. Miandry ampilaminana ny lalàna vaovao hifehy ny fifidianana. Aorian’izay vao hiseho masoandro. 

FAMà ? Famaha olOna, famaha olAna.

5) Manana programan'asa na dinam-piaraha-monina ve Vahömbey amin'izay firotsahana hofidiana ho Filohan'ny Nosy izay ?

Efa tamin’ny aogositra 2010 no navoakanay ny vinam-piarahamonina FAMà. Teny frantsay no nampiasaina ho an’ireo mpanapaka hevitra isan-tsokajiny, na Malagasy na vahiny. 

Tamin’ny 30 novambra 2011 no natolotra ny sori-draharàha, narafitra tamin’ny tenin-drazana izy io ho an’ny be sy ny maro. Io volavola io no ifantohan’ny tafa sy dinika ifanaovana amin’ireo rehetra ihaonana. 

Eo ampanontàna boky koa aho ankehitriny, enti-manazava ny ambahanday ilaina. Ny mahaolona sy ny maha-Malagasy, ireo no mamelona aina ny jery ankapobeny. 

Tanin-taranaka no iaraha-manangana ihasinan’ny Tanindrazana ho Firenena. Koa lahara-pahamehana ho an’i FAnambinana MAdagasikara ny fitsinjovana manokana ny tanora sy ny taranaka fara-mandimby ho vanon-ko olona. 

Fanabeazana lavorary isan’ambaratonga sy asa mendrika ary fivelomana mahomby ho an’ny tsirairay no dikan’izany.

6)Azo lazaina ho mbola mikatso ny fivoahana amin'ny krizy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao, manana vaha-olana amin'izany ve Vahömbey ?

Manefy antsika Malagasy eto Madagasikara izao mitranga izao. Fanentanana antsika hirija ara-batana, haranitra ara-tsaina, hadio fo sy halemy fanahy. Lalina dia lalina ny fitiavan’Andriamanitra, Ray Mpaàry, ny olony. 

‘Ndeha atrehina ankitsim-po izay mety ho lazon’ady. ‘Ndeha hisikina dieny izao ho mendrika an’i Madagasikara izay efa manomboka mirànga. Mangahazo mangidy malemy izao atelintsika mianakavy izao, tsetsafina ankalemem-panahy. Matezà rohitina, tompoko, ny aina. 

Na anatin’ny maneno fitatra aza isika izao, efa madiva dia madiva ny mangoambodi-lanitra. Koa alao hery, tompokolahy sy tompokovavy.

7)Lasan'ny sosialista ny fitondrana any Fantsa, inona no mety ho fiantraikan'izany aty amintsika raha ny fahitanao azy ?

Migadona ny fotoana ivoaran’izao tontolo izao ho amin’ny Tsara. Maro dia maro ny singan-torohay eo amin’ny sehatra pôlitika sy ekônomika, ara-piarahamonina sy ara-kolontaina, manambara izany. Anisan’izany ny fitondrana ampelan-tànan’ny sosialista any Frantsa ankehitriny. Hifantoka kokoa amin’ny olana makadiry an-tsinay malemin’ny fireneny ireo mpitondra vaovao ireo. 

Saingy tsy midika velively izany fa hanamaivana ny vaoho ara-kolontsaina sy ara-pôlitika ary ara-ekônomika angejàn’ny fanjakan-dry zareo antsika. Mety vao mainka aza ho sadasada ny paikadin’ny mamba miha-ritra atody ! Koa anjarantsika ny mihoitra malaky !! Manavo-tena dieny mareforefo mbola marary kibo ry zareo ireo !!! 

Angovo faran’izay raitra isika ambanilanitra Malagasy rehefa ny mpitantana ny fitondrana no tafajoro ho mpiandàlana feno fanahy sy mazava fo. Vonona hiantsoroka ny andraikiny sy hiloloha ny hasin’ny Firenena i FAnambinana MAdagasikara – FAMà

Isika tsirairay avy, tompokolahy sy tompokovavy, no famaha olOna sady famaha olAna. Koa samia tahian’Andriamanitra. Matezà rohitina, tompoko, ny aina.

Aucun commentaire: