mardi 13 janvier 2015

Miala any i " LàKALàKA " ! Sava-làlana:

LàKALàKA, rakikira faha-enina notontosain-dry VAHÖMBEY. Tao amin’ny Electric Red Island Studios no namolavolana tanteraka azy io toa an’i TAO izay nialoha azy. An-taona maro no niketrahana an’i LàKALàKA. Ito no rakikira mafonja indrindra novokarin’i Vahömbey izay efa mipi-bolo ankehitriny.

Olon-tsarotiny mikasika ny maha-olona sy ny maha-malagasy i Vahömbey. Miharihary izany ato amin’ito rakikira ito izay mamaky bantsilana ny kitoatoam-pitantanana ara-pôlitika mianjady amin’ny vahoaka Malagasy. Na an-drenivohitra izany na an-tany lavitra andriana. Raiamandreny efa loa-jafy i Vahömbey. Mitandrim-bava toa zokiolona nefa itambesarana adidy. Fitsinjovana ny taranaka faramandimby no antony anitrikitrihany izay tokony ahitsy eo amin’ny fiainam-pirenena.

Araka ny nambarany: 

" Fara-gisitra eran’izao tontolo izao i Madagasikara mikasika ny herinaratra. Kolikoly maharikoriko hatrany an-tampony ka hatraty ampaladia. Valala tangosam-potsiny ny zanabahoaka ianjadian’ny horohoron-jiolahy. Fanjakazakàn-tsakaizan’ny tompomenakely ny ambaratongam-pitantanana. Fahantrana sy fahavoazana isan-tokantrano mampikororosy ny isambatan’olona. Fampiharana lalàna fialofan-jiolahy sy famoretana ny tsy manam-piahy. Mitotongana ny maha-olona, mirefarefa ny maha-malagasy."

Miakoako any anaty hiran’i Vahömbey ny fiantraikan’ireo antambo ireo any am-po tsy miloakan-dRa-Malagasy izay miandrandra ampitso mamiratra mandavantaona. Hoy i Vahömbey eto ampanolorana ito rakikira LàKALàKA ito : 

« Mila risika Ra-Malagasy mba tsy hiraviravy tànana toa very fanahy mbola velona ? Ampiriatiko indray, tompoko, ny fararako ary ho ampanenoiko hampangorintsina ny ati-fanahin’izay ahare azy. Sitrany ahay hanome risika ny tsara sitrapo mba hilofo sy hiroso hatrany. Na inona, na inona ataon’ny mpitondra fanjakana. Manao tsara ry zareo ? Arahaba soa, arahaba tsara. Manao kitoatoa ? Tsy ivadihana ati-doha. Na inona na inona manjo, fadio re, tompoko ô ! Fadio raha mbola velona aina, fadio ny famoizam-po !  ”

Lahatsoratra sy taosary : BEzoro – ingénierie culturelle (BE-ic)

Sary pika : ANDRIANJARA 2015

Crédit photo: ANDRIANJARA 2015

Aucun commentaire: