vendredi 30 septembre 2011

Radio SAINA FOTSY, satellite SF-fb


Radio SAINA FOTSY, satellite SF 30092011-fb

Allô ? Allô ? Allô ? Mahare anay ve ianareo any ê ? Efa vonona ny teknisianina hampita izay vaovao mivantana avy any aminareo koa mitenena am'izay ianareo any an-toerana. Tandremo Radio SAINA FOTSY: anareo ny fitenenana !

" Misaotra anareo SF-fb nanome ny fitenenana anay mpitantara mivantana avy aty amin'ny Salon-n'ny mpifikafika pôliFika, andiany faha-2011. Vaovaon'ny Tetezamita: ifandrombahan'ireo deba tena bokony amin'ny fikafika pôliFika izay entana amidin'ny pokona efa boka trosa sady tsy mahaloa hofan-trano. 

Varo boba, varo-boba, varo-boba dâolo ny entana ato. Saingy feno râsil sy prâ ary bôdega manodidina ny tanàna koa izay pokona mihodinkodina aty voalàko raha vao lava maso na mangaringarika. Karazana entana iray ihany no ataon'ny vadintany lavanty androany: SEZA isan-karazany be dia be, navoaka eto avokoa izay stock azo foronina !

Sôlda be dâolo dâolo eto: 
- fauteuil luxe be toa ny an'ny ONU tsy fahita raha tsy any New-york , 
- seza vita sinoa fanaovan-tsonia ravin-taratasy fampiasa any an-tranokely fisainana, 
- strapontin'ny betax efa nariana tany andralanitra satria sady bokaboka soudure no solitika menaka vidange, 
- sezabory rofia miboraka, iavonavonan'ny mpitsingoloka eny amin'ny fripy.

Efa dakan'ny k'vindro ny sôsy koa mibànaka ny Grande Braderie ho an'izay tsy te-hamerina ny 4x4 nendahana tamin'ny mpianatra. 4x4 malalaka tsara hanolanana jôba kely terena hanao mak'rel sady ampianarina misotro whisky. Adalan'izay tsy mirotsaka amin'io taranja fahazoana mariboninahitra ambony io satria sady mampalaza be io no tsy mampigadra.

Hatreo aloha no azo ambara, ry mpihaino hajaina. Oadray, saika adino,azafady tompoko. Vaovao m'lay be ho an'ny teratany MFG-Miandry Fa Gâsy. Asaina izy ireo hanome haja sy voninahitra ny biz'n dance miezinezina, ampireven'ny deejay vao avy nahavita stage tany Zamérika. Ankalazaina amin'izany ny sosokevitrin'ny tampim-pahaizana amin'ny mpifikafika pôliFika. Congressistes: 650. Minisitra: 60

Vanitika party tsssâââ misy otssââân' ty :-D

Radio SAINA FOTSY, averina any aminareo ny satellite."

1 commentaire:

Alidera A.R. a dit…

Akory zokibe,

Fa toa lasa fiteny hoy aho ity hoe Miandry fa gasy ity e!

Efa ela izy io no fiteniko mba hanesoana ny izay tsy mahay mandefitra... ka gaga aho fa toa nahazo vahana izy io tato ho ato!

Tsara ilay Radio ry amaka (akama), fa aza masahana ny teny fa ataovy mantamanta vava ao amin'ny tena misy ny marina.

Alidera A.R.