mardi 6 octobre 2015

RANIRANY # 01

Fahendrena, hono.

Araka ny fahendrena tatsinanana, misy ny atao hoe Karma sy Dharma.


Ny Karma

Izay tsara sy izay ratsy atao, miampy izay tsinontsinona atao. Mifatratra ao anaty vata avokoa ireo. Mihànaka, miramaràma manenika ny voaàry manontolo. Ary rehefa mitampody hatrany dia miàbo zato, arivo, analin-kisa heny.  Migorodana eo amin’ny fototra niaingàny. Na ny tsara. Na ny ratsy. Ny tsinontsinona natao ihany koa. Malaza manaraka hatrany ankoatran’ny fahafatesana io Karma io.

Ny Dharma

Raha fihazina, azo tsorina amin’ireto fanontaniana ireto. “ Iza aho ? Avy aiza ? Ndeha ho aiza ? ”. Ho an’ny mpandalina, hasim-panahy tsy hita pesipesenina no fonosin’io Dharma io. Ireo fanontaniana miisa telo ireo ihany no asongadintsika etoana.

Ny fandalinana ny hoe: “ Iza aho ? Avy aiza ? Ndeha ho aiza ? ” no manampy itantànana ny Karma.

Ahafantarana izay TSY TOKONY atao.

Ahalalàna izay TOKONY atao, aiza sy oviana.

Manampy hifehy ny antsoina hoe fahendrena izany. Azo tovànana ilay hoe: 

“ Izay tiako atao amiko, ataoko ho an’ny hafa. 
Izay tsy tiako atao amiko, tsy ataoko ho an’ny hafa.”

Tsongoina fon’ny olona, ...

Araka ny mythe d’Er le pamphylien izay notaterin’i Platon 427 – 347 talohan’i J.K

samy manana anton-dia ety ambonin’ny tany isika olombelona. Enti-manatanteraka izany, nifidy izay toerana nahaterahantsika. Nifantina hatramin’ny ray aman-dreny niteraka antsika.

Nifidy ho olombelona aho. Nifidy ho Malagasy. Nifidy ny hivoatra ho olona. Nifidy hanampy ny olombelona hivoatra ho olona.

Anjara raharahako avokoa izay tandrify ahy eny an-dàlako. Mampalaina ahy ny mihanona amin’ny tany malemy fanorenam-pangady iadivan’ny besinimaro.
Enjehin’ny eritreritro aho raha vao mody fanina eo anoloan’izay tojo ahy. 
Fanabeazana nomen-dray aman-dreniko ahy izany.

Mampananosarotra ny manao ny tsara.
Mamparisidrisika ny manao ny ratsy.
Mampiadankadàm-poana ny mijery fotsiny.

Tsongoina fon’ny tena.

Fantatro izay mihatra atsy Centrafrique. Loza !


Atsy Congo. Antambo !!


Toa izao ny eto Madagasikara. Misoritra ho loza aman’antambo.


Mifandraika amin’ny Dharma-ko ireo matoa tonga hatreto an-databatro. Manery ahy hisaintsaina izay ho ataoko. Telo ny safidiko.

1. Tandrovako amin’ireo loza aman’antambo ireo ny fireneko. Hiantsoroka aho. Masina ny tany mitahiry ny tavoniko. Arovako ny taniko.

2. Hodiako fanina. “ ‘Zaho koa handraharàha ? Tsy aferako ‘zany ! Ny ato an-tranoko aza efa manahirana ahy.”

3. Hiray tsikombakomba amin’ny mpanjakazàka aho. Vao misy kitapo latsaka eo dia bedaiko. ‘Zay mi-bizina ihany no akamako. Any no misy ny tàtaka.
“Te-hitovy am’là koa ‘zaho !”

Fehiny

Inona no ho ataoko ?

… Ho an’ny Karma-ko.

Fanamarihana: ohatra anatin’ny zato amby arivo ireo natsidika ireo.

RANIRANY.

Aucun commentaire: