mercredi 7 septembre 2011

Tsangan-kevitra SAINA FOTSY





Mpamolavola : FAnambinana MAdagasikara – FAMà

Ivon-tserasera : fanambinanamadagasikara.blogspot.com

                                                                                                                  

Ny SAINA FOTSY dia

- fandàvana ankitsirano ny itarazohan’izao kirizy izao.

- hetsika ankitsi-po sy ampahatoniana ary mateza izay voizin’ny Olompirenena samirery.

- fampisongadinana ny zo masimandidy sy ny fahalalahana feno izay tandrify ny Olompirenena.

- fanoherana ny viravira ataon’ny mpilalao pôlitika matihanina, mpigalabona amin’ny ady seza.

- antso avo ho an’ny mpanao pôlitika rehetra tsy ankanavaka hiaiky ny fahadisoam-paikan’izy ireo ka handefitra ankehitrio, hanome ny lakan’ny fitantanan-draharampirenena ho an’ny Olompirenena tsotra.

- fitakiana ny fametraham-pialàn’ireo mpibodo an-keriny ny Fitondrana, ny mpiandraikitra rehetra ao amin’ny FAT: Filoha, Goverinemanta, CST, CT,  …

- fandrafetana Tetezamita vaovao iadidian’ny Raiamandreny sy ny Zokiolona. (1) 

- fanomezana alàlana hanatanteraka ny fifidianana isan’ambaratonga rehetra an’io rafi-pitantanana manokana io. (2)


Ny SAINA FOTSY, tsy

- manan-tompo velively, na iza na iza. Na fikambanana, na vondrona, na firehan-kevitra. Ny anay manokana, mpampita izao, anisan’izany.

- miray dia mandrakizay amin’ny mpikatsaka tombontsoa manokana, na iza na iza : TGV, TIM, antoko, vondrona, tambatra, ... Rehefa mipetsapetsa ara-pôlitika, na misaron-tava ho manampahefana sivily na miaramila aza, dia voakasika izany avokoa.

- fanakorontanana na fanonganàm-panjakana. Tany tsy misy fanjakana rahateo eto raha tsy rehefa hieboebo sy hisehoseho, handroba sy hanaporitra. Fanjakazakan'i Baroa no misy fa tsy Fanjakana ara-drariny sy ara-dalàna.


INONA NO ATAO ?

Atsangano isan-tokonana ny Saina Fotsy.

Ampirantio eny amin’ny fiara ny Saina Fotsy.

Manaova fehi-tsandry Fotsy, fehi-tenda Fotsy, sarin-doha Fotsy.

Paingory eny amin’ny akanjo andavanandro izay mety ho marika Fotsy mora fantarina.
                                                                                                            
RAHOVIANA ? Isan’andro vaky izao.

Aiza ? Eny rehetra eny.

                                                                                      
(1)  Tsy afangaro amin-dry zareo Raiamandreny Mijoro, na aompana fotsiny amin’ny raiamandreny isam-paritra sy ara-pirazanana ary ara-pinoana. Aoka ho toavina araka izay tratra ny « laïcité de l’Etat ». Ampanginina tanteraka eto izay mety ho fiandaniana ara-pôlitika. Mitaky fahendrena ny loloha Firenena.

(2) Ny Raiamandreny no mamelona ny Antenimiera. Ny Zokiolona no mitantana ny « Exécutif ».  

Ireo Zokiolona dia fantenana eo anivon’ireo mbola amperinasa, izay nateza indrindra amin’ny girady fara-tampony koa toloran’ny namany ny andraiki-draharaha.
Ho an’ireo sehatra saropady mitaky fahaizana manokana dia izay avo diplaoma indrindra sady manana traikefa sy haizatra feno indrindra no laniana. Raha misy mitovy lenta dia izay Zoky no izy.

Marihana manokana fa miandahy-miambavy izao famaritana izao.

Adidin’ireo Raiamandreny sy Zokiolona ireo ny mifantina izay ho mpitarika azy ireo ho Mpitondra antsika sarambabem-bahoaka.

Amafisina fa rafitra Tetezamita vonjimaika ho an’ny fikarakaràm-pifidianana ara-drariny sy hitsiny demokratika ihany io.

Foanana io raha vao tafajoro soa amantsara ny rafi-pitantanana tarihan’ny Filohampirenena voafidin’ny Olompirenena.

Fanamarihana :
Raha mila antsipiriham-panazavàna, zahao azafady:
" SAINA FOTSY. Aleo hitondra Fanjakana ny Raiamandreny sy ny Zokiolona. "
                                                                                                            

Antsirabe, 07 septambra 2011. 


 Ny mpiserasera
 
                                                                                 

                         RABEARISON Roland Dieu Donné Vahömbey

                                                                                                            












                                                                                                

Aucun commentaire: