samedi 10 janvier 2015

" FARARAKO "

Crédit photo: ANDRIANJARA 2015

Miarahaba, tompokolahy. Manaja, tompokovavy. Salanitra isika mianakavy.

Ny hevitra, hono, terabary. Miteraka resabe ilay fanambarako ankiharihary hoe “Tsy teny Iavoloha aho androany 09 janoary 2015.” Mankasitraka hatrany anareo havana aman-tsakaiza misahirana mifampikatroka jery noho izany.

Ny hevi-tsy feno, tompoko, manatody ahiahy. Koa rehefa namaky antsipirihany ny voasoratrareo sy nanongilan-tsofina izay voaresakareo mikasika izany aho dia mamelà ahy, azafady indrindra, haneho ireto hevitra telo loha manaraka ireto.

1.      Sarobidy ho ahy ny antsoina hoe “sincérité citoyenne”. Omeko hasina lalandava mihoatra ny antsoina hoe « bienséance politicienne » io « sincérité citoyenne » io. Na olompirenena tsotra ny tenako, na ho anisan’ny mpitondra fanjakana indray andro any.

Samy miaiky ny be sy ny maro hoe mila ovaina ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara. Ary amin’ny maha-mpandraharaha pôlitika ny tenako dia io “sincérité citoyenne” io no omeko lenta ambony noho ny “bienséance politicienne”. Indramiko ny teny vahiny ilazako hoe: “J’assume.”

2.      Hatramizay ka hatramizao dia nanefa antsakany sy andavany hatrany ny anjara raharaha sy adidiko aho amin’ny maha-olompirenena ahy. Na iza mpitondra ara-pôlitika teo, na iza, dia nimatimaty hatrany aho nanasoa ny fireneko araka izay tandrify ahy sy voatsirambin’ny tànako.

Ohatra akaiky: nanolokevitra sy nanome tànana tsy ankiato ny fitondrana ankehitriny araka izay masontsokina ananako aho nandritra ny taona 2014 manontolo. Saingy tsy nisy nihaino, tsy nisy nandraharaha. Avonavona sy tosi-bohontànana ary fandrahonana no nasetrin-dry zareo an’ izany. Tsy nampilavo lefona ahy sanatria.

Notohizako hatrany ny fanarenam-pirenena taty amin’ny sehatrin’ny “société civile”. Isan’ireo mpilofo ao amin’ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananantany (SIF) ny tenako. Kitro ifaharan’ny fampandrosoana, tompoko, ny Fananantany. Toa izany koa ny  « Himo structurée », asatanamaro manaradrafitra, izay mifototra amin’ny antsoina hoe « Plein Emploi et Travail Décent » na Asa mendrika ho an'ny besinimaro.

3.      Na anaty fitondram-panjakana aho, na tsia, dia imatimatesako hatrany ny famelomana aina ny fireneko mandrampikimpin’ny masoko. Mila risika Ra-Malagasy mba tsy hiraviravy tànana ka sanatria ho very fanahy mbola velona ?

Ampiriatiko indray, tompoko, ny FARARAKO ary ho ampanenoiko hampangorintsina ny ati-fanahin’izay ahare azy. Sitrany ahay hanome risika ny tsara sitrapo mba hiroso hatrany.

Na inona, na inona ataon’ny mpitondra fanjakana. Manao tsara ry zareo ? Tsara. Manao kitoatoa ? Tsy atao mankarary fo.

FEHINY:

Totovarim-bazimba io, araka ny fitenin’ingahy Olombelo Ricky. Izay tsy mitoto, tsy mihinana. Iarahanay manana io tsangan-kevitra io. Miampy ilay hoe: “Malagasy, manankasy. Madagasikara, manankasintsara.”

Koa ny aina, tompoko, no matezà.

Mankasitraka, tompokolahy. Mankatelina, tompokovavy. Tahian’Andriamanitra isika mianakavy.

RABEARISON Roland Dieu Donné Vahömbey.

Crédit photo: ANDRIANJARA 2015

Aucun commentaire: