mercredi 13 juillet 2011

Manivana ny Tany, mikororoka ny Voaàry: KITROKA MIALOHA MAZAVA



SALANITRA ê...!

Izao ankehitrio izao. Iaraha-mahita, iaraha-mahalala, iaraha-mahatsapa. Manao kizo fara ny andavanandro. Mampiafiafy ny faran'ny volana. Tsy mahatodi-taona ny tahiry an-tsompitra. Mampivandravandra izay andro fety miserana.

Mampisalebolebo ny kaiki-bavony. Mampivembena ny fikatsahan-kanin-ko arapaka. Zary mandolo ny venjivenjy mandany vodi-kiraro, tànam-poana mivareraka no enti-mody antokantrano. Mipitrapitra ny ankizy, saozanina ny ray aman-dreny, mifanome lamosina hatramin'ny mpivady.

Izay lazoan'adin-tsaina, manao mimi mitety épi-bar sao sendra konsôm avy amin'ny efa mamomamo mazoto hanipy kely. Raha mba rhum zanatany ihany fahiny, toakagasy milaro formol sisa ankehitriny. Migorodana ny toaka, midingina ny chiffres d'affaires aterakin'ny labiera mody atao hoe tsy toaka koa dokafana ankilelalela ampahabemaso erakin'ny vodi-mototra. Amin'izay ho voasarika kokoa ny ankizy raha vao afa-manandrana antsokosoko ?

Ny disadisa vokatrin'ny tabataba sy hôgahôgan'ny mpimamo, sady tsy an'asa no lany atao, mpanala azy isan'andro vaky izao raha vao vory namana, ... Aoka fotsiny ! Ny eo antokonan'ny tena aza moa efa fivalanàn-dranon'ny poretin'izay nosotroiny koa aleo mangina. Ny mamo mantsy sady mafy be no andron'ny danin'ny kibony hono izao, indrindra ho an'ireo mpirehareha ho havam-panjakàna. Ny mandroba sy mangalatra ary manendaka raha vao domelimelina, manginy fotsiny.

Ifandimbiasàn-tànana ny sigara-rongony, tsy anelankelan-trano intsony fa efa eny ampitaingenan-tamboho ka hatrany am-birao sy toeram-pilanonana. Mihanaka izay tsizy ny cocaïne, ny héroïne, ny ekstasy tsy lazaina intsony. Indrindra fa any amin'ny ankamaroan'ireo toerana maha-maimbo alina. Avy aiza aby angà ireo fidorohana importé tsy takatrin'ny zana-bahoaka ireo ? Iza no tena mi-bizina azy ireo ? Lava tànana, akaikikaiky fitondram-panjakana matoa tsy azon-drahoraho.

Tampi-dàlankaleha ny ankabeazan'ireo te-hivelona ampahamendrehana koa mivari-lavo tsy fidiny andalàm-be izay tsara bika, tsara tarehy. Miandahy, miambavy ireo mampisanda vola izay safosafo rehetra azo amidy, mody atao hoe massage ary ny ankoatra izay ? Bonus arakaraka ny devises. Hatreny an-tranonkala ny fiantsiana kivadivady, arantiranty toa entam-barotra ny mahasaro-piaro fikajy, koa mamoa-fady.

Ankilan'izany, mampihofahofa afobe ny mpampandry adrisa matihanina, mpanera lanitra tsy lalovany akory, farisianina mpandevilevy jentilisa, mpikepoka ny fahafolon-karenan'ireo rebik'ondry jambenan'ny fandemen-tsaina, gihazan'ny fanjanaham-panahy. Maniry toa ny anana ny karazam-piangonana iadidiam-pasitera tsy hay hoe nivoaka avy aiza. Ditsoka ny sarambabe koa rohatra miantsampitsampy hatreny amin'ny hazo tsy fantatra. Loza, rey olona ! Antambo, rahavana !!

" Fa misy inona ê ? ", hoy ilay bemarenina. " Tampina am'izay ê ! ", hoy ilay nitelina dobla enina.

Sivana avokoa izany. Kororoka sesilany. Manivana ny Tany. Mikororoka ny Voaàry. Mby ny fotoana ianahàn-kitroka miloaka avy any amparaboafan'ny Tany sy avy any ankitrokelin'ny Voaàry. Koa io mianjady amin'izao tontolo izao io izany. Eh moa ireo horohoron-tany sy safo-drano ary valan'aretina tsy fahita hatramizay ê !? Zahao moa ny vaovao mikasika ny dettes publiques sy ny fitontongan'ny politique monétaire ary ny fihilangilanan'ny politique économique nanandevozana ny zanak'olombelona hatramizay ê !? Indrindra indrindra fa izay mbola ampiharina amin'ireo voasokajy ho firenena mahantra toa antsika ê.

Miha-mangozohozo ny rafitra niorina teo amin'ny filalaovam-bola ahodinkodina ho trosa sady sandon-tsandoka no sadasada mba ampivora-tsinay ny mpampanjana-bola maty eritreritra. Ny sasany amin'ireo moa eto an-toerana, ny ankamaroany kosa any ivelany saingy mitavana ny aty amintsika amin'ny fomba maloto sy kolikoly hatrany ampara-tampon'ny fitondram-panjakana.

Taratr'izany sivana sy kororoka izany io mampikaikaika eto an-tanindrazana ankehitriny io. Manivana ny Tany. Mikororoka ny Voaàry. Koa aleo vakiana bantsilana, rey olona. 

Faran'izay normal izao fifandrohitana lamban'ikala adala ifanalàna baraka sy ifanitsanàm-boninahitra ifaninanan-dr' Ikotofetsy sy Imahakà izao, tompokolahy sy tompokovavy. 

Hihombo io adalàna io atsy ho atsy ary ho vesarin-doza voajanahary, araka ny ahiahin'ny mpahalala sy mpikaroka ary mpaminavina isan-tsokajiny. " Sanatria sanatriavina ! ",  hoy ny Mpanazary malaina hanan-dratsy.

Raha sanatria izay no izy ? Samia maka izay zoro tandrify ny tenany. Alaviro ny mpanimbin-kena efa eo ampandranita-meso sy ny mpizahozaho efa eo ampanefen-defona. Aleo ry zareo ifanindrona sy ifandrasarasa izy samy izy rehefa izay no ariram-piainany.

Ialao, idiviro, idifio, tilio lavitra avy eny ambadikin'ny bonga ! Dia aleo ho eo. Aleo hihatra fa aza salovanina. Tody mihatra satria nahim-pon'izay mpieboebo amin-javapoana, mpikoban-tsy feno maika ho difotry ny tavy, mpambotry kamboty sy mpandrava fanana nisahiranan'ny hafa. Mpandrotika voaàry koa ifoteran'ny rambony.

Raha sanatria sanatria izay tokoa no izy ? FANDIO IZANY !  Fandio, tompokolahy sy tompokovavy. Fandio fambara ny figadon'ny Mazava ho an'ny valala be mandry mpanankim-po amin'Andriamanitra Ray Andriana-àry.

Hiazo làla-marina isika aorian'izay gôdra, fota-mandrevo izay. Koa samia velon-driaria soa aman-tsara isika tsirairay avy, isan-tokonam-baravarana, isam-mpianakavy.

Alaviro ny forohana amindroan'izay manira-tena ho soron'ny Lalàn'ny Aina  sy  Foto-Pisiana. Aleo hanary tena izay milingilingy ho avo noho ny tany saingy tsy mahasafo lanitra akory. Azy ny azy !

Koa misikina, ry manam-panahy isan'isany. Diovy ny fo. Ahirato ny saina. Atanjaho ny vatana. Ndeha iaraha-mitsinjo dieny izao ny tanin-taranaka efa madiva.

Mivonona, ry mandia fianarana. Matokia ny Aina. Velomy anaty ny Fitiavana. 

Tiàva, aza miandry ho tiavina.




Aucun commentaire: