mardi 22 septembre 2015

AMBAHANDAIN-DRAHARAHA.

A-   Vazimba andohan-talily


Ny kolontsainan'ny Vazimba izay nahavatra nampandroso ny vahiny rehetra tonga taty afara no vahatry ny tantaran'i Madagasikara. Izay no iantsoana azy ireo hoe Andohan-talily.

Ny fifampirandranan-tendron'ny Vazimba tamin'ireo andiam-bahiny tonga tsikelikely taty afara ireo no nanome hasina ny fanjakàm-panjaka nanerana ny nosy.

Nototoran'ny "histoire officielle" tsikelikely noho ny antony ara-pôlitika ny fisiana mari-pototry ny Vazimba izay tsy mba voakajy an-tsoratra. Marihana fa sorabe no nitahirizana fahiny izay rakitry ny ela. Anjaran'ny tsirairay no mamisavisa izay mety nasovok'izany fahefana pôlitika goavana dia goavana izany.

Na dia efa nisy taloha lavitra ny vaninandron'Andrianampoinimerina aza ny fanilihana tsikelikely ny taranaka Vazimba dia teo amin'io mpanjaka malaza io izany no niharihary indrindra rehefa nikiry ny ampirangàna an'Ilaidama ho mpanjaka mpandimby azy izy.


Nampibolongana ny fifandiram-pijery teo amin’ny havam-bazimba sy ny mpahay hatrany Atsimo Atsinanana izany. 

Andriamamilaza no nahatondra hatrany andahamadintanim-bazimba ny rano tsy dikain’amboa nahasinan’Andrianampoinimerina an’Ikelimalaza nafahany nanitatra fanjakana. 

Tafaka-dapa taty aoriana ny havana tatsimoatsinan'ny mpanjaka izay hatrany no tena ray nahitany masoandro. Mifandraika amin’izay ve ny fifantsihan' ny ivon-drohotanim-bazimba ao andakaosy fanasinan-tsinana fa tsy eo anivo fijoroana mifanandrify amin'ny andriben-dapa ao Besakana ? Ankamantatra, tompokolahy sy tompokovavy.

Nivaky roa ny tao androvan'Andrianampoinimerina. “Fracture épistémologique” no filazan’ny filôzôfia azy. Fifanandrinana isan’ny nampikoro ny fanjakana merina izay mpiambina ny laka ivon-drohotanim-bazimba nafahany nijoro ho Fanjakan’i Madagasikara izany. 


Loza iray ! Isan’ny ozon-drazana mahery vaika zakain’ity tany mamintsika ity ny ràn'ny taranaka tatsimoatsinana nasandratra ho Andriamasinavalona kanefa voavono ankabibibiana talohan'ny firodanan'ny Fanjakana Malagasy faha-mpanjaka. Anontanio mikasika an’izay ny mpahalala toa ny Printsy Jobily Rakotoson izay nanolotra ny Tantaran-drazana # 01 sy # 02  ho an’i fanambinanamadagasikara.blogspot.com

Loza roa !! Nanomboka teo amin-dRadama I dia nitampify an-jorony rehefa tsy nikobona an-johy ny mpanazary Vazimba. Niha-niataka tanteraka ny raharaham-panjakana. Tsy niahy n'inon'inona intsony mikasika ny zotram-piainam-panjakana. 
                                                                                                                                                                                            
Radama I  rahateo nandidy ny fanaboriana randrana. Sady nampiasa basy be aman-tafondro fandripahana aina. Tsy fifandraharahana intsony ny fanitaram-pahefana fa lasa ankibeda sy antery vay manta. Niha-nahay toa ny tandrefana ra-Malagasy saingy nikolepaka ilay fotoram-panahy notovozina tamin'ny fahendrem-bazimba.

Aoka isika hahatsiaro fa ny Vazimba no tena tompon’ity tany disahintsika ity. Hoy ny lovantsofina nampitain’ilay ingahibe vazimba bahosy nihaonako tany Bemaraha tamin’ny 1999 fony aho niasa ho an’ny RFO-TV5:

“ Nisondrotra hatrany ankibon’ny tany ny tsingin’i Bemaraha. Ary nipongatra niaraka tamin’izay ny Vazimba, nialoha ny nielezany nanerana ny vazantany.”

Hoy kosa ny géologie, nisintona ny ranobe dia nipoitra i Bemaraha. Ambava omana, ampo mieritra.

Nanampy trotraka ny “fanimbazimbàna”, izay lasa oha-pitenenana, ny fanjanahan-tany izay navozo fatratra ireo Vazimba nahatahiry tanjaka Mpanazary toa ny fanidim-boay sy ny zavontsihita ary ny tsilaitrambasy. 

Hoy ny lôjikam-bazaha: " manichéisme, matérialisme et domination de l'homme sur la nature".

Hafa ny lôjikam-bazimba izay mifototra amin'ny " spiritualité, complémentarité des contraires et harmonie avec la nature".

Hany ka "nohabibiana" hatrany ny Vazimba teo amin'ny jerim-bahoaka.

Saingy mbola tompon'ny tany ny Vazimba hatramizao na tsinontsinoavina sy hamavomavoana aza. Miataka dia mitazam-potsiny sisa izy ireo. Izao no iafaran'ny nosintsika !

Nikoroso efa an-taonjato maro. Mandroso indray mandingana dia mitambotsitra indroa miantoana.

Ny safodrano tamin’ny febroary 2015 dia nampiharihary ny fodian’ny rano tamin'ny fonenany teny andonahonan'Analamanga fahiny. Ankoatra izay, nangozohozo fatratra ny iba andrefan'ny ivon-drohotanim-bazimba !

Tsarovy fa nanomboka teo amin'ny adimizanantany miazo adijadintany no nanambana ny gorodon-driaka. Asa, nitaky adalo ialàna faditra ?

Aleo hazava tsara ny resaka. Tsy mila velively anaovana fomba maramara amam-panao poakaty izay afangaro finoanoampoana filàna tombotsoa manokana ny Vazimba. Ohatra: izay mety ho karazana sorona aim-belona (akoho, omby, sns) sady sandaina vola aman-karena

Tsarovy fa FADY Rà ny tena Vazimba. Ho an'ny adim-bazimba dia izay mahalatsa-drà no resy !

Tsaroako etoana ilay hitsin-dàlan-dririnin’ny tantara nampitaina tany ampianarana. Tsy nahaleo an’Andriamanelo izay nanana lefom-by ny vazimba koa vaky lefa. Aoka re marina !

Nalaina niady ifandatsa-drà izy ireo dia naleony nandefitra. Aok'izay ny fitsirihana ny tantaran-drazantsika amin'ny lôjikam-bazaha re, tompoko ô.

Amafisiko : Fady mandatsa-drà ny Vazimba.

"Non violence pour l'harmonie et simplicité ascétique pour l'élévation spirituelle" no dikan'izany.

Fantaro fa ny maha-Vazimba ny tena Vazimba sy ny taranaka Vazimba dia noho izireo Mpanazary, tompoko.

Ara-pikajiana firazanana, sady TSY andriana, TSY hova, TSY andevo fa Vazimba ny vazimba satria vazimba.

"Hors caste"!
Ahoana no ahafantarana hoe mbola mikajy fototra vazimba ny olona sasany ao Imerina ?

Miazo mianatsimo ny varavarambatom-pasandrazany.

Porofo tohaka an-tenda izany.


A-      Mpanazary sy Anjely 

Vanim-potoana mampibanabàna ny vavavokàka izao iainantsika izao.

“Copulation des deux luminaires sur le 0 degré des poissons », hoy ilay mpahalala, ny faha-19 febroary 2015 tamin’ny 2 ora maraina sy 47 minitra ary 15 sekondra lasa teo.

“Reprogrammation galactique”. Io ilay marika nandrasanan’ny Mpanazary hatrizay.

Taom-bazimba ity 2015 ity ary tsy miverina raha tsy isaky ny 623 taona. Ny volana aogositra teo ny kibony. Ary ny 15 aogositra no tendron-kibony.

Mandritra ny volana ADIZAOZA  alahady 13 septambra - alatsinainy 12 oktobra no misantatra aim-panahy vaovao izao tontolo izao. Mananjara manokana amin’izany i Madagasikara. Asakasak’i ra-Malagasy izay anaovany an’izany.

Koa aleo alàna ny vava fangeja ny lela.

Misy ny mpiantafika ho an’ny Mazava. Raha andohalaharana amin’izany ny Mpanazary ety ambonin’ny tany, tsara fantarina fa misy mpirahalahy-mpirahavavy miara-mianady aminy koa any ankoatran’ ny tontolo andavanandron'ny besinimaro. Anjely no fiantsoana azy ireo amin’ny mahazatra. 

Ho antsika Malagasy dia anisan’izy ireo ny razana mpiahy. Tsy izay maty rehetra akory dia misandratra ho razana. Ny mahavatra manazary mandritra ny fotoam-pandalovany ety an-tany no hany mizaka ny sata hoe Razana.

Ireo izay nangidy hoditra, maramara fitondran-tena fony nirisarisa tety an-tany dia tsy mipàka ho razana velively. Ito karazany faharoa ito dia mpamorika fandevina amoron-dàlana, lolo sy avelo mirenireny foana koa antsoin’ny olona hoe “mpiady vomanga”. 

Soa fa misy ny manavin-janahary izay mpigodongodona manaitra azy ireo amin’ny fahalovam-panahiny isaky ny alarobia maizinkitrom-bolana. Tsotra ny antony, mba inoan-dry zareo ireo hoe misy ny Mazava any ananonanona any izay tokony hisondrotany mba hananany fahafaha-misafidy hiverina ety ambonin’ny tany amin’ny fiainan-kafa indray anarenany tena.

Raha tsy izay dia voarohy andaharan’ny mpiantafiky ny Maizina izy ireo ka mandroba-dràha ety an-tany no hany lahasany hatrany ambadika any. 
                                                                                                                                                                                                    
Fehin’izay tolokevitra izay, mifanandrina tanteraka amin’izao fotoana anoratana izao ny andaniny mpiantafiky ny Mazava sy ny ankilany an’ny Maizina.

Tsy hoe “Reprogrammation galactique” dia manatombo hery ny Mazava. 

Tsy hoe Taom-bazimba dia mamahan-kery vazimba.

Làkalàka io ! Toa ny fifanandrinana rehetra. Hita fanombohana fa tsy hay fiafaràna.

Mibanabàna ny vavavokàka ! Fiandohana izany. Fiandohana mampifandanja ny hery mpifanandrina. Vita pasoka ny daomy tamin’ny 19 febroary lasa teo. Tena eo ampandrafetana diam-panorona vaovao tanteraka isika io. Izao ankehitriny izao. Izao dia izao.

Noho izany, mandromodromotra mafy mihitsy ny Maizina izay tompon’ny laka nialoha io 19 febroary 2015 io. Mbola ho avelantsika ho baboanan’izy ireo indray ve ny laka ? Fotoana mety ho antsika Mpanazary izao irosohantsika amin’ny lalina kokoa. Alao hery, ry havako isany !

Safeli-dromoromo fotsiny izay sedran-doza aman’antambo mananontanona.

Na izany, na tsy izany, azontsika havadika ny tantara. Indrindra ho an’i Madagasikara.

Manana IRAIKA AMBINIFOLO  taona isika nanomboka tamin’ny faha-19 marsa teo hanarenantsika ity firenentsika ity. Hifanitsy ny kajin’ny alimanaka isan’isany amin’io fotoana io. Tsara dia tsara raha omanintsika sy iomanantsika dieny izao ny faha-19 marsa 2026.

Miangavy an-tànandroa ny olo-mazoto. Mandadilady am-bovoka aman-davenona eo antongotrareo tsirairay avy. Mijoroa avokoa re, tompoko, izay efa miaina ho Mpanazary. 

Ho an’ireo izay mbola misalasala, ... Ataovy re, tompoko, izay hahavanon-ko Olona anareo. Zahao ny lahatsoratra " Maha-Olona sy mahaolona " ao amin’i fanambinanamadagasikara.blogspot.com sao afa-manampy ho an’izany.

Mandadilady, tompoko ô. Ario ny teniko raha misy diso. Saingy mialoha an’izay dia mba alaivo ambony, alaivo ambany ihany. Tsy tombontsoa ho ahy velively no ilazako izao. Raha izay tenabeko anie ka mety tsy ho eo intsony rahampitso, rahafakampitso ê..

Sanatria, tompoko, ny mitoky teny fantatra. Saingy fisaka ny rariny ary marolafy ny marina. Koa mba asio maso sy sedrao ihany re izay atondroko mialoha ny iavonana azy ê. Azafady indrindra.

Tsotra ny hafatra. Omeo tànana ny Anjelin’ny Hazavana.

Na ahoana na ahoana finiavan’izy ireo, tsy afaka mamboly fahendrena eo amin’ny toerantsika olombelona ny anjely. Anjarantsika ny ety an-tany, anjaran’izy ireo ny any ambadika any. Raha mahavita mamafy voa tsara isika, anjara lahasan’ny anjely no mampitombo izany avo zato, arivo, analinkisa heny.

D-  Rasavolan'ikaky Ravaho

“ Raha mbola taranaka Malagasy mifototra amin’ny lafivalon’ity nosy ity ihany ianao, na razamiharo inona na inona, dia fantaro sy tsarovy fa miaina ao anatinao ao ary mamelona ny lahatra iainanao andavanandro ny “Génome Vazimba”.

Miandry anao, vato nasondrotry ny tany, ireo havanao Vazimba mitampify any ampara zohy. Sao valaka ihany re izy ireo, marina mafy ê. An-taona maro dia maro izay no nilolohavan’izy ireo ity tany ity. Efao ny anjara adidinao, ianao olo-mirija, olo-misaina, olom-po amam-panahy.
                                                                                                                                                                                               
Mitsangàna amin’ny maha-Mpanazary anao !

Na inona na inona foto-pinoanao sy fiangonanao, tohizo sy hajao. Tanterao anivon’izany ny maha-Mpanazary anao.

Tsy mandrafy anaka, tsy mialon-jafy ny maha-Mpanazary.

Ary aza manaiky rebireben’izay fomba amam-panao izatsy na zaroa raha manelingelina ny fisainanao sy ny feon’ny fieritreretanao izany. Tsy ilan-tsikidy na fanandroana izany. Na izay karazandrazan-javatra miendrika ho finoanoampoana na asan'ny maizina araka ny fiheveranao.

Izany hoe Mpanazary izany dia olona mahato-tsofina ny feon’ny fieritreretany ary manatanteraka izany amin’ny antsakany sy andavany.

Mijoroa ho MPANAZARY."






.

(1) Mpanazary, rakikira Ikaky 2009: 
www.youtube.com/watch?v=10pUTObgIog

Aucun commentaire: