jeudi 10 mai 2012

MAHAOLONA MALAGASY # 01




1. NY MAHAOLONA IORENAN' NY MAHA-MALAGASY.

Ny fitanisàna:

Ny maha-izaho ahy. 
Ny maha-ianao anao. 
Ny maha-izy azy. 
Ny maha-isika antsika. 
Ny maha-ianareo anareo. 
Ny maha-izireo azireo. 

Ny maha-izy azy ny tsirairay. 

Ny maha-tena ny tena.

Mipàka hatrany amin'ny filôzôfia enti-miaina andavanandro izany koa diniho akaiky anie, rey olona ê.


2. NY MAHAOLONA IORENAN' NY MAHA-MALAGASY.

Ny filaza fotoana.

Fantatsika ve ? Manomboka amin'ny Tataovovonana (midi, hoy ny frantsay) ny fanisana andro vao ho an'ny Malagasy any ambany ravinahitra

fa TSY Misasakalina (minuit, hoy ny frantsay) toa ny UTC (temps universel coordonné) na GMT.

Mipàka hatrany amin'ny filôzôfia enti-miaina andavanandro izany koa diniho akaiky anie, rey olona ê.


3. NY MAHAOLONA IORENAN' NY MAHA-MALAGASY.

Ny filaza fotoana. 

Miisa 32 ny singam-potoana ho an'ny Malagasy tranainy. Ireto avy izany.

« Mihora-tsahona, Maneno akoho, Mifoha olo-mazoto, Maneno fitatra, Mazava atsinanana, Mifoha ny olona, Mivoaka akoho, Maimbohon-dravina, Mivoaka omby, Mitatao haratra ambany, Mitatao haratra ambony, Mitatao vovonana, Mitsidik’andro, Latsaka ny andro, Mby eny ampitotoam-bary, Mby ampamatoran’ombikely, Folak’andro, Mby anjoron’akoho, Tafapaka ny andro, Mangoron’omby any an-tsaha, Mody omby tera-bao, Mody omby, Mody akoho, Maizimbava vilany, Manokona anana, Manokombary, Homana ny olona, Vory fandry, Mandry ny olona, Tapimandry ny olona, Mivoaka mpamosavy, Misasaka alina. »

Mipàka hatrany amin'ny filôzôfia enti-miaina andavanandro izany koa diniho akaiky anie, rey olona ê.


4. NY MAHAOLONA IORENAN' NY MAHA-MALAGASY.

Ny filaza fotoana.

Raha amin'ny 12 antoandro izao fotoana itafàntsika izao. Nanomboka aninkeo tamin'ny ora nifohazako ka hatramin'izao tataovovonana izao dia ANDROANY no fiteny. Manomboka izao tataovovonana izao mandra-pahatoriako rahalina dia ANIO no filaza azy.

Fehiny. Présent passé = ANDROANY. Présent futur = ANIO.

Mipàka hatrany amin'ny filôzôfia enti-miaina andavanandro izany koa diniho akaiky anie, rey olona ê.


(Hitohy)

Aucun commentaire: