jeudi 29 janvier 2015

DISO ISIKA !




DISO ISIKA !

Fanamarihana ampiandohana:

Sanatria tsy fiantsiana ito ho soratako ito fa Ikaky Ravaho manaitra an’ikoto sy ikala sondrian-tory nefa tokony hiarina am’izay hanao raharàha. Na an-tanety, na an-tsaha.

Toa ilay fanaon-d Roland Rabearison tao amin’i “Manjamanja miaraka amin’i Radio-Madagasikara” tamin’ny taona 1992 nandritra ilay fandaharana isaky ny zoma maraim-be hoe: “ Besorongola ââââ ! Mifohaza am’izay ! ”

Tsaroanareo efa zokinjokiny ireo ve ?
___________________________

Diso. Tena diso. Diso be ! Diso be isika olon-tsotra, isika mihambo ho olompirenena, mitonon-tena ho mahay sady tsara toetra no avo fanahy. Diso be isika isaky ny mitsara ireo mpanao pôlitika ho antsika ireo araka izay tantarain’ny médias sy ny facebook antsika: izao sy izao indray no nataon-dranona ê !

Ho ataoko ohatra, tononiko eto Andriamatoa Voninahitsy Jean Eugène. Miala tsiny indrindra, tompoko, manonona anarana. Tsy hamingavinga aho sanatria. Na hanasohaso be fahatany ihany koa. Hamaky bantsilana fotsiny ihany mba hahavaky lay ny masom-panahintsika  mianakavy.

Ho antsika mpanaraka facebook sy gazety ary médias isan-karazany dia fatritran’ny mpanao pôlitika mpivadibadika palitao io olona io. Olona, hoy aho, fa tsy olombelona. Amafisiko: Olona ! Zahao ny lahatsoratra “Maha-Olona sy mahaolona” izay efa nosoratako mba anavahana tsara ny Olona sy ny olombelona.

Ny ankamaroantsika mianakavy  dia influencer-n’ny fijery facebook sy médias lava izao. Malaky mitsara tsy ankanadihady ! Mpihinana ambolony sy mpanara-drenirano ary mpanao rebikondry marivo salosana.

ISIKA, hoy aho. Izaho manoratra izao dia anisan’izany.

Marina fa ara-pôlitika dia “requin” Andriamatoa Voninahitsy Jean Eugène ! Tena “requin” tokoa !! Aza mifanehatra aminy ihany rehefa tombontsoa no resahana. Na iza na iza mpitondra eo dia eo foana Andriamatoa Voninahitsy Jean Eugène. Rehefa tsy mamely intsony izay mpitondra eo dia Andriamatoa Voninahitsy jean Eugène no mpitsikera voalohany indrindra. Na Ravalomanana io, na Rajoelina, ary angamba koa Rajaonarimampianina atsy ho atsy, raha tsy maha-tandrina rangahy io.

Izao no lazaiko anareo mpandàla vaovao ireo. Tena “requin” iny olona iny ary tsy mandraharàha afa-tsy ny tombontsoam-bahoaka iahiany manokana rehefa misy mpitondra vaovao eo. Averiko: ny tombontsoan’ny vahoaka iahiany manokana.  Marina izany !

Saingy tonony amiko izay olona tian’ny vahoakan’i Melaky indrindra ! Sy ny tian’ny mpiray vodirindrina indrindra ankoatran’Andriamatoa Voninahitsy Jean Eugène ! Mpanampy ny manodidina azy izy ! Ary tena mamy hoditra amin’ny manodidina azy.

Hatrany amin’ny faritr’i Melaky ka hatraty Ivato-Antananarivo, isan'ny toeram-ponenany. Maro no afaka mijoro vavolombelona amin’izany.

Marina fa hoe “be zesta” izy sady be rehaka fa izao no lazaiko anareo. Mitsangàna izay mahavita noho Andriamatoa Voninahitsy Jean Eugène amin’ny manodidina azy, na an-kafaliana (mariazy, sns) na an-kasarotana (aretina, fahoriana, sns).

Matoa izy mivadibadika palitao dia satria mila vola lalandava izy entiny anampiana ireo akaiky azy sy manodidina azy. Eny, satria olombelona toa ny rehetra ihany koa izy, dia manana ny filàny manokana ho an’ny tenany sy ny ankohonany.

Saingy izao no sahiko lazaina ankitsirano sady ampahabemaso: “ Mitsangàna izay mpanambola mamy hoditra amin’ny manodidina azy, na mpanao pôlitika na tsia !”

Izay koa ilay fandraharahàna pôlitika, tompokolahy sy tompokovavy. Fanasoavana ny mpiarabelona akaiky ny tena indrindra. Ny Firenena, tompoko, dia manomboka amin’ny manodidina ny tena fa tsy safobemantsina misidintsidina fotsiny.

Koa ndao hisaina kely aloha isika be tsikera sy manta vava ary mihambo ho mahay. Mahavita soa amin’ny manodidina mivantana antsika noho ireo mpanao pôlitika ireo ve isika ? Mahafoy ny any ampaosintsika ho an’ny manodidina antsika ve isika ?

Sa kahidy velona amin’ny any am-paosintsika isika ka torohevitra lava izao no ireharehantsika hoe zaraintsika etsy sy eroa. Ary tapitra amin’izay torohevitra zarazaraim-potsiny izay ny adidy fanasoavana ho antsika. Ny adidim-pokontany aza rehefa tsy sandaintsika vola dia hodiana fanina. Ohatry ny mila mieritreritra isika ân !

Mifona aho. Aza enjehana fahatany ny mpanao pôlitika satria tsy takatry ny olon-tsotra toa antsika ny LÔJIKANY. Amafisiko: tsy takatry ny fisainantsika ny lôjikany.

Ny ankamaroantsika dia toa ny mpijery baolina miseho mahay eny ambony gradins nefa tsy haninon-tsy haninona rehefa eny ambony terrain.  Samy Van Damme mpahay video-karaté rehefa mijery compétition nefa mangozohozo lohalika raha sanatria ambony tatami.

Am-bava omana, am-po mieritra. Teny atsipy ho an’ny manam-panahy. Izany manam-panahy izany dia tsy miahotra miaiky hoe diso rehefa tena diso tokoa. Koa asakasak’izay miambo ho manam-panahy nefa mitsaratsara fahatany tsy ankanadihady akory.

Mahasahia manao pôlitika raha mbola miambo ho manam-panahy ihany. Aleo eny antanim-boanjo no mifandrefy halalinam-panahy mahaolona, tompoko.

Faranako amin’ny teny vahiny mba iraketan’ ny tian-kampitaina satria maro loatra ny Malagasy malaina mamaky teny malagasy.

Que celui qui se prétend éveillé, ose prendre le balai pour nettoyer. Du moins, autour de lui. Celui qui est trop fier pour prendre le balai, et qui se prétend pourtant éveillé, devrait se taire pour ne prêcher sa vérité qu’auprès de ses dévoyés. Ceux-là ne le contrediront jamais.

Alors, chiche ! Arrêtons de gueuler pour gueuler et osons ! Osons aller là où nous n’avons jamais été. Du côté DU politique, pour commencer.

Osons changer les choses, nous autres qui voulons d’une meilleure humanité. N’attendons ni Dieu, ni ses anges, pour faire nos devoirs à nos places. Arrêtons d’incriminer nos politiciens, arrêtons d’envoyer les anges faire ce qu’ils ne peuvent faire à nos places, arrêtons d’attendre Dieu !

Retroussons les manches et faisons ce que nous avons à faire. N’attendons rien de qui que ce soit, fut-ce de Dieu.

Faisons ce que nous avons à faire, ce que personne ne peut faire si nous ne le faisons pas. Ainsi seulement, pouvons-nous espérer qu’un jour,  SALANITRA NY AMBANILANITRA.

Post Scriptum :

1. Monsieur Jean Eugène Voninahitsy est, pour moi, juste une vague connaissance. Nous ne sommes pas du tout amis. Je n’attends donc particulièrement rien de lui. Donc aucune raison, de ma part, ni de le magnifier, ni de le diaboliser plus qu'il ne faudrait. Pareil pour toute la politicaillerie comme diraient les Québécois.

2. Serai-je, un jour, un homme d’Etat ? Tant mieux. Ne le serai-je jamais ? Il m’importe peu.
Le rocker révolutionnaire, nul depuis toujours en calcul opportuniste, ne divorcera jamais avec le libre penseur. Avoir presque 56 ans encourage à peine à apprécier les beaux virages et autres tentants tournants. Les tête- à-queue, c'est du déjà vu, Ca va bien, merci.

Tout ce que je veux, c’est voir enfin les Malagasy se réveiller. Et surtout clore le bec aux décourageants préjugés. Balayons toute limite, s’il vous plaît. Sinon, ce n’est pas la peine de rêver. Ni de progrès, ni de prospérité.

Si jamais ma diatribe aura quelque peu offensé, vous m’en voyez désolé. Mais le lion vieillissant que je suis, s’en serait voulu à mort s’il n’avait osé clamer sa vérité.

OSU… ! Comme on dit avec un total respect, avant de se retirer du tatami, en karaté.


"Ny teny diso tsy mba kabary. Teny silaoka, hono, fanary. Ario ny teniko raha misy diso. Fa ny tenaben-dravahömbey, ... Aza tsiny re ê ! Tsinjovy mandeha."

Aucun commentaire: