samedi 10 octobre 2015

MPIANADY VAZIMBA # 02

Araka ny tetiandro vazimba vakiantety, mandany ny adizaoza maro anaka – mahabotrabotra taranaka isika io. Higadona amin’ny herinandro fiasana ho avy io ny volana asorotany. Malaza ho vintan’antitra izy io. Tsy ny vokivoky taona ihany no tiana ambara fa ny anti-panahy indrindra indrindra.


Ny antsoina eto hoe anti-panahy dia ireo mikolokolo fahendrena. Ireo izay mahavàtra mihaino ny feon’ny fieritreretany ka mandrary ny tontolom-piainany arak’izay. Ireo izay mandalina hatrany ny Dharma-ny ka  mahatandro ny Karma-ny araka izay. Zahao lahakevitra RANIRANY # 01.

1. ASOROTANY

Araka izany anarany izany, mampifantoka amin’ny tany izy io. Tsy ny tany diavina fotsiny, fa ny tany amin’ny mahavadiben-Janahary azy mihitsy. Tsy ny tany fivelomana fotsiny, fa ny tany amin’ny maha-filevonan-tavony azy, maha-fihintsanan'ny nofo aman-taolana azy.

Andron-drazana izy. Fanorenana fasandrazana. Ny tany no mpitahiry ny lasa sy dila ary fahagola manontolo raha ny lanitra no sompitrin’ny faravody andro rahatrizay.

Ny mpikobana eritreritra ihany no mety sahiraniny satria mpamoha fotamandry izy. Mpampihalohalo avelo. Mpamongatra lolo. Mpampihaohao angatra.

Saingy tsy manan-kahiahiana velively izay madio fo. Koa alamino ny saina. Raha misy mampiahotra, aza avela mampitahotra. Diovy malaky ny fo dia aza ivadihana ati-doha. Aza avela ho trà-maraina ny hatezerana androany. Aza avela haningom-po izay alahelo namelovelo. Ario, tsofy rano hivarina an-driaka, ho danihan-dohataona ka ho oram-batravàtra hamelombelona aina raha fahavaratra.

Vanim-potoana fifamelàna ny asorotany. Fandrariàm-pihavanana. Fihavanana amin’ny tena, voalohany indrindra. Fady kobay an-kelika ny asorotany. Izay no maha-vintambazimba azy. Maha-tso-po amam-panahy. Mampihiratra ny soa. Koa soavà tsarà avokoa !

2. ZAVA-MISY

Efa be loatra ny diky nifamorihana naroso tanaty lovia ankosobolamena nifanaovan’ny samy mihambo ho firenena matanjaka koa e ‘ty fifamaliam-paty ifanaovany any Moyen-Orient. Samy mpanara-baovao isika mianakavy koa aleo iaraha-mahita eo izay fizotrany.

Ny ao Afrika Afovoany ao moa dia maha-ontsa tanteraka. Aza manody ny ambany vaohon’ny mena sofina mifandrombatra tombon-tsoa amin’ny kelimaso. Miampy ny ataon’ny tavaratra izay manandevo ny mainty efa anjato-taonany. Hatramizao mbola disahiny antampon-doha dia rakodrakofany karazana anarana foto-pivavahana.

Asainy mifamono an-trano. Aholany vetavetainy ny vehivavy. Rotika ny fiarahamonina nentim-paharazana.

Aleo hanao ihany ! Siasia ny an'ny olombelona fa ny fanapahana an’Andriamanitra.

Ny eto an-tanindrazana, tsy nahafehy ràn’olombelona tsy ho latsaka an-tany ity fitondrana ity. Tsy ambonivohitra, tsy ambany ravinahitra, tsy anaty akata ! Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina. Ny havoretran’izay natao no mampalaky ny fifoterany.

Aleo tsofina rano dia iafenana andamosin-tolàna. Aleo samy hijinja izay nafafiny. Izay rivotra, ho tadio. Izay voa tsara, ho ambim-bava manototra sompitra.

3. KàKAKàKAM-BAZIMBA

Asorotany io hitsidika io !

Ho hita eo, iza no handavaka ny tany ilevenany. Ny mpitondra fanjakana malagasy ankehitriny voasokajy anatin’izany. Voafaoka ao koa ny mpitantàm-panjakanan-drenikelimalala. Nobedainy anterivay manta i Juan de Nova. Mahasoàva azy. Mikàkakàka hatramin’ny vazimba !

Nikabary niezinezina nanoloana ny seza sy latabatrin’ ny ONU ny filohampirenena Malagasy. Poakaty lavareny toa ny mahazatra. Tsy nisy indraim-bava nikasika ny Iles Eparses. Miakoàko ny kàkakàkam-bazimba !!

Misy euro be dia be, hono, omen-drenikelimalala atao tsipaipaika. Tolorany faribodin’ny kaopy ra-Fanjakana dia nofahony ny siniben-drano. Kàkakàkam-bazimba !

Tsy ampilaharana “ visa” izay hitsidipahitra any amin-drenikelimalala. Fidasiany kosa ny minisiteran’ny tetibola malagasy. Kàkakàkam-bazimba !

Aok’izay sao mahatapa-tsinay. Maty aho Jirama-keliko. Sns.

Mmmhhh… Asorotany ! Asorotanim-bazimba.

Mmmhhh...!

4. VARY SY TSIPARIFARY

Ny mpikirakira pôlitikam-pahefana no ohirin’ito lahakevitra ito fa tsy ny sarambabem-bahoaka. Ry Rajaonarimampianina ve no manao ny ataony dia isika no ho menatra amin’i Madagasikara ? Fitondrana miserana ihany ny an’ireo.

Ry Hollande ve no manao ny ataony dia ny sarambabem-bahoaka frantsay no ho jerena vilana ? Sasanangy samy manana ny azy ireo.

Roa ny sokajy fototra. Andaniny, ny mpitantam-panjakana. Ankilany, ny sarambabem-bahoaka. Aleo ireo hiavaka hatrany. Isika rehetra mamaky izao lahakevitra izao, sarambabem-bahoaka avokoa. N’inon’inona fihodirantsika. Na iza, na iza firenentsika.

Mialoha ny hitsinjovana ireo izay mampandika izao lahakevitra izao dia ireto misy torohay fototra. Anjaran’ny tsirairay no mandray izay tandrifiny. Ny Iles Eparses, ara-drohotanimbazimba :

Tromelin: Vody Alahamady
Europa: Vody Adimizana
Bassas de India: Vava Alakarabo
Juan de Nova: Mason’Alakaosy
Les Glorieuses : Vava Alohotsy

5. MISEHO MASOANDRO

Mizotra soa aman-tsara ny tetipanoron’ny anjely mikasika an’i Madagasikara. Manamari-toerana ny Revolisiona Vazimba. Miha-mavitrika ny solofo dimbin’ny ala. Miseho masoandro ny zanak' antitra. Ela ny ela.

Miala tsiny, miala fondro, manao salohy fito, tompoko. Hanonona anarana, azafady indrindra. Rabedaoro Eris no tompon’ny sori-kevitra ho aroso manaraka izao. Niniany natao tamin’ny teny frantsay izy io. Ho an-draMalagasy mpifehy lôjikam-bazaha. Ho an’ny tapaka sy namana ary havana izay havanana kokoa amin’io fitenimpirenena io. Mafonja dia mafonja ny voalazany ato:

Saturne est en sagittaire, c’est pour 2 ans environ, Madagascar étant sagittaire, 2015-2016-2017 seront très importantes pour notre pays. Surtout 2015/2016, car on a un trigone saturne Uranus. Donc, construction et rénovation. Par la révolution si saturne bloque, si l’ancien système persiste alors que de nouvelles idées émergent. Si rien ne se passe d’ici 2016, en termes de réels changements, 2017 sera sanglante car alors ce sera Saturne qui mènera la danse. Les Malagasy n’ont jamais été fans de structures rigides, on est plus dans le mora mora. C’est bon et pas bon. En tout cas, saturne = discipline ! Uranus = révolution ! Rénovation, mot d ordre donc pour nous, depuis peu ! Changement, aller au-delà des frontières connues ! Dépasser les schémas anciens ! Oser! Vouloir !

Nos lois, tribunaux, églises, institutions touristiques et relations internationales seront fortement concernés. Ce sont ces domaines qu’il faudra particulièrement observer. Mais uranus étant en bélier, il faudra aussi s’attendre à des changements importants dans l’informatisation du pays. Uranus a mis à mal nos forces de l’ordre, mais ces problèmes vont s’arrêter d’ici un an quand Uranus quittera le bélier, d’ici 2 ans »

Telo no hany fanamarihana atovon’ny mpanoratra ireo voalazan-d Rabedaoro Eris ireo.

a- Mifandraisa mivantana aminy izay liana amin’ny fanampim-panazavana. Ireto misy rohy :


b- Mpirahalahy miara-mianala efa 20 taona mahery izahay. Mifampizara ny manta sy ny masaka ara-pikarohana ny maha-Olona sy ny maha-Malagasy. Lavitra anay ny hiziriziry ho mpahalala. Arakaraka ny irosoana amin’ny fikarohana no ahatsapana hoe tena mbola tsy mahay n’inon’inona.

d- Aleo hiharihary mazava. Andriamanitra Ray Mpaàry irery ihany no tompon’ny ampitso. Fomban’olombelona ny mandinika izay ametrahan’ny tongony. Miankina amin-draolombelona mivantana ny ankehitrininy sy ny ho aviny. Ny vinavina fisahirananay mbamin-dry Rabedaoro Eris dia zàra raha mahatràtra ny 50 % no mety ho fihàrany.

Izay no azo ambara ampanetren-tena. Eo ampelan-tànantsika tsirairay avy ny ho avintsika mianakavy.

Tsy mandraharàha isika ? Ny eo ihany no eo.

Mitsikombakomba amin’ny tsivalahara isika ? Hangidy fara ny zava-hisy.

Miara-manatanteraka ny Revolisiona Vazimba isika ? Velona ny fanantenana.

Raha mampifandipatra izao resaka izao, ny teniko ariana. Izaho kosa, tsinjovy mandeha satria havanareo.

Samia tena Andriamanitra.


Z A N S H I N

Raha malina, mifehy hazo tokana.

Aucun commentaire: