jeudi 1 octobre 2015

MPIANADY VAZIMBA # 01

1. FIRENENA “MATANJAKA”

Mananontanona ny Ady Lehibe Fahatelo. Zahao izay rohy mifanandrify amin’izay.

Mikoropaka ny mpitondra fanjakana nihambo ho mpibaiko izao tontolo izao hatramizay.

Andaniny:

Ny Eoropeanina ifoteran’ny pôlitikany tao Moyen-Orient efa ampolotaona. Io fa totoran’ny mpitsoam-ponenana isisihan’ny djihadista mahery vaika. Tafiditry ny biby rangôty ao am-pisoko. Madiva hirefotra ny lamim-piarahamoniny. Hatrao anatiny !

Ny Amerikana, lalaovin’ny sionista, doran’ny afo natsangany. Ry zareo no namorona sy namahana ny djihadista mahery vaika mba ifehezan’ny dolara ny tontolo famokarana solika. Mpiray tsikombakomba aminy ny pétromonarchie: Arabie Saoudite sy Quatar. Sangodim-panina ny demokrasia tandrefana. Vao mitady hanilika ny zioga tandrefana dia vizatiny: Kadhafi, Saddam Hussein, … Izao i Bachar El Assad.


Ankilany:

Mirongatra i Poutine ! Mampirefotra tafondro. Araho ny vaovao mikasika an’i Syrie sy Moyen Orient. Ny ziogan’ny dolara sy ny petro-dolara io mampitrifana azy io. Toa izany koa i Chine, mpiara-mianàla amin’i Russie.

Vanja midonaka koa ny ao atsimo atsinanan’i Asie. Mifandrafy ao amin’io faritra io ny Sinoa sy ny Amerikana. Mifampila vaniny ny Sinoa sy ny Japoney. Mifampiandry ankendri-tohana ny koreana tavaratra sy ny Koreana tatsimo.

Fehiny:

Manozongozona ny zioga pôlitika sy ekonomika ihorenan’ny dolara izay firenena leo fanandevozana. Manohitra imaso imaso !

Io koa ny euro fa mibàbaka !! Mandroso maty raibe, mihemotra maty renibe. Midongizina ! Sesi-boletra sisa ataon’ny fanjakan-drenikelimalala. Afa-baraka, mamo toaka hatreny an-kabary imasom-bahoka.

Ireo ry zareo mpibaiko ny antsoina hoe Firaisambe Iraisam-pirenena ! Ireo ry zareo mpitantana kitapom-bola iraisam-pirenena !! Miha-rava tokantrano !!!


2. FIRENENA « MAREFO »

Ifoteràn-tody ny firenena “matanjaka”. Rempotra ry mpanjakazàka. Koa inona no andrandraina amin’ireo ? Famatsiam-bola !?! 

Kotobekibo fohy fisainana ny mpitondra malagasy.
Vava takiky hatramin-draMalagasy.

Zahao ny mitranga ao RCA ankehitriny. Rotehin-drenikelimalala ara-pôlitika ny vahoakany. Tsentsefina ny diamondra ankibon’ny taniny. Mangozohozo koa i Congo. Voretra fanao ny any Burkina Faso. Ary aza manody ny mitranga ao Yemen.

Ary i Madagasikara, tanim-bazimba ? 

Manoloana ny antambo manambana, ireto no kilema:

- Tokonan’ny Ranomasimbe Indianina. Géostratégique ho an’ny mpifanandrina.

- Sompitra harembe an-tanety sy an-dranomasina. Goragora adala tompo.

- Voro-maty ho an-drenikelimalala. Hatramizay ka hatramizao.

- Andevokelin’ny Tandrefana ny mpanao pôlitikany. Na mpitondra, na mpanohitra.

- Sns.


3. FANàFANA

Hetsiky ny mahery fo. Mpifehy lôjikam-bazaha. Mpikatroka lôjikam-bazimba.

Na inon-kitranga atsy ho atsy, na inon-kidona ato ho ato… Mivonona avokoa izay mpianady. Raha “mpikotrana”, amafiso ny kotrana. Raha mpikotrana fahiny, miverena mikotrana. 

Ho an’ny besinimaro, mazotoa mivavaka. Fotoany izao. 

Mahavàra mankasitraka ny fitantanan’ Ny Ray. Aza mangatàngataka. Mankasitraha fotsiny ihany. Mankasitraha lalandava.

Raha mampifandipatra izao resaka izao, ny teniko ariana.
Izaho kosa, tsinjovy mandeha satria havanareo.

Samia tena Andriamanitra.

ZANSHIN

" Raha malina, mifehy hazo tokana."

Rohy :






Aucun commentaire: