vendredi 4 décembre 2015

FIHAMINANA

Inona no antsoina hoe Fihaminana ?

Miadam-pinaritra satria eo ampelan-tànana sy ambany maso avokoa izay ilaina.

Fihaminana no fenitra ho an’ny fampandrosoana. Miainga amin’io fenitra io no tokony andrafetana tanjona isan’ambaratonga.

1.     Zavamisy

Ankehitriny, zara raha raharahiana io fenitra - Fihaminana io. Heverina toa ny mandeha ho azy.

Ny tanjona isan-karazany no hany imatimatesana, atao vaindohan-draharàha.

Lesoka goavana izany. Kilema ho an’ny mpikatroka fampandrosoana.

Telo no anton’izany:

Voalohany, azo tombanana sy refesina ary kajiana ny tanjona.
Noho izany, mora anamarinana ny ankolafim-pitantanana - gestion et management.
Mahatsotsotra ny fikirakiràna kitapom-bola ampiasaina.

Faharoa, ny fampitambàzana fampindramam-bola “omeko-tsy omeko, omeko tsifoifoy”.
Pôlitika famolahana ampiharin’ny ankabeazan’ny tompon-tsonia io. 

Fampanjànaham-bola no fiveloman’ny mpampitrosa.
Ampandinganiny in-droa, atambotsiny in-draika. Ny eo ihany no eo.

Fahatelo, mitoky teny fatratra ny ankamaroan’ny mpiandraikitra fampandrosoana.
Lasitra maty paika no ampihariny. Adiridiry ny tanjona mifanahaka amin’ny baikon’ny mpampindrambola.
Na mifanandrify na tsia amin’ny fenitra Fihaminana sahaza ny toloran-tànana eo an-toerana andraharahàna.
Sahy mitafy lamba imason’ny tompon-tombontsoa – bénéficiaires – ny mpiandraikitra fampandrosoana.

Noho ireo antony ireo, asesika am-boletra ny lahàsa fampandrosoana. 
Tian-kàno, tsy tian-kàno.

2.     Fanàfana

Ilaina ho vanona ny tetikasa fampandrosoana ?

Ifantohana tanteraka ilay fenitra – Fihaminana.

Raha tiana handihy ny anateràn-kira, fantarina mialoha izay mampitsinjaka azireo.

Ireto ny fanontaniana tokony voavaly mialoha ny famolavolàna tetikasa.
Ireto no misava làlana ny fahombiazana:

-          Iza ireo omen-tànana ?
-          Inona no ilainy ?
-          Inona no tiany ?
-          Inona no tsiriritiny ?
-          Inona no andrandrainy ?

Ireo fanontaniana ireo no manoritra ny antsoina hoe affects.

Miainga eo ny fahafantarana izay tokony atao sy ny fahalalàna izay fomba anaovana azy.

Dingana voalohany afaha-manoritra ny famolavolàna tetika sy paika isan-karazany ireo.

3.     Rindran-dahàsa

Lahàsa ho an’ny ingénierie culturelle.

Lafiny subjectif  sy qualitatif  no manamarika azy ito. 
Idéo-logiques eto no resaka.

a.      Process culturel :

-          Firazànana. Tompontany sa zanatany na mpiavy.
-          Finoana. Kristianina sa silamo na nentin-drazana. Mifamahofaho lalandava ireo. Ilaina tsirihana ny fifandrohizany.
-          Fanabeazana. Firafitry ny soatoavina. Tohivakana fiainana sy fahafatesana. Fifampitondràna lahy sy vavy.

b.      Procédure sociétale :

-          Fahefàna. Ara-panjakana sy ara-pirazànana na ara-mpanànana.
-          Famokarana. Antokom-paniraka sy ankabeazan-kirahana.
-          Faninjaràna tombontsoa. Fifamelomana sy fifanjanahana.

Lahasa ho an’ny ingénierie technique

Lafiny objectif  sy quantitatif  no manamarika azy ito. 
Infrastructurel eto no resaka.

d.      Protocole scientifique
e.       Procédé technologique

Tsy ivalamparana ireto farany ireto. Efa mahazatra ny mpisahana tetikasa fampandrosoana.

Ny firindran’ny ingénierie culturelle sy ny ingénierie technique no mandavorary izay kinàsa.

Antony:

Mamparisika ny bénéficiaires tompon-tombontsoa eo an-toerana andraharahàna :

- Handray anjara mavitrika mandritra ny fanatanterahana.
- Hikolokolo izay fotodrafitrasa voatsàngana.

4.     Fanamarihana

Ho an’ny tetikasa iray, mandraharàha in-telo miantoana ny ingénierie culturelle.

1.      Manomana ny famolavolàna.
2.      Manamora ny fanatanterahana.
3.      Mandamina ny fiandraiketana fikolokoloana zava-bita.

     5. Fampahafantarana

Tohivakàn-draharàha sahanin’ny Ingénierie culturelle :

-          Coaching personnes-ressources et intervenants ponctuels
-          Etude, pré-test et communication locale transversale
-          Elaboration axes marketing culturel, social et économique
-          Communication institutionnelle et grand public
-          Post-test, évaluation et audit.

Antsirabe, 04 desambra 2015



Vahömbey RABEARISON
Senior consultant 
BEzoro – ingénierie culturelle ( BE-ic )



SERASERA


034 08 720 04
vahombey@gmail.com




Aucun commentaire: