jeudi 19 novembre 2015

Firenena, iaraha-manana. Ahiahy, tsy ihavanana.

Ndeha atao hoe diso malina, mpifehy hazo tokana ny mpanoratra. 
Zarany rahateo aza ho diso toa mpaminavina fotsiny ihany. 
Raha mpaminany izy dia nanizingizina. 
Saingy tsy mpaminany velively izy. 
Tsy mahalala n’inon’inona amin’izay sitrapon’ny Mpandahatra.


Katrobetro lôjika. Izay ihany dia izay. Fanalàna andro marisa ho hariva.

Mandinika.

Fitandraham-bola aman-karena ankibon-dranomasin’ny Nosikelim-bazimba malagasy.

Mpitily zava-miafina saingy manify fahalalàna mikasika ny siansa ara-géologie no manao antso avo hoe: " TANDREMO ! SAROPADY ny Nosikelim-bazimba malagasy !!"

Antony iangaviana ny TENA MPAHAY hitonona sy hanambara ny mari-potorana refesin'ny siansa otronin'ny teknolojia avo lenta izany.

Antenaina fa efa misy torohay siantifika azo itokiana 100 % eo ampelan-tànan' ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, Na Malagasy. Na vahiny.

Fanamarihana:
Olompirenena sarotiny amin' ny ainy manokana, maniry hitandro ihany koa ny an'ireo mpiarabelona aminy, io mamarafara io.
Raha toa efa misy valim-pikarohana any ho any, tokony borahana habaribary.
Raha mbola tsy misy dia tokony atao ary ampahafantarina ampahabemaso ny valiny.

Ohatra:

1. TENA TSY AZO ATAO. Mbola iandrasana fahanterana " géodésique " aman-taona, taona an-jato, an'arivo, an'alina, an-tapitrisa, an-davitrisa. Noho izany, kajiana sy tahirizina. Tsy teren-ko masaka toa voalobo-jaza. Ronono no ilaina koa ny reny omby no atao sorona ?

2. EFA AZO ATAO SAINGY mitaky fepetra isan-tokony aman-karazany. Ifanazavàna sy ifampieràna amin'ny fomba ara-dalàna isan'antanan-tohatra. Tsy ankanao ankobokobona sao mamery ny bado, mamingana ny tsy manan-tsiny.

ZON' OLOMPIRENENA izany.
Malina mifehy hazo tokana izany.

Na ny fitrandrahana ankibon-tanety aza anie ka itakiana mialoha " protocole scientifique - procédé technologique - procédure sociétale - process culturel " ê.

Mainka fa ny ao ankibon-dranomasina takona afenina.

Mpiandry volavita avokoa isika mianakavy. Tsy misy tompony, samy mpamerina an-dohany.

SAROPADY ny tohivakan-javaboaàry !

Saripika: Andrianjara Balita / BE-ic

Fankalazana francophonie 2016 ? 
Vavahady hidanadàna ho an’ny amboadia.

Hany kandidà filohampirenena namaky bantsilana ny Nosikelim-bazimba malagasy ny mpanoratra, tamin’ny 16 oktobra 2013 tao amin’i TVPLUS. 
Nisy nahare ?




Namotsipotsitra ny tsikombakomba ratsin’ny pôlitisiana amerikana sy frantsay mpampivelona ny Daesh ny mpanoratra, tamin’ny 05 jona 2015 tao amin’i TVPLUS. 
Nisy nahare ?




Ho vitantsika eto Madagasikara ve ny hitandro fahalemana tanteraka mandritra io Francophonie amin'ny novambra 2016 io ?

Ho atolotra tanteraka ny frantsay zà-draharaha amin'ny horohoro ny lakam-pirenentsika noho io
Ny mpitsikilon-dry zareo rahateo efa mameno vodi-mototra eran’ny tanàna. 

Raha sanatria vaky loza io francophonie-francophonie io, hitokona eto ny spesialista frantsay handevona antsika. Hanorim-ponenana eto indray ny légionnaires frantsay izay mba efa voaroaka tamin’ny taona 70.

Eny, ho’aho, ry rajakom-bazaha mianakavy ! 

Omeo avara-pàtana indray ny amboadia dia avy eo mody mitomania.


Mila voa tsihary ve izao fampitandremana izao ? 


Araho ito rohy ito: “ Management de la terreur “



Toa izany koa ito : « J’accuse ».


Hosodoko: Isaac.
Tovan-dahakevitra

Vao io marainan’ny zoma 20 novambra io. Mandoza ny any Bamako - Mali. 
Iza sy iza no nahatonga ny toe-draharàha maliana toa io ?
Iza sy iza no mpampivelona ny mpampihorohoro ? 
Iza sy iza no midingina ho zandary mpiahy, mitàtatàta mamono ny afo atsangan’izy Rangory ihany ? 
Amin’izay migalabona sefobe miraiki-tapisaka ao Mali. 
IZA ?

Diniho ny fandrafetam-baovaon’i RFI. Ny besandrin-dry zareo, voahindrahindra manokana. Raha tsy misy azireo â…

[Direct] Prise d’otages à l’hôtel Radisson de Bamako, assaut en cours.


Tena manao izay afany avokoa ny mpandalin-tsaina frantsay, mpandova fanilo ny “Siècle des lumières”. 
Hatreto, tsy mahaleo dohika ny mpanàpaka ara-pôlitika rakàkabe.

« La raison de la raison de ces attentats ». Marie-Jean Sauret, psychanalyste Université Toulouse-III


Hatramin’ny Kiadin’ny olom-panahy no … Vakio moa, azafady ê.

Le Pape François pleure « le monde en guerre » et « maudit » les fabricants d’armes.



Dalaï Lama: Stop praying for Paris - humans created this problem and humans must solve it.



2015
Masoandrobe lohataona,
Mamaky lohasola
Hatrany an-dohamalemy.
Mampiranga ambiroa
Mpitampify tao am-po.

Izay ho tera-bary, mirija avokoa.
Izay tsiparifary, milofika dia … Lo.

“ Sokafy ny masom-panahy,
Ataovy anton-draharàha.”

Aucun commentaire: