jeudi 10 décembre 2015

FANAMBARANA PÔLITIKA.

Filoham-boninahitra mpanorina ny antoko pôlitika FAnambinana MAdagasikara – FAMà izay nanolotra azy tamin’ny fifidianana filohampirenena 2013 no mandray fitenenana etoana.

Tompokolahy sy tompokovavy,

Masi-mandidy ny birao nasionaly FAnambinana MAdagasikara - FAMà. Izy no manapaka tanteraka mikasika ny jery sy lahasa ho an’ny fiainam-pirenena. Mpanolokevitra fotsiny ihany ny mpanorina rehefa ilainy. Noho izany, izay ambara etoana dia am-batany fotsiny ihany.

A. NOSIKELIM-BAZIMBA MALAGASY

Nosikelim-bazimba Malagasy antsoin’ny frantsay hoe Iles Eparses no anton-dresaka etoana. Koa voninahitra ho ahy ny manambara izao manaraka izao.

1. Malagasy iringiriny ireo nosikelim-bazimba ireo. Tsy misy dinika intsony mikasika izany. Fanatanterahana izay fanamafisana takian’ny lalàna iraisam-pirenena sisa tanterahana antsakany sy andavany. Mazava ny toro-làlana nomen’ny Profesora Raymond Ranjeva mikasika an’izay.

2. Mendrika atao valan-javaboaàry ho an'izao tontolo izao ho eo ambany fiahian’ny sampana mpiantoka izany ao amin’ny fikambanambe iraisam-pirenena ireo Nosikelim-bazimba Malagasy ireo.

3. Tsy tokony kororohan’iza na iza itrandrahana harena ankibon-dranomasina. Na solika, na gaz naturels, … Na inona, na inona ka mety ikororohana izay ao ankibon-dranomasina ao.

Mahampy antsika eto Madagasikara ihosanosànana mandritra ny anjato taona ny harenantsika ankibon’ny tany. Sahaza !
Aoka hipirina sy hivalona ho an’ny taranaka fara-mandimby izay tahiry voajanaàry kobonin’ny Nosikelim-bazimba Malagasy.

B. FOTO-KEVITRA

1. Manohana ankitsim-po izay hetsika rehetra ataon’ny mpiaro zon-tanindrazana Malagasy ny tenako.

2. Rariny sy hitsiny ny hetsika omanin’ny mpikàrakàra ho an’ny sabotsy 12 desambra 2015 ao Antananarivo.
Ilaina ampahafantarina mazava ny fanjakana frantsay ny hadisoany manao bodongerona sady mitrandraka sahady ireo Nosikelim-bazimba Malagasy ireo.

D. FIALAN-TSINY

Nohon’ny antony ara-pivelomana manokana dia manan-dahàsa mibahana tontolo andro ny fotoanako aho io sabotsy 12 desambra 2015 io.
Mifanitsaka ny fotoana. Ny mpaniraka ahy amin’ny raharahako andavanandro “ ingénierie culturelle ” no namaritra hatry ny ela io andro io anaovanay fivorian-dehibe fanapahan-kevitra.

Noho izany, tsy afaka hiara-hifanontrona ankalamanjàna amin’ny mpiaro zon-tanindrazana ny tenako io andro io.
Manamafy etoana ny fiaraha-mirona amin’ny mpitia tanindrazana Malagasy rehetra isak’izay mahatsiaro koa azo atao.

Mankasitraka tompokolahy,
Mankatelina, tompokovavy.
Samia tena Andriamanitra isika mianakavy.

Antsirabe, alakamisy 10 desambra 2015.


RABEARISON Roland Dieu Donné Vahömbey.


Aucun commentaire: