jeudi 9 juin 2011

LEMURIA - Madagasikara


Hijoro tsy fidiny na malaindaina aza ! Hamaky resaka mampanahirana, mety ampifanolana, koa aoka samy haka izay rirany maharanitra azy.

SALANITRA ê e e...!

Azafady, aza tsiny, aza fondro, salohy fito, ry zoky toloran-tehina, ry zandry mahaleo mahalasana, ry andriambavilanitra ravakin'ny voary, ry mitovy saranga amin'ny tena, zaza iaraha-mihira mpampiarina raha lavo, mpampisondro-boninahitra ny mpiara-belona !

Alàko ny tsiny, ariako an-tany tsy fantatra, any tsy maniry vary, hivalambalana an-driaka, hisovoka an-dranomasina, danihan'ny andro koa hirotsaka ho herikerika hamelombolo ny tany, hahasoa ny kilonga, hahabotrabotra an'ikala koa hahamaro dimby sy fara antsika mianakavy ! Samia tahian'Andriamanitra.

Voankazo an'ala ê ! Mamy, atelina. Mangidy, aloa. Ny teniko sy ny hevitro ario, tsary maninona ! Ny tenako kosa aleo hijanon-ko havana, tsinjovi-mandeha raha antitra, ialohava-mozika raha mody, andihizan-drahitsikitsika raha 'pàka any amparavodilanitra, koa hanerinerina hitsinjo ny velon-driaria !

Ela ny ela... Savaravina, k'longany, azafady !

Ny ambarako manaraka eto dia hevitro ahy manokana. Tsy voatery ho marina velively ho an'ny be sy ny maro saingy raisiko marina ho ahy irery, raha tsy hoe misy torohay hafa maharesy lahatra ahy hiova hevitra angaha any aoriana any.

Teny hifamarafaràna. Tsy siantifika velively aho hitanisa izay ho lazaiko eto ambany eto. Aleo ilay poety no hiteny. Koa aza hinoana velively izay lazainy, hevero ho toa ny atsanga tsy aman'orana avokoa. Resaka fampandriana adrisa ê ! Menomenon'antitra fampanginan-jaza.

Ny riba rehetra manerana izao tontolo izao dia samy manambara ny fisian'ny fiovaovan'ny cycle d'existence. Teraka. Mitombo. Mihabe. Mandevontena. Teraka, etsetra.

Ito cycle d'existence iainantsika ito dia nialohavan'ny fisian'ny velarantany goavana, tomandavana. Niray fitenenana avokoa ny mponina tao. Nifankahazo tanteraka. Izay niriana dia nananana. Tsy nila nisasatra akory. Naharitra an'arivorivo taona ny fahaveloman'ny olona. Ny fiderana an'Andriamanitra no tena lahasa. Filaminana tsy nisy toa izany. Fiadanana tsy roa aman-tany.

Taty afarafara, nisy ny te-hiseho nahay noho ny sasany, natanjaka noho ny hafa, te-hiambo avo noho ny be sy ny maro.

Teraka ny korontana. Nifandevom-belona ny rehetra rehetra !!! Nipasaka hatramin'ny fonon-tany. Nirefotra. Loza aman'atambo !!!

LEMURIA iny noresahantsika iny. Vita teo ny fisiany.

Ny teny malagasy, hono, isan'ireo tenim-pirenena mbola mahatahiry ny ampahan'ny amin'ny fototenin'I Lemuria io. Ary miavaka amin'izany ny fitenin'ny antandroy.

Ho an'izay tia karokaroka, na poety na siantifika.
Manontanintania ireo universitaires sasany an'i La Réunion. Ny mpikaroka any, misy tena mifototra amin'io sujet Grande Lémurie io mihitsy. Mahità izay iriana ary ê !
Ny fikarohan'i Xhy sy Màa, manginy fotsiny ho an'izay vonon-kisedra azy.

Saingy nandritra io antambo nihatra tamin'ny mponin'i Lemuria io dia nisy tafaporitsaka tany an-kibon'ny tany ny olona sasany.

Misy système solaire iray koa, hono, ao an-kibon'ny tany ao. Eto dia mahasakodiavatra ahy ireo siantifika sasany izay sahy manambara ankitsirano hoe lainga izany satria tsy voaporofo @ carbone 14.
Very hevitra eto ny tena satria fohy fisainana angamba. Firy metatra any ambanin'ny tany moa no takatrin'ny forage-ny olombelona @ izao fotoana izao ary any @ hafiriana anatin'ny tany any izany resahantsika izany ?! Mampandinika ihany â ! Se aâkory, hoy nareo ?


Avadiko kely eto ny takelaka.

Nihaona t@ taranaka vazimba bahosy izahay tany ambanivohitr’Antsalova tamin'ny taona 1999.

Journaliste Reporter d’Images  ho an'i RFO sy TV5 mikasika ny "Vazimba sy mikea", aho tamin'io.

Tsy misy fomban-tany tsy voahaja nandritra io mission io. Ny fotoana efa vita an'eritreritra tamin'izay tokony nihaonana, nirindra soa aman-tsara avokoa izay natao.

Nampitolagaga ny namana mpiara-dia ny fanarahan'andro. Nahatongavana avokoa izay tokony naleha, hatrany @ faran'izay ankodahoda indrindra, tsy tongam-piara na sarety intsony.
Nihaonana avokoa izay olona tokony nihaonana.

Nihaona tamin-kavana ê ! Ny ambiroa no efa nifanao fotoana mialoha. Nanaraka fotsiny ny tenabe taty afara ! Faran'izay nahalalina no nahatandrin-tena tsy nisy tomika aho tsinona tamin'izany.

Performance ordinaire izany ho an'izay faran'izay mahafehy tena, mitondra tena toa anjely.

Efa nisafidy ny hiverina olombelona tsotra moa aho ankehitriny koa aza anontaniana intsony mikasika an'iny, azafady.

Sary sy feo faran'izay tomombana no vita tamin'io mission io. Ho an'izay mpahalala dia Betacam SP, spécial reportage avec minette et multi-objectifs + filtres interchangeables no nampiasaina, tsy adino ny mixette sy ny micro isan-karazany faran'izay raitra. Landrover équipée raid no nentina. Ny chauffeur-guide-mécanicien tena nahay ny asany. Naharitra 30 andro ny dia. Tsy lazaiko eto ny tombam-bidin'izany satria vola be tokoa tamin'izany fotoana izany.

Faran'izay faly aho. Tafaverina tao Antananarivo ara-potoana, tsy nisy tomika. Nialoha ny tsingerin'andro nahaterahako.
May ery aho t@ izay, hizaha izay voakajy.

Nazava dia nazava ny sary rehetra. Ny cadreur koa tena zà-daraharaha. Saingy tsy nisy loko mena mihitsy ny sary rehetra, na plan iray aza !!! Tsy nisy azo nampiasaina velively na tamingany iray aza !!!

Nigogogogo, nitomany aho. Ny andro rahateo, anniversaire-ko. Katroka ny 40 taonako tamin'izay !

Tantaraiko izany satria noho izay voalaza izay dia misy lanjany amiko manokana ny ambarako manaraka eto.

Nanadihady an'ilay Ngahibe, sahabo 85 taona, tarana-bazimba izay tsy ary nivoaka an'iBemaraha, zara raha nandingana an'Antsalova, aho. Izy no nanambara hoe nivoitra avy any ankibon'ny tany ny tsingin'iBemaraha. Ary ny vazimba dia nipoitra avy tao ankibon'ny tsingin'i Bemaraha. Taty afara ny vazimba nisy nandeha niantsinana.

Nisy tafapita ranomasina, lasa tany amin'ny firenena manamorana ny ranomasimbe indianina ve vao nitampody indray, hany ka izay no nahitany ny làlana ho aty Madagasikara ? Mifona, tompoko. Tsy haiko ny mikasika izay na dia misy sahy manizingizina aza izany.

Hoy fotsiny aho hoe, koa maninona tokoa moa izany no tsy nisy ? Ny GPS-mbazaha ankehitriny anie ampaharivon'ny fahaiza-mandrefy ananan'ny olombelona ao anatiny ao ê !

Nanenika an'i Madagasikara iray manontolo ny taranam-bazimba. Nahay nanazary avokoa izy ireo. Izany hoe nahay nitondra tena sy nandraharaha tamin'ny fomba ahazoana "harmonie" sady feno no tanteraka tamin'ny manodidina tsy ankanavaka.

Ohatra andravahana izany. Raha voatery niady izy ireo dia izay sanatria nahalatsa-drà ny mpifanandrina taminy no resy, koa tsy vanon-ko olona.

Dia ahagaga ve ohatra raha tsy nohani-boay na biby masiaka izy ireo ? Mpanazary ê !

Dia ahagaga ve raha nahay nampiato, na nandatsaka orana izy ireo ? Mpanazary ê !

Mahavatra mampirindra ny ao anatiny amin'ny manodidina azy ny mpanazary. Mahalala hatrany izay tokony ho izy araka ny famaritan'ny Mpahary.

Taty afara ny vazimba hatrany no nanome toerana izay mpiavy rehetra tsy ankanavaka.

Mpiambi-tokonana ny vazimba. Mpamafa lapa, indraindray. Matetika, mpiandàlana. Mpamelo-motro amindroan'izao tontolo izao.

Nampandrosoin'ny vazimba teto Madagasikara avokoa izay vahiny tonga nandondona teto.

Niditra teto ny hindouiste sy ny bouddhiste.

Hitarafo fahalalàna ny soratra navelan’i Dama-Ntsoa, azafady.

Teo ihany koa ry zareo jiosy, havan'iSalomôna tonga taty nila vatosoa sy volamena ary hazo nandrafetana ny Tempoly. Tao ireo kananita niorim-ponenana an'antsihanaka iny. Dia nihanika ny afovoan-tany. Isak'izay nolalovana dia nahazo làlana t@ vazimba hatrany.

Te-ahalala bebe kokoa ianareo ? Manontania, azafady manonona anarana, an-dry Pasitera Tolotra sy ireo mpandinika manokana iny lafiny Jiosy amin'ny mponina malagasy iny.

Inona no mbola tantaraina ? Ny fihavian'ny arabo nitsoaka ny fianahana nahery vaika ny mpandala silamo tany ampiandohana ? Ny fidiran'ny olona aman-kolontsaina arabo ?

Be ny mpahalala. Manantona am-panajàna ny katibo sy mpahay amin'iny morona antsinanan'ny nosintsika iny.*

Ny fidiran'ny jôby afrikana, niampita ny lakan-dranon'I Mozambika ?

Aza misalasala manadihady amin'iny morona andrefan'ny nosy iny ! Be ny lovantsofina azo tangirifana. Misy rahateo ny raki-tantara ianarana eny amin’ny anjerimanontolo ny amin’izay. Nisy ny tonga teto satria voababo. Nisy ny tonga an-tsitrapo ary nanangana fiandrianana. Isan’ny mpahalala ny raiamandreny Jean-Pierre Domenichini.

Ny nidirana sy niahanahan'ny Maroseranana ?

Tompony amin'iny Ingahy Esoavelomandroso Manassé, miala tsiny, tompoko, manonona anarana.

Ny nahatongavan'ny vazaha fotsy hoditra, ny sinoa, ny karàna ?

Nianarana tany ampianarana kosa izany ê ! Eny ary ê ! Tsy nianarana tany ? Aoka hanontany, azafady, ny mpiara-belona amin'ny tena.

Angano, angano. Arira, arira.

Tsy ny taloha fotsiny no be filaza, f'izaho koa mpanitatra raindahiny toa ny kaky rehetra te-ho lava andro iainana koa raha mahavelo-motro aho amin'ny mahatarana-bazimba ahy dia indreo isika mianakavy miara-midinika sady mitono bele, tsako sy ovy ! Pppffffhhhhh!!!... Koiiyy! Tsofy r'ireto â !

Sorohy ny afo, r'ireto, ahitàna izay rendreman-te hatory â ! Arosoy ami'zay ny kafe ê ! Ary aiza ilay mampafampàna ? Mba asio indray mitete ny kaopivin'ikaky Ravahö, r'ireto â !...

Tahian'Andriamanitra avokoa isika tsirairay avy.

Mankasitraka indrindra,

VAHöMBEY


(*) Zahao “Tantaran-drazana # 01 sy # 02”

4 commentaires:

VahÖmbey a dit…

" Jiosy ve ny Malagasy ? " izay no lohatenin'ny lahatsoratra azonao zahana miainga avy amin'ito rohy ito:

http://takelaka.dts.mg/actionmd/taniko/jiosy.htm

VahÖmbey a dit…

Azo heverina ho isan'ny antitra indrindra tamin'ireo tonga nivahiny teto Madagasikara ry zareo voatonona manaraka ito:

"Nipàka teto ny austronezianina, avy tany atsinanana. Nandinika lalina mikasika an’io ny mpikaroka fanta-dàza itompokovavy Bakoly Domenichini-Ramiaramanana tamin’ny fotoan’androny ary namela mamy ho fihazin’ny taranaka fara-mandimby."

Fabien a dit…

les vazimba qui sont sorti des tsingy de bemaraha, sont ils humains ou ce sont des entités? LEMURIA, à ce qu'il parait les habitants de ce monde perdu sont les ennemis des Atlantes pendant un temps ce qui a aussi contribué à leur perte. La terre creuse aussi est dedans.....

VahÖmbey a dit…

Manaja, Fabien.

Merci d'intervenir pour enrichir le peu de connaissances dont nous disposons à propos de LEMURIA.

Pouvez-vous nous citer vos références, s'il vous plaît ? Cela rendra certainement service à ceux qui le souhaitent.

Mankasitraka indrindra.