vendredi 1 janvier 2016

2 0 1 6 « NZONI MATANGA TI FINI NGOU ! »

«  NZONI MATANGA TI FINI NGOU ! »

Tonga soa ny taombaovao. Ifalio, arahabao !

Toa izany ny fiteny Sango hatraty Bangui – RCA.


« Arahabaina avokoa ny isan-tokonana. Samy lava velomana. Alavirim-parofy. Ahavanon-dahasa. Ambinim-bola aman-karena. Iririavàn-tantely antokantrano. Itobahan-dronono isan-dovia. Fiadanan’Andriamanitra, tompokolahy sy tompokovavy, ho antsika mianakavy !”



01 janoary 2016. 
00 ora sy 01 minitra.

Nirefodrefotra ny basy. Tàtatàta marovava. Dobodoboka grenady. Lera iray tsy ankiato. Ankifamalivaly tifitifitra. Nanakoako alavitra. Nisy akaiky dia akaiky. Kotabataba.Horakoraka. Hazolava ?

Pihana ny jiro. Gadraina ny hidin-trano.
Torimaso no nasiana olona.
Sady vonona ihany koa.
Hikatroka, hiaro tena.
Raha toa…


Aucun commentaire: