lundi 4 janvier 2016

Kiranyl # 02: BAMINGA – mpianady

1. Hatrany an-tanàna

Kiana mahamaivay : « Ahenao ny fandanindaniam-bolampanjakana. Mitanila loatra ! Faran’izay mihafy ny sarambabembahoaka, andaniny. Migalabona loatra ny mpampiasa volam-panjakana, ankilany. Ohatra akaiky: ohatrinona indray izao no ho ripahana amin’ny lanonampanjakana voalohan’ny taona eny Iavoloha ?” Izany no manemitra ny zotran-tserasera an-tranonkala.

Efa hatry ny taon-dasa 2015 ny mpanoratra, amin’ny maha-mpiandraikitra pôlitika azy, no nandà fanasàna fifampiarahabàna ofisialy teny amin’ny lapam-panjakana. Nanelingelina ny eritreriny ny firavoravoana sy fisehosehoana tany nefa ny fiainana ankapobeny efa niha-nitontongana. Sanatria nianjaika tambony tsikoko. Nipiaka helika nanoloana fahoriam-pirenena.

Tsikera izany nalevilevy azy izany: "Maivandoha, matikambo, jiolahimboto tsy mahalala fomba !"

2015. Nitety afovoan-tanàna nilanja faneva fotsy nanomboka fanairana ho an’ny Revolisiona Vazimba. Mitaky fihavaozan’ny maha-olona Malagasy ny toe-draharàha ankehitriny. Ara-kolontsaina ny revolisiona ilaina.

Tao ny tsy nandraharàha velively: “Ssssshhh…!”. Tao ny naneso : “ Itony koa mpanakanto lefy laza, mpanao pôlitika lany harena !” Tao ny nanasoketa tsy ankihambahàmba: “Rehefa mamon’ny môly tsy mipetraka tsara fa manalabaràka tena ety an-dàlambe !” Tao ny nanompa reny sy anabavy ankitsirano. Saika nikasi-tànana mihitsy saingy niahotra.

2015. Namelabelatra an-tserasera hoe vizanin’ny pôlitika maloton’ny fitondrana frantsay sy ny tandrefana anie isika io. Anirahany karazan-tsilamo sandoka, saribakoly bosibosehany hahery vaika hamoritra antsika amin'ny horohoro. Ikononkononany ady saritaka. 

E ireny fihantsiana nikasika ny nosikelimbazimba Malagasy. Loloiny hoe azy ny basy, azy ny tafondro, azy ny tanjaka ara-tafika. Inona akory, hono, izay isika !?! Andefasany lejionera eo raha vao mitroatroatra. Ary feheziny hatrany antampony ny famiraviràna fanapahan-kevimpanjakana. Haninona eo rehefa baikoany tanteraka ara-bola ?!

Ompa sy fanalikàna no setriny: “Leitia koa mba miseho mahalàla. Rehefa tsy mahay mibizina ialahy dia tampeno ny vava. Mpanamôly, mpilalao ody, mpaminany sandoka mpanakorontana saim-bahoaka fotsiny !”.


Inona no tsy nianjady noho izany ? Hatramin’ny fampihazàna an-kamono voatery natrehina irery. Nandratra mafy. Soa fa tsy nahafaty !


2. Hatraty ampivahiniana

Naleo nidify. Hazo tokana tsy mba ala. Be noho vitsy. Hafa ny tian-ko natrehina. Lako tampoka an-damosina avy amin’ireo nantenain-ko iray laharana amin’ny tena no nandrivorivo.

Nisy safidy. Hiantsinanana any Azia ? Mahatamàna any saingy mampidanàka. Lavitra loatra ny elanelana amin’ny zavamisy an-tanindrazana. Hiankandrefana any Eorôpa ? Hialokaloka any amin’ny mampitsiriritra nefa hampihafihafy amin’ny fanapepoana.

Naleo Afrika. Aty afovoan’i Afrika. Efa nihatra taty ny ahiana hitranga any Madagasikara. Misy ho vahabahana, ho fopotorana. Hakàna lesona sao mba afaha-misoroka.

Vao nigadona ny 2016, nirefodrefotra ny basy. Soa fa tsy nampikoropaka firy. Sady tsy nahataitra akory ny olona taty. Efa be no hitany. Miezaka mamerina fiainana amin’ny laoniny ny olona. Mahasahy misedra tahotra sy horohoro. Mampipao-tsatroka mihitsy !

Manomboka mivoaka tsikelikely ny valimpifidianana filohampirenena sy solombavambahoaka, fiodinana voalohany. 30 ny kandidà filoha. Malaza ny hosokosoka. Nisy ny toerana izay nianjadian’ny horohoro amam-basy. Na izany aza, nirohotra nifidy ihany ny olona. Misy ny kandidà tsy lany, efa mahay mihonona. Misy ny kandidà mandrahona hanakorontana raha tsy izy no ho lany. Asa hanao ahoana ato ho ato ? Ny tena vahiny vao tonga no velompanontaniana, zary mandry andriran’antsy. Ny mponina aty toa tsy taitaitra akory. Efa be no hitany. Mampipao-tsatroka mihitsy !

Sady ara-poko no ara-pirehampinoana no naharafitra ady taty. Nifandona nahalatsak’aina aman’aliny ny silamo sy tsy silamo. Mihantsy izay te-hihantsy, ny sarambaben’olona toa tsy rototra intsony. Mahavariana !

Tsy ahitàna velively vazaha mandeha tongotra andalàmbe. Miriorio anaty fiara tsy mataho-dàlana mamirapiratra, migadra varavarana avokoa. Voasokajy ho vazaha moa ny mpanoratra aty. Hafahafa be hay ilay hoe vazaha !!!

Mba nandeha tongotra an-dàlambe irery. Marina tsy saika lanin’ny mason’ny olona. Tsy fahita velively izany aty. Na izany aza, handeha hitety kartié malaza tsy fandehanam-bazaha an-tongotra, raha vao zajàtra eo.

Ny valala tsy mandady harona aty tena mbola farahidiny nohon’ny any amintsika. Ny vazaha sy rajakom-bazaha kosa tena migalabona sy manàva-tena izaitsizy. Saingy na hàna andalambe aza ny olona, tsy mpisavisavika toa ny any amintsika. Mifandràra tsy hangatangataka izany ry zareo ! Tombanany ambony ambany ny tena izay vazaha ho azy. Dia izay. Arantirantiny ny hambony.

Feno miaramila mpisatro-manga ny tanàna. Fiara mifono vy mitandahatra etsy sy eroa. Isaky ny kihon-dàlana, mandondona ny basy marovava. Helikôpitera mihaodihaody an-tampondoha andro aman’alina. Toa ny fahita amin’ny sinéma. Saingy izao !

Halan’ny olona aty ireo mpampandry tany ireo. Sady misetrasetra no tsy manasaraka akory fa mitazam-potsiny rehefa misy rahoraho amin'ny samy tompontany. Tsy mihetsika ireo raha tsy ny vazaha sy rajakom-bazaha no voatohintohina. Mahagàga ! Asa ho an’iza angà no iasan’izireo ? Malaza manodinkodina harem-bahoaka fotsiny rehefa tsy manolana zaza amam-behivavy.

Asakasak’izay maniry hitongavan’ny mpisatromanga any amintsika fa hoy ny mpanoratra hatraty hoe: “Aza miantso loza !” Ny ataon’ny vahiny mantsin-doha any amintsika aza efa mampihivingivina ankehitriny mainka fa honenan’ireo mpisatromanga ireo ? "Aok’etsia, marina mafy !"

Tafika baikoan’ny mpanàpaka ara-pôlitika frantsay mpampiady an-trano ireo. Ary mody atao ambany fiahian’ny fikambanambe afrikàna. Saingy ito fikambanambe ito dia tena sady rajako no bolokim-bazaha.

572 tapitrisa dolara no lanian'ny fikambanambe afrikàna andraharahàna isan-taona. Ny 28 % -n’izay no hany latsakembokin’ny firenena afrikàna. Ny 72 % dia ny FMI, Etazonia, Eoropa, Chine no manentsina azy. Koa iza no mpanome baiko ? Izay mpanome vola. Tombontsoan’iza no lohalaharana ? Ny an’ny mpanome vola.

Saingy hatraiza ny tena loharanon-drenimbola ? Ny harena afrikàna izay gejainy amin’ny tanàna ankavanana. Dia anipàzany potipotiny amin’ny tànana ankavia.

Marihana fa raha mbola harena voajanaàry na antanety, na ankibon’ny tany, mbola manana lavitra noho i Madagasikara i Centrafrique. Hany ka miandràndra fahendren’izay ho filohampirenena ry zareo vahoaka aty.


3. Rasavolana

Manovo lesona mafy aty ilay mpanoratra mikapa kiranyl.

Hafa ny vahoaka voataizam-piarahamonindrazana ho mpianady. Masiatsiaka, bontolontolo angamba, sns. Saingy mahasahy manohitra geja tsy ara-drariny.

Tsorin’ny mpanoratra fa mampiaina azy kokoa ny mifanila amin’ny karazan’olona manan-kambo sahy miady antanampolo rehefa ilaina. Toa izay ny mifanjinja amin’ny be takoritsika no malemy tsy hita ho raisina nefa mpandefona andamosina.

BAMINGA. Mpianady amin’ny fitenindrazana Sango. Mpivonona hiady mba ampandriana fahalemana. Jery fisainan’ny mpianady io. N’inoninona riba maneran-tany.

Fampiofanàn-tena antsitrapo amin'ny famahana olana ady saritaka no foto-dia. Mbola be ny lesona ho tovozina. 

Ny ampitso, ankibon’ny omby koa samia tena Andriamanitra.

KIRANYL – Bangui, 04 janoary 2016


Aucun commentaire: