lundi 2 novembre 2015

RANIRANY # 02

Alatsinainy 02 novambra androany. Tokony ampivorian-dehibe nikaika olom-panjakana sy hery velona tsara sitrapo andriamatoa isany James Ratsima sy Herivonjy Rajaonah.

Efa aman-taonany ireo raiamandreny ireo no mandoloha fitakiana sata malagasy mazava ho an’ny Nosikelim-bazimba. Ito ny tahiry fanainga antso sy fanazavana ambahanday:


Miseho masoandro koa ny antoko Ziva :


Singanina etoana ito lahatsoratrin’ny gazety Valosoa ito :


Mitambatra ho vato. Izay no hahavanona ity famerenan-daoniny ny Nosikelim-bazimba ity. Tokana ny fenitra. Saingy mila harindra ny tanjona isan’ambaratongam-panatanterahana.

1. TOLONA

Amin’ny ankapobeny, mizara roa ny zotram-paikady.

Ao ny te-handavo avy hatrany ny Filohampirenena. Hitraoka ny toeram-panapahany. Kaofiraoka pôlitika bey vàta ! Izay kaontiny, vidiny. Izay maty, alevina.

Ao ny te-hiroso miandàlana. Tsy ankirotoroto. Dian-tanalahy mifehy hazo tokana. Izay tonga ihany no arahabaina. Manemitra faneva Malagasy ny Nosikelim-bazimba.

Ny mpanoratra misafidy handràsaràsa ampiheverana milamina. Ady làka amin-drenikelimalala io. Tombànana ivelany. Dinihana anatiny.

1.1 Ivelany

Fanararaotra ireny hadisoana be vava nataon’ny masoivoho frantsay ireny. Saingy tsy fandràpaka amam-bolony. Sao velam-pandrika gaigy dia gaigy. 

Tsy hay tanisaina ny fandrobàna ankiatsara ivelantsihy fanaon-drenikelimalala manerana an'i Afrika afovoany. Ankandripaka zaza amam-behivavy, ankaniraka boto lian-drà dontoiny amin'ny zava-mahadomelina, ankamotika fitondram-panjakana. Izay no ivoho. 

Nefa imaso, fandangolangoana sy fanindrahindrana ary tsipaipaika tampi-maso. Mpamosavy malemy, mpamorika hatrany ambilany ! Izay no tena lahasa ara-pôlitikan-drenikelimalala. Efa an-jato taona !!

Matoa mamotsotra resaka toa ireny ny masoivoho frantsay, efa singam-paikady ireny. Nohiniana nambara. Kajikajy vita lamina nialoha. Aty Afrika sisa antenainy anampàrana bontolo an-kamono lolo. Noho izany, miramaràma izy. 

Very an'i Oseana Indiana izy ? Vita hatreo ny aminy.

Vakio moa ny atin'ito lahatsoratra ito ê. Porofo tohaka amin'ny tenda: " Le Mozambique, futur allié stratégique de la France dans l’Océan indien ? "


http://www.lemonde.fr/afrique/article/2015/10/30/le-mozambique-futur-allie-strategique-de-la-france-dans-l-ocean-indien_4800129_3212.html

Ndeha hafototra ny rasa. Ndeha tahafina ra-hitsikitsika. Mailo. Matsilo. Marisika.

1.2 Anatiny

Voalohany

Nahelin’ny mpanoratra tany amin’ny mpiserasera tsy ankanàvaka ilay lahakevitra hoe “ ANDAO ! ”. Mankasitraka ny gazety Valosoa nandrangarànga azy io.

Indro kely, azafady. Teny tsy fohy, manatody ahiahy. Sao manamavo fihavanana.Tsy tonga volana ilay tatitra, tsy loa-body ilay hafatra. Ohatran'ny voabiloka ilay votoatin-dresaka. Tsiparifary tsy alaro vary. Tombontsoa manokana tsy asavika tombontsoam-pirenena.

Andaniny, Andohatapenaka sy izay ambatan’ny Filoha teo aloha.
Ankilany, ny tolona itambarana ho an’ny Nosikelim-bazimba.

Sasanangy samihafa ireo, tompoko. Samy hafa ravina ihinanana.

Ho an’ny Nosikelim-bazimba IHANY no itoloman’ny mpanoratra.

Faharoa

Mifandrohy amin’ny voalaza etsy ambony ihany. Mahakasika an’ireo galifântsy ara-pôlitika isan-tokony aman-karazany. Ao ny ela nihetezana. Ao ny maitso volo.

Hetsi-bahoaka no tilian’ireo ho sovohana. Maro ny te-hanararaotra ilay tolona Nosikelim-bazimba angalàny tombon-dahany ara-pahefana. 

Raha TENA tia tanindrazana moa maninona ? Saingy sao havako raha misy patsa !

Fahatelo

Lehibe miady ? Fahita izany. Aoka kosa ny kely tsy ho torotoroina. Koa alàna ny nenina :

“ Ô r’ingahy Filohampirenena nofinidim-bahoaka ô. Raiso ny andraikitrao manoloana ireo Nosikelim-bazimba ireo. Sao antoandro fitery ronono koa ilaozan’ny omby miahaka.

Mitodiha ivoho, azafady, dieny maimbohon-dravina. Tariho ny hery velona Malagasy rehetra hanongana ny zioga pôlitika voretran’ny Mpitondra frantsay.

Hatreto, zary vato misakana ny fahanginanao. Sao ho fahon’ny raokaraokam-pahavaratra, marina mafy.”

2. RASARASA

Mitsikerakera fanjakana fotsiny ve ny mpiandany amin'ny lôjikam-bazimba ? 

Tsy mahatakatra fa kajikajy pôlitika avo lenta anafainganana ny " Développement " no mahatonga ny Filohampirenena mangarika ny zon-tsika Malagasy mikasika ny Nosikelim-bazimba ? 

Tomory ny ambaran'ito rohy ito. Hampiharihary io hoe:

Le "Développement" comme discours d'aliénation des élites africaines.


Aleo hifanehatra amin’ny lôjikam-bazimba itony lôjikam-bazaha itony !


Mpitaribato vilam-bava ny Mpitondra frantsay, hoy ny mpampita jerin’andriamatoa Poutine.


Miova tantana ny fanontoloana. 
Banky mpifotodrafitrasa miainga hatrany Chine ! 
Chine sy Etats-Unis mifanandroka any Mer de Chine ! 
Russie mandrafitra teti-panorona hatrao Moyen-Orient ! 
Ito koa ry zareo fa sahy mandingana ny pétrodollars ! 
Russie manitrikitrika ny fibodoan'i France ny Nosikelim-bazimba ! 
Russie mampiseho hoe tomoriny i Madagasikara, efa nandefasany iraka be galona nisava làlana !

Oseana Indiana: Etats-Unis mizizo hibahana ny ranomasimbe aty; France midongy ny Nosikelim-bazimba.

Hifandrohitan'ny Tandrefana sy ny Tatsinanana isika "géostrategique" io.

Aiza ho aiza ny tsinjo "géopolitique"-n' ny Fanjakana Malagasy ankehitrio ?

Fanontaniana !!


Misy tsakotsakoina ito jerin’olona iray ito. Io ambany io ny rohy azo amotorana izany. Dika mitovy:

" INONA NO IFANDRAISANY ILES EPARSES . ADY SYRIE. SY POUTINE. ??

I Russie no manana gaz naturel betsaka indrindra erantany. I Qatar faharoa ..
Notapahany Europe ny fiarahana miasa @ russie ka naka gaz any Qatar zareo.
Nanao projet indrindra ny frantsay hanaovana pipeline hitondrana gaz avy any Qatar mandalo ao Syrie hamatsiana any Europe.

Tsy nanaiky bachar ka noketrehanany la frantsa haongana. Namorona mpanohitra mitambasy izy nozaraina roa i syrie mba hisiany ampahany @ syrie azo ampandalovina ilay pipeline ....kinanjo nivadika t@ny ireto farany ka lasa Etat Islamique nivadika t@ la frantsa ny amboa kely nopiana.
 
Niditra i Russie satria rehefa tsy haka ny gaz ny dia aza forcena ny olona sasany . I bachar raha teo namany Poutine.

Eto indrindra tsika . @ îles eparses iray antsoina hoe juan de nova dia mbola betsaka gaz naturel mihoatra an'i Qatar. Ka rehefa tsy misy fika ny pipeline mandalo any Syrie dia indro fa hotrandrahiny la frantsa ny gaz tsika eto. Ka nahatezitra an ' i Poutine zany zavatra zany. Izay no ambadika ny fanamelohana ataony Russie ny fakana ankeriny ny nositsika.

Ny filohantsika rahateo moa araka io sary io dia kopy kolé ny hollande ka tsy misy azony ambara. "


Ito manaraka ito, misy vaovao mamelom-bolo. Hanan-kisafidianana isika. Na ampivadiana. 

" Bank is bank ". Lôjikan-tombotsoa fifampizaràna io. Tsy misy hantra na ambom-po disoina toerana. Tombontsoa no foto-dresaka. Aleo matsilo toa izay gisitra volosan-dava !

Any amin'ny Mpitondra fanjakana malagasy ny fanapahan-kevitra.

Hifampiera amintsika sarambabem-bahoaka ry zareo mialoha izany ?
Sa hanao bontolo sy ankiafinafina indray ?
Ampitso, ankibon'ny omby !


3. RASAVOLANA

Aok’etsia ny lolalola sy lambolambo fampandriana adrisa, ry Mpitondra fanjakana.

Iza no hiforitra ?

Ny Mpitondra frantsay ?


Sa ny Mpitondra Malagasy ?

Manaramaso akaiky ankehitriny ny Malagasy “ souverainiste ”, saropiaro amin’ny fiandrianàm-pirenena.

Tombontsoa ara-ekonomika no narangarangan’ny Filohampirenentsika tao amin’ny fahitalavitra frantsay. Io no andrandrainy manokana amin’ny Francophonie 2016

Valiny avy amin’ny « souverainistes » :

Nosikelim-bazimba aloha vao francophonie !


Sa efa mba mitsipalotra any amin’ny BRICS ny ampitson’ny pôlitikam-pirenena malagasy matoa nanatrika ny Sommet Inde-Afrique andriamatoa Hery Rajaonarimampianina mivady ?

Asa lahy… !


Ho raharàha ity !...

RANIRANY



Aucun commentaire: