mardi 29 décembre 2015

Kiranyl # 01 : DOYE SIRIRI… Amour et Paix.

Isan’ireo valalanina tamin’ny zava-nitranga nandritra ny taona 2015 nanerana an’izao tontolo izao, hatrao an-tanindrazany, ny mpanoratra. Nahaketraka ny ankabeazan’ny vaovao nipotsaka tsetsy sy teroa. Ohatry ny nifandràmatra izany ny olombelona. Tsy rony tsy ventiny dia nifanaritaka. Nifampihantsy. Nifandrafy. Nifandatsa-drà. Nifamaly faty. Zary notsinontsinoavina ny Aina nampindramin'ny Tompony: Andriamanitra Ray.

Efa nanomboka tokoa ilay soridia malazan’i Gog sy Magog. Mifaninana ny Tsara sy ny Ratsy. Ho an’ny mpanara-baovao naneran-tany, saika nahalikiliky avokoa ny vaovao tetsy sy teroa. Raha tahiany mba nisy singan-torohay nahavelom-bolo, nigorodanan’ny fatipatim-baovao nampihivingivina avy hatrany. Na nampivarahontsana mihitsy.

Nampifantoka ny mpanoratra tamin’ny zava-nitranga tao ankibon’i Afrika izany. République Centrafricaine - RCA no azo ampitahaina amin’ny foitran’ny bolabolantany noho izy tandrify tanteraka ny Equateur. Manana dikany goavana izany ho an’ny mpandinika zava-miotrika.

Toa ny hoe tao amin’io tany io no nifàtratra ny haromontana sy habibiana. Nifandrafy, nifampihaza ho faty ny tsitokotokon-tsarambabembahoaka. Tao no nahitana tamin’ny tranonkala olombelona nandràsaràsa sy nitetika velona olombelona. Ary nandrapaka izany toa hena manta tsotra izao teo anoloan’ny televiziona vahiny. Loza tena loza. Antambo raha samy antambo.

Mifamahofaho ny antony nahatonga izany toe-draharàha mahatsiravina izany. Mbola ho voaboasantsika eto tsikelikely araka izay voatsirambin’ny saina. Ezahan’ny mpanoratra ho tomorina araka izay vitany izay azo fotopotorana rehetra.

Aty Centrafrique ankehitriny ny kapa kiranyl fitetezan-tanin’ny mpanoratra. Handinika. Hanadihady. Hisàvasàva ifotony.

Naninona taty no tonga tamin’izany fara-fahoriana izany ?
Inona no ataon-dry zareo aty ivoahana izany kizo lalina tsy manampaharoa izany ?

Azo tarafina amin’ny any Madagasikara amin’izao fotoana izao ny fitsombadihan’ny toe-draharàha taty tamin’ny fotoan’androny:

1. Famiraviràn’ny firenena matanjaka.
2. Hatendan-kanin’ny pôlitisianina rajakom-bazaha.
3. Hamaivanàn-dohan’ny mpahita fianarana izay nihofo ho bolokim-bazaha.
4. Fanaporetana ny sarambabem-bahoaka mba ho dondrona. Raha vao mahita rirandrirany amin’ny fianarana an-tsekoly dia domboina ho donto.

Mirary koa raha mirary ny mpanoratra hanampy isorohana ny antambo fahita aty mba tsy hihalohalo mandrakizay any an-tanindrazany. Hianatra no alehany aty. Hianatra zava-misy ifotony.

Ny hany ampitaina ho an’ny anio dia ny fihatsaran’ny toe-draharàha taty nanomboka ny 30 novambra lasa teo. Ho an’ny mponina aty dia efa nihamaivamaivana ny andavanandro anjakàn'ny horohoro. Ho an’ny vahiny vao tonga kosa dia hoe: “ Andraiiiy ! Fa ahoana koa ity ? F’inona izao !?! ”

Hay tena mbola mampiadankadàm-poana ny andavanandro any Madagasikara. Tsy mahagàga raha mbola mandany lera mampiady kalizy sy midananàm-poana. Lasan-ko vavany avokoa. Na mpitondra, na mpanohitra, na olompirenena tsotra. Na nandia fianarana, na tsia. Indrindra moa fa ny mihambo ho sady manam-pahaizana no manan-katao sy atokona. Samy miseho ho mahay. Tsy misy tomponandraikitr’inoninona. Mpiandry kitapo latsaka, mpanefoefo tampoka tamin'izay tsy nosasarany, no lasa ohatra ho an'ny ankizy.

Raha ho faty aho, matesa rahavana. Raha ho faty rahavana, matesa ra-omby ihinanana hena matavy. Enga anie tsy hamaky takotra raha sanatria itontonàn-koropaka. Enga anie…

Enga anie Madagasikara tsy hiaina izay manjo ny olona aty. Mandrakizay doria.


Ny fandalovan’ny Pape François taty no nampitselaka sombim-pahazavana figihazin’ny haizin-kitroka. Tatitra nindramina nikasika ny 29 novambra taty Bangui, renivohitr’i RCA : 

Fanevam-pirenena République Centrafricaine - RCA

 « Aujourd’hui, Bangui devient la capitale spirituelle du monde. L’Année Sainte de la Miséricorde commence en avance sur cette terre. Une terre qui souffre depuis plusieurs années de la guerre et de la haine, de l’incompréhension, du manque de paix, a dit le Pape François à Bangui. Mais sur cette terre de souffrance se trouvent aussi tous les pays qui portent en ce moment la croix de la guerre ».
Ce sont les paroles que le Pape François a prononcées dimanche, à la cathédrale Notre-Dame de l’Immaculée Conception de Bangui, avant d’ouvrir la Porte Sainte et le Jubilé de la Miséricorde. Bangui devient ainsi, a ajouté le Pape, la capitale spirituelle de la prière pour la miséricorde du Père. « Nous voulons tous la paix, la miséricorde, la réconciliation, le pardon, l’amour. Pour Bangui, pour toute la République centrafricaine, pour le monde entier, pour les pays qui souffrent de la guerre, demandons la paix! », s’est exclamé le Saint-Père, invitant à répéter à voix haute: « Tous ensemble demandons l’amour et la paix ».

Le Pape a aussi élevé la voix en langue sango de la République centrafricaine, pour demander « Doyé Siriri » (amour et paix). C’est par cette prière qu’a commencé l’Année sainte, après le rite d’ouverture de la Porte de la Miséricorde. « Ouvrez les portes de justice; c’est la porte du Seigneur; je rentre dans ta maison Seigneur », a dit le Pape, avant d’entrer seul et en premier dans la cathédrale où l’attendaient les prêtres, les religieux, les religieuses et les séminaristes du pays pour participer à la messe et entendre son homélie dans laquelle il a rappelé que tous, sans exception, attendaient « la grâce, la charité de la paix » et a lancé un nouvel appel à ceux qui prennent injustement les armes de ce monde: « Déposez ces instruments de mort; armez-vous plutôt de justice, d’amour et de miséricorde, garanties d’une paix authentique ».


Pape François mamoha ny Porte Sainte Cathédrale Bangui - RCA

Bangui est devenue ce dimanche 29 novembre 2015 la capitale spirituelle du monde, la capitale de la prière. Le Pape François a officiellement inauguré le Jubilé de la Miséricorde, en Centrafrique, un pays exténué et oublié. Il a posé un geste historique en ouvrant la porte sainte de la cathédrale de Bangui, située au cœur d’une capitale dévastée, aux périphéries du monde, où les infrastructures sont vétustes ou inexistantes, où la misère est extrême. Un geste historique, porteur d’espérance

Loin du faste somptueux de la basilique Saint-Pierre, la Porte Sainte de Bangui se compose d’une grille en bois, en forme de porche, qui donne directement sur la nef, laissant passer la lumière et la fraicheur. Devant cette porte ouverte sur le monde, le Saint-Père s’est arrêté, ému, recueilli. « Ouvrez les portes de la Justice », a-t-il récité sur un ton solennel, le visage grave. « Nous demandons la paix, la miséricorde, la réconciliation pour la Centrafrique et pour tous les pays en guerre. Nous demandons la paix », a-t-il scandé en sango, la langue du pays, suscitant un tonnerre d’applaudissements.

« Nous devons pardonner », a martelé le Pape dans son homélie insistant sur l’amour des ennemis qui prémunit contre la tentation de la vengeance et contre la spirale des représailles sans fin. « Les agents d’évangélisation doivent être avant tout des artisans du pardon, des spécialistes de la réconciliation, des experts de la miséricorde ». Et le Pape a lancé un appel à« tous ceux qui utilisent injustement les armes de ce monde afin qu’ils déposent ces instruments de mort. Armez-vous plutôt de la justice, de l’amour et de la miséricorde, vrais gages de paix ». Le Pape François en est certain :« Dieu aura le dernier mot ».


Cathédrale Notre Dame de l'Immaculée Conception - Bangui
Crédit photo: centrafrique.com

Fanamarihana:

Nanakana io anton-dia masina io, araka izay azon-dry zareo natao, ny mpitondra fanjakana frantsay. Eny, hatramin’ny fitateran’ny miaramilany hatraty afovoan-tanàna tamin'ny fiara mifono vy ireo andian-jiolahy mpampihorohoro hatramizay. Tsy tahotra, tsy henatra intsony. Olon-tsotra an-dàlambe no vavolombelona izany.

Saingy ahoana, hoy ianareo ? 

Nivory ny sarambabem-bahoaka. Ny kristianina sy ny silamo ary ny mpandàla fomban-drazana. Nanome toky fa hiaro manokana ny Pape François. Isak’izay làlana nodiavin’io Olobe ara-panahy io dia nanao tohivakana nifandimbiasana ny vahoaka. Nihazakazaka nanila ny fiara nitondra azy. Zaza amam-behivavy, zokiolona, tanora. Hatramin’ny andiana moto-taxi

Bouclier mobile humain no filaza izany.

Nandamohaka tanteraka ny fikasandratsin-drangory menasofina mpampiady an-trano, mpamporisika sahotaka. Hentitra ny Iraka Masina: " Dieu aura le dernier mot."

DOYE SIRIRI… Amour et paix.

KIRANYL - Bangui, 29 desambra 2015.

Aucun commentaire: