lundi 7 décembre 2015

MAHA-AMBININA NY MAMPANAMBINA NY HAFA.


Krisimasy tam’izay.
Zaza mpangataka teo amin’ny tunnel Ambanidia aho. 
Mangirifiry hatramizao ilay nipitrapitra. Tsy nisy nandraharàha.

Miha-re tsikelikely ombieny ombieny ny hira Krisimasy.

Miandrandra fahagagàna lalandava ra-olombelona isaky ny Krisimasy.

Antomotra ny krisimasy. Manaova soa avokoa. Ataovy amin'ny fo tena madio tokoa.
Tsy misy valisoa andrandraina hirotsaka avy any an-danitra. Mety tsy hisy ankoatra ny fifaliàm-po.

Ny fo no tena lanitra fonenan' Andriamanitra.

KRISIMASY !
Aza miandry fahagagàna fa ... MANAOVA fahagagàna.

Izay soa farany bitika atao, mampamelana tsiky izay tojo azy. Tselaka fahagagàna !

Saintsaino ny tselaka fahagagàna ataontsika tsirairay avy !
Nofinofiso... Iny ê. Lasa tohivakana tselaka fahagagàna !!
Hiteraka FAHAGAGANA SOA goavana, makadiry !!!

Velomina ao am-po i KRISTY.
Na kristianina am-piangonana na tsia.

MAHA-AMBININA NY MAMPANAMBINA NY HAFA.








KABONTSINTSINA EFATRA RAVINA

FINOANA

FANANTENANA

FITIAVANA

FANAMBINANA

Aucun commentaire: