L’auteur du texte NY ZIVA est monsieur Jobily RAKOTOSON, prince de son état, titre légitimé par son arbre généalogique. Nous lui devons les documents intitulés « Tantaran-drazana # 01 » et « Tantaran-drazana # 02 » publiés dans ce blog.
Les habitués du salon de thé « La potinière » à Andohanan’Analakely le connaissent depuis des décennies puisqu’il y établit son bureau comme il le relève avec humour. Pour le contacter directement : +261 32 04 748 14 ou +261 34 40 064 57
Ce vénérable Ancien – Raiamandreny, olobey - s’est constitué lui-même, grâce à des recherches acharnées poursuivies jusqu’à ce jour, en authentique patrimoine, véritable bibliothèque du mode de pensée et de l’histoire du peuple malagasy. Bien sûr, les réserves d’usage en la matière ont cours même pour une personnalité de son envergure dont les propos n’engagent que leur auteur. Toutefois, nous ne saurons trop vous conseiller de le solliciter afin d’enrichir vos propres connaissances sur les racines culturelles malagasy.
Réciproquement, la publication de ses écrits dans ce blog ne doit nullement être interprétée comme une manifestation, de sa part, d’une sympathie particulière pour notre mouvement. Et encore moins comme une adhésion à notre combat politico-citoyen. Notre collaboration est uniquement celle de deux simples chercheurs avides de progresser ensemble avec leurs semblables.
ZIVA se traduit habituellement par parenté à plaisanterie. Il représente la forme contractuelle la plus manifeste de l’alliance fraternelle entre groupes de souche identitaire différente. Soulignons que nous évitons à escient d’utiliser groupe ethnique, et encore moins tribu. Ces appellations prêtent à des controverses délicates qui n’ont nulle raison d’être dans cet espace d’expression.
Trait caractéristique du ZIVA ? Le ompa, l'injure. Quand deux mpiziva se rencontrent, bien qu'ils ne se soient jamais connus auparavant, il leur arrive de s'injurier à profusion. Ils se souhaitent mutuellement tous les maux et les pires malédictions. En fait, c'est le meilleur témoignage de sympathie qu'ils puissent se rendre: conjurer par le verbe le mauvais sort qu'on ne veut aucunement voir atteindre l'autre. En énumérer donc vigoureusement tous les aspects possibles ! Plus on semble rabaisser l'autre par des mots, plus on le respecte en réalité. Existe-t-il meilleure expression sociale d'échange de flux vital ? Tant et tant à dire encore sur la question. Belle matière à réflexion, en tout cas, pour les philosophes !
Trait caractéristique du ZIVA ? Le ompa, l'injure. Quand deux mpiziva se rencontrent, bien qu'ils ne se soient jamais connus auparavant, il leur arrive de s'injurier à profusion. Ils se souhaitent mutuellement tous les maux et les pires malédictions. En fait, c'est le meilleur témoignage de sympathie qu'ils puissent se rendre: conjurer par le verbe le mauvais sort qu'on ne veut aucunement voir atteindre l'autre. En énumérer donc vigoureusement tous les aspects possibles ! Plus on semble rabaisser l'autre par des mots, plus on le respecte en réalité. Existe-t-il meilleure expression sociale d'échange de flux vital ? Tant et tant à dire encore sur la question. Belle matière à réflexion, en tout cas, pour les philosophes !
Presque tous les fokontany de notre territoire national abritent des habitants provenant de terroirs ancestraux différents, des mpiziva pour la plupart. De même s'y côtoient pratiques et confessions religieuses, métiers et professions, tendances et opinions politiques, ... Tout ce qui fait la diversité humaine. Preuve en est donnée lors des jours de marché hebdomadaire, charme de notre campagne et de notre brousse profonde. Diverses communautés d'intérêt et d'affinité se forment au gré des besoins en chaleur humaine de chacun. La vitalité des liens et des relations se constate encore presque partout à Madagasikara, réputée pour le sens hospitalier de ses natifs. Entre autres raisons, peut-être aussi grâce au sens du ZIVA qui mérite plus que jamais un meilleur éclairage ?
Puisse la lecture du texte en malagasy, ci-après, aider tout un chacun à mieux se questionner sur la valeur intrinsèque du Fihavanana liant les mpiara-monina: mpiray Tanindrazana, mpiray faritra, mpiray vohitra, mpiray tanàna, mpiray vodirindrina et mpiray donakafo.
Puisse la lecture du texte en malagasy, ci-après, aider tout un chacun à mieux se questionner sur la valeur intrinsèque du Fihavanana liant les mpiara-monina: mpiray Tanindrazana, mpiray faritra, mpiray vohitra, mpiray tanàna, mpiray vodirindrina et mpiray donakafo.
Là s’enfouit la pierre angulaire de l’édifice à bâtir pour la postérité: le tanin-taranaka.
Bonne lecture J
NY FIHAVANANA:
Anisan’ny mampiavaka antsika Malagasy amin’ny firenen-kafa ity resaka fihavanana ity ary mampiaiky an’izao tontolo izao fa saro-bahana ny fihavanana Malagasy. Ka na dia nisy aza ireo tetika maro samihafa entina hanasaraham-bazana ny samy Malagasy dia tsy tanteraka izany fifandrafiana ny samy mpiray tanindrazana izany.
Ankoatry ny fihavanana amin’ny alalan’ny Faditrà na fatodrà, hifanaovan’ny olona roa tonta na olona roalahy, na roavavy, na lahy na vavy ho enti-mañatsara ny fihavanana (satria na dia olon-droa no mifatidrà na mifatodrà ), ny fihavanana Malagasy dia mitatra ary mitohy ho azy eo amin’ny vahoaka na fokonolona rehefa nampiraisin’ireo olon-droa ireo izany fihavanana izany.
Amin’izao fotoana iainantsika izao dia sady mampalahelo sy manahirantsaina fa somary goragora sy ravarava ny fihavanan’ny Malagasy; hita fa tsy miseho miharihary anefa izany, ary somary miharatsy mihitsy aza.
Tsy voatanisa ny antony mahantonga izany araka ny fantatra : anisan’izany ny fitiavam-bola tanteraka sy tafahoatra ka manjary hanarian-kavana, manampy trotraka ihany koa ny raharaha politika, ka raha tsy iray làlana amiko dia tsy izy.
Na dia eo aza izany dia soa ihany fa mbola misy ny fihavanana Malagasy tsy tontan’ny ela ary tsy simban’ny arafesina sy ny bobongolo, dia ny Zivan-drazana izany. Maro no efa tsy mahalala izany ankehitriny na dia efa olon-dehibe izao aza, fa efa variana amin’ny fahasarotam-piainana sy ny fanatontoloana. Mahafantatra ny amin’ity teny Ziva ity avokoa ny maro manerana ny nosy, izay Fihavanana manan-kasina amin’ny Malagasy.
TOY IZAO NO FILAZAN’NY ISAM-PARITRA AZY :
· Ziva sy lohateny hoy ny njoaty Antakarana
· Ziva-lohateny Fanjivana –Zaka vala hoy ny tsimihety
· Tsy maty manota - lohateny (fifanekem-pokonolona ) hoy ny Merina
· Ziva hoy ry zareo avy ao Ambongo Morondava
· Ziva hoy ny Sakalava
· Fañompa - Soman-dRaza hoy ny Tesaka
· Olo-miray – Fañompa hoy ny Antemoro
Indro kosa ireo isam-poko manana fihavanana amin’ny alalan’ity Ziva ity, fa izany no hahafataran’ny maro azy amin’ny ankapobeny.
1- Ireo Vazimba dia Ziva amin’ireo Beosy sy Makoa
2- Ny foko Antañandrano na Tanandrano dia mpiziva amin’ireo Beosy sy Betsileo
3- Ireo Kanjemby, izay Vezo avy amin’ny tapany Avaratry Tambohorano faritany Mahajanga dia Ziva amin’ireo Sandrangoasty avy ao Kinkony .
4- Ireo Kanjemby avy ao Besalampy dia Ziva amin’ny foko Maromena avy ao Besalampy ihany sy ireo Beosy
5- Ireo Kanjemby amin’ny faritra morontsiraka dia Ziva amin’ireo Antalaotra sy Komoriana (Ajojo)
6- Mbola ao Besalampy ihany, ireo Kanjemby dia mpiziva amin’ny taranaky ny Tsianova
7- Ireo Maromena ao Besalampy dia Ziva amin’ny taranaky ny Manonga
8- Ny taranaky ny Manonga dia Ziva amin’ ny taranaky ny Marolahy
9- Ny taranaky ny Andrafanga dia Ziva amin’ny taranaky ny Kinfotso
10- Ny taranaky ny Tsimanondriky dia Ziva amin’ireo Vezo sy amin’ny taranaky ny Andrafanga
11-Ireo Sandrangoasty avy ao Mintsijo dia Ziva amin’ireo Kanjemby avy ao amin’ny helondranon’ny Maroambitsy, ireo Matihazo, sy ireo Tambondro Avaratra ary ireo Jongoa
12- Ireo Matihazo dia Ziva amin’ireo Antemamaliky ao Mintsinjo
13- Ireo Antirengy dia Ziva amin’ireo Mandravà avy ao Soalala
14- Ireo Manañadabo, ankilany ary ireo Betsiboka, andaniny dia Ziva amin’ireo Marolaka
15- Ireo Marotokiky dia Ziva amin’ireo Tsiaronjy na Tsaronjy
16- Ireo Sambarivo dia Ziva amin’ireo Tongoa
Avy amin’ny foko TSIMIHETY
17- Ireo Antevongo tambohitsy dia Ziva amin’ireo Antevinañy tompon’ny vinàñy
18- Ireo Zafindrano (taranaky ny rano) dia Ziva main’ireo Zafindravoay (taranaky ny Voay)
19- Ireo Zafindramahavita dia Ziva amin’ireo Jongoa (Sakalava)
20- Ireo Antotolàny (tokotelo) dia Ziva amin’ireo Antelampy (avy amin’ny Vato) sy ireo Makoa
21- Ny foko Antakarana dia Ziva amin’ireo Anjoaty sy ireo Zafitsimeto
22- Ny foko Betsimisaraka dia Ziva amin’ny foko Betsileo
23- Ny foko Sihanaka dia Ziva amin’ireo Betsileo sy ireo Makoa
24- Ireo Marofotsy, avy ao amin’ny foko Sihanaka dia Ziva amin’ny Sakalava Manañadabo
25- Ny foko Betsileo dia Ziva amin’ny foko Antesaka, indrindra fa ireo Tesaka Rabehavana, izay Zivan’ireo Makoa sy ny foko Betsimisaraka
26-Fa ireo Betsileo Antañandro dia Ziva amin’ireo Beosy
27- Ny foko Merina dia tsy nahalala, na niniana tsy mampahalalaina ny atao hoe Ziva (mety anisan’ny tetik’ady mahery vaika hanokana-monina azy ireo izany). Nefa ara-tantara dia Ziva amin’ireo Vazimba sy ireo Makoa izy ireo. Eo koa ireo Antehiroka taranaka Vazimba dia mpiziva amin’ireo zanak’Andriana, ary lohateny amin’ireo Ajojo.
Ny foko Merina ihany koa dia Ziva amin’ireo Sakalava Boeni. Ny manamarina izany ka voasoritra tsy hay nofafana dia ny fiteny eto Imerina raha sendra misy olona maty ka ataony hoe “Sakalava robaka”. Raha tsy mpiziva ry zareo fahiny dia tsy ho nitoetra mihitsy io fombam-pitenenana io. Io ilay Fañompa ifamatoran’ny mpiziva.
28- Ny foko Antemoro dia Ziva na lohateny (na Fañompa) amin’ireo Makoa,
29- Ireo Anakara dia fañompa amin’ireo Antevandrìka
30- Ireo Antevandrìka dia Fañompa amin’ireo Zafiraminia
31- Ny foko Antesaka dia Fañompa amin’ireo Betsileo sy ireo Mahafaly
32- Ireo Sahafero dia Ziva amin’ireo Rabehava
33- Ireo Tiara dia Ziva amin’ireo foko Bara Tevohobe
34- Ny foko Bara dia Ziva amin’ireo Manendry, izay taranaka Vazimba
35- Ny foko Tanôsy dia Ziva amin’ireo Tandroy, sy ireo Tandramanàka
36- Ireo Telamaro dia Ziva amin’ireo Tandramanàka
37- Ireo Temananteny dia Ziva ny foko Betsileo
38- Ny foko Tandroy dia Ziva ny Tanôsy
39- Ireo Ivondrobe dia Ziva amin’ireo Karimbola
40- Ireo Karimbola dia Ziva amin’ireo Tandroy Tetreso
41- Ireo Mahafaly dia Ziva amin’ireo Tanôsy sy ireo Tesaka
42- Ireo Sianamavo dia Ziva amin’ireo Tetsiraraka
43- Ireo Tevohitse dia Ziva amin’ireo Tameantsoa
44- Ireo Zanakanga dia Ziva amin’ireo Temilahe
45- Ireo Temitongoa dia Ziva amin’ireo Tefaho , Andrianjoho , Tefoli , Sambaindrano
46- Ny foko Makoa dia Ziva amin’ireo Temoro, Betsileo, Merina ary koa ireo Antimahory ( izay tonga avy any Mayotte) Comores.
47- Ireo Zaramanaga dia Ziva amin’ireo Tesaka sy Temoro.
Hita sy fantatra amin’izany ary fa saika voafaritry ny fihavanana alalan’ity ziva ity avokoa ny Foko manerana ny Nosy mantolo. Somary natory na nampanginina izy ity tamin’ny andron’ny Fanjanahatany mba hampifandrafisana ny samy Malagasy. Foko manan-kasina daholo ny monina eto amin’ity Nosy misy antsika ity, ka tsy mendrika ny ady an-trano, na amin’ny fomba sy endrika samihafa. Satria Nosy iray, tsy azo sarahina na zarazaraina.
Tsara ho marihina manokana ny fihavanan’ny Antemoro sy ny aty am-povoatany, indrindra fa ny Merina. Fihavanana nisy hatrany am-piandohana io, fahiny elabe, ary na dia ny tendrobohitra roa ambin’ny folo (12) eto Imerina aza dia saika misy rà Antemoro avokoa .
Misy hevitra tsara asiam-panitsiana ihany koa ny tamin’ny fotoana nipetrahan’ny Antemoro ho Mpanolon-tsaina teto Imerina. Tsy Andriamahazonoro irery na ny Anakara irery ihany no notendren’Andrianampoinimerina ho “Andriamasinavalona” tamin’ny 1188 : fa ny foko Antemoro manontolo (jereo ny boky nosoratan’ingahy Kasanga Fermand).
Tiana ambara sy amafisinay etoana fa ny Foko Antemoro dia anisan’ny nahay nandrindra fihavanana sy nahay nampihavana ny mpiray tanindrazana Malagasy hatrany amboaloany ka mandraka ankehitriny. Azo hamarinina izany manerana ny Nosy, toy ny Foko Mahafaly- Menabe- Tanôsy- Antambahoaka- Sihanaka- Merina- Betsileo- Tanala- Tesaka- Tefasy- Tsimihety – Antakarana – Zafisoro –Bara –Tandroy- Vezo- Sakalava (fito karazana) dia namitrahany fihavanana avokoa.
TENY FAMARAÑANA :
Ny ZIVA dia fihavanana avy amin’Andriamanitra sy ireo Razana teo aloha.
Fa ny Fatidrà kosa dia nataon’ny olona mpifankatia ho fihavanana vaovao.
Ary ny Fiandrianana dia fanomezana sy tolotra avy amin’Andriamanitra
fa ny maha Mpanjaka kosa dia Tendry sy safidy nataon’ny olombelona.
Koa na dia tsy Mpanjaka aza ny olona iray dia efa Andriana izy, ary manana ny fiandrianany.
Ary misy koa efa Andriana ilay olona no sady voatendry na voafidy ho Mpanjaka.
Ny havanareo,
Printsy Jobily RAKOTOSON
Printsy Jobily RAKOTOSON
+261 320474814
+261 344006457
1 commentaire:
Raha nandalo an'iny faritra Androy (Beraketa, Antanimora, Ambovombe, Bekitro, Bekily...) iny izahay teo @ sehatry ny asa, dia nahatsikaritra fa mahay miresaka toy ny olona niaina antaonany maro tao Antananarivo ireo olona zanatany sendra nitafàna. Mety azo lazaina ho mpiziva koa va izany ny Antandroy sy ny Merina sa manakory no mahatonga an'izay.
Enregistrer un commentaire