lundi 26 octobre 2015

ANDAO !

1. OMPAM-BAHOAKA

Milelalela ankehitriny ity tanim-bazimba ity.

Milelalela ny afo ! Doro-tanety !! Ompam-bahoaka amin’ny mpitondra fanjakana. Romodromotra ny zana-bahoaka tsinontsinoavina.

Doro-tanety: ompam-bahoaka amin’ny Fanjakana.
Asan-dahalo: ompam-bahoaka amin’ny Fanjakana.


E ‘ty manjo ny zandary ! Raha zandary, aza manody ny voahiraka hiasa anaty akata. Hazain’ny dahalo tsotra izao. Ankifamaly faty. 

Mihaohao ny dahalo. Manani-bohitra. Marobe ny dahalo tsy fidiny. Asesin’ny an-tery. Dodoin’ny kéré.


Fanjakana tsy haninon-tsy haninona. Kabary poakaty no hany talenta. Ankivorivory no tena lahasa. Ampihimamba etsy sy eroa. Fizahozahoana mameno arabe.

RAHONDRAHOM-BAZIMBA
2. OMPA RAZANA

Filohampirenena kanosa velona ‘ty raikalahy ‘ty.

Ompa razana ! Nanompa razana antsika ny masoivohon’ny fanjakana frantsay. Nataony ankiharihary. An-dry zareo, hono, ireo Nosikelim-bazimban’i Madagasikara.

Iles éparses â, îles éparses ! » NOSIKELIM-BAZIMBA ireo, tompoko ô !!

Manipy tavimandry, manosotra diky antampon-dohantsika Malagasy ny Mpitondra frantsay.

Vava takiky ny Fanjakana. Kanosa mianakavy. Mpamadika tanindrazana.

Handrongatra ireo razantsika namoy ny ainy, nandritra ny an-jato taona, ho an’ity tanim-bazimba ity. Mahatantesa avokoa izay mpisolelaka renikelimalala !

Handràmatra ny taranà-bazimba eto amin'ity Firenena ity.

Ny aty, efa vonona ny Mpanjakabenitanimbazimba.

Mijoroa avokoa izay Malagasy mahasahy !

NOSIKELIM-BAZIMBA
3. NOSIKELIM-BAZIMBA

Araka ny rohotanim-bazimba:

Tromelin…………….. Vody Alahamady
Europa………………. Vody Adimizana
Bassas da India………
Vava Alakarabo
Juan de Nova………... Mason’Alakaosy
Les Glorieuses………. Vava Alohotsy

Miha-maro ny Malagasy miantso antsika hijoro. Santionany:





Manainga ny Malagasy rehetra erantany hanaparitaka ity sary ity.
Tsy misy 16eme sommet izany aminay eto Madagasikara amin'ny 2016. Tsy mila an'izany izahay. Mahamenatra, raha misy Malagasy iray milaza fa azy andohatapenaka dia afaka ora iray ny ministra rakotovao dia milaza angazety fa an'ny fanjakana malagasy io tany io. Mandrakankehitrio anefa, raha nilaza teto antanindrazana (fa tsy tany frantsa) ny masoivoho frantsay fa azy Frantsa ireo iles éparses dia tsy mbola nahitana valiny avy amin'ny ministra Rakotovao sy Attalah hatreto milaza fa an'ny Malagasy ireo iles éparses ireo.


Aza afangaro voraka ny Mpitondra frantsay sy ny vahoaka frantsay. Samy hafa ireo. Ny kary no manao ny ataony dia ny saka no borian-drambo ? Santionany :

La France qui viole la souveraineté de Madagascar

 

Edwy Plenel (ancien directeur du journal Le Monde, créateur et directeur de Médiapart) était à La Réunion, la semaine dernière, pour une table ronde dont le thème était "Géopolitique dans l’océan Indien : place de La Réunion". Le professeur André Oraison qui soutient le droit international et la souveraineté de Madagascar faisait aussi partie du panel d’intervenants, de même que Wilfrid Bertile (sénateur de La Réunion, un des créateurs du parti socialiste, ex-secrétaire général de la COI), et aussi le Mauricien Gilbert Ahnee (rédacteur en chef du groupe l’Express et représentant de Jean-Claude de l’Estrac actuel secrétaire général de la COI).

Une Malgache a été invitée à assister à cette table ronde par le professeur André Oraison, et ce fut pour elle une bonne opportunité pour faire entendre la voix de Madagascar. Elle a mis les pieds dans le plat à propos des Iles éparses, de la manœuvre d’intimidation des 
Fazsoi qui venait de s’achever à Juan de Nova, et à propos de la COI qu’elle a qualifié "d’instrument de domination" vu la double casquette de La Réunion. Son intervention a été soutenue par le professeur André Oraison qui a répété haut et fort ce qu’il a dit et écrit à maintes reprises, à savoir que "la France n’avait rien à faire à Mayotte qui est comorienne et dans les Iles éparses malgaches".

Edwy Plenel a parlé de "la France qui viole la souveraineté de Madagascar". Nous ne sommes pas naïfs, si la résolution des Nations Unies ne fait pas reculer la France, ce n’est pas cette table ronde qui le fera. Mais c’était bien que les choses fussent dites et entendues par des responsables réunionnais et mauriciens. Et le fait qu’elles aient été dites à Saint-Pierre, lieu où s’est tenue la table ronde mais qui est aussi le siège des Terres Australes Françaises (Taaf) auxquelles nos Iles éparses ont été rattachées ne manque pas de sel.

Joel Harison / http://www.clicanoo.re/


4. RASAVOLANA

Ho an’ny taranaka Malagasy tsivakivolo no itolomana ho an’ny Nosikelim-bazimba.

Rehefa tsy vitan-dresaka mampody fanahy izao tolona izao, eny an-dalàmbe no tohiny ato ho ato.

Rehefa tsy vitan’ny eny an-dalàmbe io, vaky bantsilana hiafara amin’ny ady. Na hadio. Na haloto.

Ny pôlitika voretra efa anjato taona ampiharin’ny Mpitondra frantsay eto an-tanindrazantsika no fahavalo.

Sahy hiara-hitolona ho an'ny Nosikelim-bazimba ve ny mpitondra fanjakana ankehitriny ? Andao hiaraka. Dieny mbola fotoany.

Rehefa tsy mahasahy, mialà !!! Mialà tsy ho Mpitondra intsony. Aleo dimbiasan’izay mahasahy. 

Avotsory ny fibaikoana ny tandroka aron'ny vozona.

Raha ireo Mpitondra sady kanosa no mpamadika tanindrazana ireo ve no hanome baiko anareo pôlisy-zandary-miaramila hoe: " Poreto io tolona ho an’ny Nosikelim-bazimba io."

Zakan'ny feon'ny fieritreretanareo ve izany ? 

Hahavita hiatrika ny fasan-drazanareo ianareo raha sanatria hanaporitra io tolona io ?

Voalohany, haja amam-boninahitrin'ny razanareo io tolona io.

Faharoa, tombontsoa ho anareo sy ny zanakareo ary ny taranakareo io tolona io.

Hiaro tanindrazana. Io no fianianana nataonareo an-tsitrapo. Tanindrazana ny Nosikelim-bazimba.

Raha hamoaka kibay sy basy aman-tafondro ianareo, ho atodikareo aiza ?


Ny pôlitika maloton’ny fanjakana frantsay no HANY fahavalo.


Andao fongorana am’izay !


ANDAO !

Aucun commentaire: