vendredi 30 septembre 2011

SAINA FOTSY : Anjomara fanairana !



SALANITRA Ê… !

Saintsaino tsara, ry Olompirenena, sao eo antokonam-baravaran'ny tsy manantsiny no hirefotra ny "printemps malagasy" ! Lohataona tokoa anie isika io ê. E ity ingahibemasoandro mamaky loha sola toa ny ahy izay efa nanakipaka volo lava ! 

Mandromodromotra ny voaàry manontolo !! Maitso ahitra ny tambanivohitra. Refona tsy manan-katokona. Hiridana ny doro-tanety. Very fialofana ny an-tanàndehibe. Boka trosa mampi-te hamono tena. Hiridana indray ny doro-magazay ? LOHATAONA mahamay.

Ho an'ireo tafintohina noho ny lahatsoratra " Radio SAINA FOTSY, satellite SF-fb ". Matoa io nohiniana nosoratana amin'ny tenin-jatovo an-dàlambe dia hanairana fa efa mihaodihaody mandrani-njava maranitra ireo Bandy akama leo sy tofoka ny viraviraina ireo ! 

Tsy hisy ho afa-bela ny mpiara-monina raha mbola indraindraina ny tsangan'olona na mpitondra io, na mpanohitra ofisialy. Na mpihambo mahay pôlitika io ! Na mpifikafika pôliFika matihanina !!

Tsy mandraharàha n'iza n'iza amin'ireo ny SAINA FOTSY !
Ny fiarahamonina manontolo eto no tsinjovina. Ny anongotsongoina ny maty ê ! Sao mandevina ny velona. 

Koa avela hirefotra ankabibiana ve ny "printemps malagasy" sa tantanana ampilaminana mba ho fanavotana ampahamendrehana, tsy ankifamono ho faty ? 

Izaho manokana malaina tanteraka amin'ny ady sy korontana ! Saingy ho voavalan'i SAINA FOTSY ve ity haromotam-bahoaka efa miraondraona ity ? Ahy sy anao no mamaly izany !

AGNÂBO SAINA FOTSY Ê !

Aleo misoroka toa izay mitsabo !

AGNÂBO SAINA FOTSY Ê !!

Anjomara fanaraina mialoha lakolosin’antambo !

AGNÂBO SAINA FOTSY Ê !!!

Aucun commentaire: