mardi 5 janvier 2016

Kiranyl # 03 : GBYA TI KODRO - Filohampirenena

1. FIHAVANANA

Fanao manerana an’izao tontolo izao any amin’ny firenena iharan’ny ady an-trano, na isorohana mialoha ny korontana tsy hihitatra, ny fampihavanam-pirenena.

Mitaky ny antsoina hoe “ Justice Transitionnelle” izany. Mamelona rariny. Mandràndrana hitsiny. Mampody laoniny. Mandrary fihavanana amin’ny antokon’olona mifandrafy.

Mahasoa sy mahatsara raha voasoroka mialoha, araka izay tratra, ny fifanolanana anivom-piarahamonina. Tena ilain’i Madagasikara izany ankehitriny.

Ho an’ny mpikaroka dia “laboratoire de recherche” – “terrain d’investigations”, seha-pikarohana sy fanadihadiana ary fandinihana tena goavambe aty Centrafrique. Angalàna lesona.

Ny tohivakan’ny Tantara no itsirihana izay fifandrohizan’ny zava-nitranga. Misy ny talaky maso, miharihary. Saingy inona no lafika sy ambadika izany ? Soatoavina, fivelomana, sns.

Nisy Rangory ve tany ho any ? Inona no famiraviràna nataon’ilay io ? Ahoana no nahatanterahany ny tetidratsiny ?

Fampitahàna ny Tantara ofisialy sy ny tsipotipotin-tantara etsy sy eroa no itsirihana izany rehetra izany. Antoka ho an’ny fahombiazan’ny “justice transitionnelle” izany satria vy tsy mikitrana irery. Raharaha ho an’ny philosophe, sociologue, psychologue, anthropologue, historien, juriste, économiste, … Lahasa tandrify ny manampahaizana aman-traikefa eo amin’ny antsoina hoe sciences humaines, sociales, juridiques, économiques, politiques, sns.

Rehefa tontosa ny fandravonana vokam-pikarohana dia miroso amin’ny fanarenana. Manomboka miditra an-tsehatra ny ingénierie isan-karazany. Lohalaharana amin’izany ny ingénierie culturelle satria rafi-pisainana aman-jery no anefena soatoavina enti-miaina sy mivelona andavanandro. Na am-pifaliana. Na am-pahoriana.


Toa izay raha hazavaina no fotodian’ny Kiranyl aty RCA. Philosophe - anthropologue izy sady mpisahana ingénierie culturelle. Tsy vola amam-panànana no katsahany aty fa harena Maha-Olona.

République Centrafricaine. Anivon'i Tchad - Soudan Avaratra - Soudan Atsimo - Congo - RDC - Cameroun

2. ADY FAHEFANA

Ito no vaovao malaza aty ankehitriny. Fizotran’ny ny valim-pifidianana filohampirenena.

Archange Faustin Touadéra no mitarika araka ny tombana ofisialy vonjimaika. Praiministra nandritra ny fitondrana François Bozizé (2003-2013).

Anicet-Georges Dologuélé no faharoa, hatreto. Praiminisitra tamin’ny fitondrana Ange-Félix Patassé (1993-2003).

Velona ahiahy ny olona. Dia mbola i Lafrantsa indray ve no nikirakira ny valim-pifidianana ? Sa mba afaka hisento hiataka ny vahohony amin’izay ny RCA ?

Sarotra amaivanina izany tebiteby izany. Zahao anie ny fifandimbiasam-pahefana taty RCA nanomboka tamin’ny 1960. Fiafaràna ofisialin’ny fanjanahantany frantsay.

1ère REPUBLIQUE

David Dacko……………14 août 1960 – 01 janv 1966…… Indépendance
Jean Bedel B
okassa…… 01 janv 1966 – 04 déc 1976…….. Coup d’Etat

EMPIRE
Bokassa 1er…………….. 04 déc 1976 – 20 sept 1979…….. Empire

2ème REPUBLIQUE

David Dacko…………… 20 sept 1979 – 01 sept 1981…….  Coup d’Etat
André Kolingba………... 01 sept 1981 – 1986……………..  Coup d’Etat

3ème REPUBLIQUE

André Kolingba………… 1986 – 22 oct 1993……………. .. Election
Ange Félix Patassé……… 22 oct 1993 – 1995…………..…. Election

4ème REPUBLIQUE

Ange Félix Patassé…….. 1995 – 15 mars 2003
François Bozizé………… 15 mars 2003 – 11 juin 2005……. Coup d’Etat

5ème REPUBLIQUE

François Bozizé………… 11 juin 2005 – 24 mars 2013……... Election
Michel Djotodia………… 24 mars 2013 – 13 avril 2013…. … Coup d’Etat
Michel Djotodia………… 13 avril 2013 – 10 janv 2014…….   Transition
Alexandre N’Guendet….. 10 janv 2014 – 23 janv 2014……… Transition par intérim
Catherine Samba Panza…. 24 janv 2014 – (mars 2016 ?)…….  Transition


Nifandimbidimbiasana ny fanonganàm-panjakana. Hany ka miandrandra mafy Filohampirenena voafidimbahoaka ny mponina aty.

Renirano Oubangui no manasaraka an'i RCA sy Congo. Fiampitampitàn'ny olona amin'ny lakana. Rakotra ala kosa ny fifanilana amin'i RDC. Ao no misy ny ala matevina avokavok'izao tontolo izao hatraty Afrika, mifanahatsahana amin'ny any amerika latina. Hatrany Cameroun ny mpamongady entam-barotra ilaina andavanandro. Hany làlana, antsoina hoe Corridor, fampiasan'ny olona hiantsenana. Sarotsaro-dàlana mankany Tchad sady anjakazakàn'ny silamo mahery vaika ny faritr'i Centrafrique any. Toa izany koa manila an'i Soudan Avaratra sy Atsimo. Saika hatramin'ireo firenena ireo no itrangan'ny olana ara-piarahamonina nohon'ny djihadista aty RCA.

3. ADY TANTARA

Nanomboka 2013 no nankaty. Ady an-trano FAHATELO. Fifamonoana faobe, anjambany. Fandringanana zaza amam-behivavy hatramin’ny antitra.

Andaniny, Seleka izay silamo nanampy ny Filoha Djotodia. Tchadiana sy Soudanais no ankamaroany sady nampian’ny djihadista Boko Haram ary salafista.

Ankilany, ny Anti-Balaka misy ny tompontany kristianina sy mpandàla fomban-drazana izay notohanan’ny ampahany tamin’ny tafika nasionaly, niandany tamin’ny Filoha Bozizé.

Izay tsy notohanan’ny filoha Tchadianina Idriss Derby, nampialokalofan’ny filoha congolais Denis Sassou-Ngesso. Ireo no mpamporisika manao vazaha mody miady. Saingy ny mpitondra frantsay no mifehy baiko azy rehetra ireo. Arakaraka izay tombony ilainy mba hampateza ny fifandrafiana aty an-toerana. “Bizn’ ê ! Bizn’ foana !! Bizn’ foana !!!” Misy dikany inona akory izay mainty hoditra kely mitsitra etsy, bory loha eroa !?! “Bizn’ io. Bizn' dia bizn'. "

Ireo andiany ireo no nifandràmatra sy nifamaly faty tsy ankiato. Malaza aty ny hoe “Diamants sales”, diamondra mihoson-drà, namahanana ara-bola sy basy aman-tafondro ny mpifanafika. Ny tandrefana sy ny arabo mpikirakira harena ankibon’ny tany no mpilalao tombontsoa ambadika.

Voarohirohy amin’izany ny mpampandry tany aty. Na ny mpisatromanga. Na ny tafika frantsay. Ny vahoaka ampiadiana. Zara raha mody elanelanina. Ny harem-pirenena kaofina hatrany amin’ny fiaramanidina mpinday entambe sy helikôptera miranirany fiadiana. Tsy maty manota, manao izay danin’ny kibony. Firenena iniana ravàna fanjakana ny aty Centrafrique.

Mody totototofana fanampiana amin’ny projets deraina ho humanitaires. ONG izany aty izany, ONG !!! 4x4 vaovao tsy tambo isaina. Iza moa no tsy mahalala fa viviny dia viviny, raha be indrindra 30 % no tonga any amin’ny bénéficiaires. Ny ventin-kitapombola dia karama, tombontsoa ary charges diverses sy frais de fonctionnement ho an’ny fonctionnaires internationaux sy experts ary consultants isan-karazany. 

Ankoatran’ny miaramila vahiny faran'izay tena be karama be, ibontsonan’ny expatriés ny tanàna. Tena rentable ho an’ny firenena matanjaka sy ny forongony amam-piasakeliny isan-tsokajy ny ady an-trano toa ny aty.

Efa firy taona izao, lazaina fa ho ampiharina ny désarmement civil. Inona akory no eo !?! Mbola maro dia maro no faritra anjakàn’ny mpampihorohoro. Mpitazampotsiny ny mpisatromanga sy lejionera frantsay.

Ny mampilamindamin-dratsy ny eto Bangui ankehitriny dia ny fahakingàn’ny Minisitra Fiarovam-Pirenena.

Mahazendana ! Raràn’ny Firenena Mikambana, mandrak’ankehitriny, ny famelomana ny tafika nasionaly. Tsy mahazo omena fitaovam-piadiana nefa ny mpisatromangany sy ny lejionera frantsay tena tsy manao n’inoninona fa miparady ramatahora eran’ny tanàna fotsiny.

Nanao di-doha ilay Minisitra. Novelominy araka izay vitany ny FACA – tafika nasionaly. Ireo no hajaina sy atahoran’ny jiolahimboto any amin’ny kartié mpiromborombo rehetra. Ireo no miaro ny convoi mpaka entam-barotra hatrany Cameroun. Masin-teny sy haja amam-boninahitra ny miaramila tompontany. Tena miaramilam-bahoaka.

Nefa zara raha manana basy. Raha manana basy, tsy manana bala. Mandeha tongotra sy môtô kely marary hovana satria tena ory fampitaovana. Saingy tiana no hajaina ary toavin’ny mponina. Tena Héros ny FACA ho an’ny sarambabembahoaka. Satria zanabahoaka. Miara-mihosina amin’ny rehetra. Mahantra kely toa ny rehetra. Izy ireo no nahasambotra ny mpanakorontana nampirefodrefotra basy marovava tamin’ny voalohan’ny taona. Fa raha ny mpisatromanga sy lejionera no nandrasana dia asa indray izay niafarana taty, hoy ny olona.

Nohon’ ny FACA sahy manao vy very ny ainy dia izao vao mba velombelona tsikelikely ny tsena aty Bangui. Manomboka misy voankazo, legioma sy hena. Eny na dia avo vidy indimy mihoatra ny any amintsika aza ny entana rehetra. Indrindra fa ny importé, na dia PPN aza.

Tena midangana izaitsizy ny vidim-piainana !

Hiasa mafy ny fitondrampanjakana ho lany eo amerenana ny laoniny aty.

Centrafrique - Ködörösêse Tî Bêafrîka - . Velarana: 623 000 km2. Mponina: 4 500 000.
Tena mbola mitsipozipozy avokoa ny rantsa mangaikan'ny fitondram-panjakana isam-paritra.
Ny tambazotram-pitaterana an-tanety faran'izay tsizarizary. Ny fivezivezena an'abakabaka, rehefa tsy an'ny miaramila vahiny dia an'ny Firenena Mikambana.

4. TETSY SY TEROA

Mailomailo raha vao handray taxi. Vazaha ny tena ? Ahiana dia ahiana ny kidnapping. Any dia tsy hita !

Nisy vazaha vavy niseho ho zatra fiainana aty, nilingilingy namily fiara irery. Nosakanan-jiolahy antampon-tanàna tamin’ny andro antoandro. Notereny hidina. Notifirina ny feny. Nanjavona ilay 4x4. Nozohiana. Efa any Tchad. Izay no nataony.

Misy tompontany aty, nividy fiara occasion tsara tarehy ery. Mialoha ny nampiasàny azy, nalefany tany amin’ny garazy nolokoina tonta be sady noravaravàna endrika ivelany. Raha tsy izay, tonga dia misy midongy. Any Tchad no iafarany. Mampamangy.

Raha misy fifamaliana mpiray vody rindrina, grenady avy hatrany no harefotra. Izay miàmpatra miàmpatra. Atao ahoana ? Azo vidiana eny an-tsena ny grenady. Mitovy vidy amin’ny akondro iray kilao. 1 500 ariary.

Mirary koa raha mirary ny Kiranyl mba ahazoan’i RCA mpitondra mendrika sady hentitra.

Mbola be no ho tomorina aty. Ny ampitso ankibon’ny omby. Samia tena Andriamanitra.

KIRANYL – Bangui, 05 janoary 2016.

Armoiries République Centrafricaine


Fanamarihana:

Mbola tsy manan-tsary hampihaingoana lahatsoratra isika satria saropady ny makamàka sary ankalamanjàna. Mahasorena ny mponina ny fampitambaovao ataon’ny mpiserasera tandrefana. Maramara loatra. Aleo mitandritandrina sao sanatria afangaron’ny olona amin’ny amboalambo.

Ito ny rohy afaha-mamantatra an-tsipirihany kokoa ny zava nitranga tatoato taty RCA. Troisième guerre civile centrafricaine:



Aucun commentaire: