vendredi 1 avril 2011

FAMà: laharàmpahamehana

1. FANABEAZANA  Fanabeazam-boa ny Maha-Olona miompana @ kolontsaina.

2. MPITAKAZOMANGAMPIRENENA  Hisian'ny lamina eto @ tany sy ny fanjakana sady ho an'ny "continuité de l'Etat", ho atsangantsika ny komitin'ny mpitakazomangampirenena misy ireo Filohampirenena rehetra nifandimby tsy ankanavaka. Izy ireo no mpanolontsaina manokana ho an' ny Filohampirenena amperinasa.

3. MIRA LENTA  "Représentation équitable des femmes" eo anivon'ny toeram-panapahana rehetra, isan'ambaratongany. Sady hanatsara ny jerin-draMalagasy hatrany ifotony io, no hampivoatra malaky ny toe-tsaina ho mendrika kokoa hatrany.

4. FIVELOMANA Ny tetikasantsika mikasika ny fandraharahàna fivelomana iainan'ny be sy ny maro, tsy mbola ambarantsika ampahabemaso hatreto. Tena "stratégique" io. Io no mahafao ny lamina rehetra voambara etsy ambony. Io no ho bedaintsika voalohany raha vao Filohampanjakana ny FAMà.

FAnambinana ho an'ny voaàry manontolo.
FAnambinana ho an'i MAdagasikara.
FAnambinana ho antsika tsirairay avy.

2 commentaires:

Anonyme a dit…

Tena zavadehibe indrindra ilay mpitakazomangampirenena izay zavadehibe tokoa hampilamina ny tanana.

VahÖmbey a dit…

Marindrano mihitsy.

N'inon'inona fifandroitan'ny mpiandany ara-pôlitika isankarazany @ izay raiamandreny tompoin-dry zareo manokana dia mazava ho antsika fa fanoitra goavana ho an'ny filaminana eto antanindrazana io, indrindra @ izao fotona izao. Noho izany fahamehana ho antsika. Tena FAMà ( famaha - olana )ara-bakiteny.

Ary rehefa voaorina ho rafitra mateza ifandovàn'ny mpitondra fanjakana rehetra hifandimby io dia tena hanamora ny fampandrosoana @ alàlan'ny fandrafetana jery politika mitomandavana. Izay ilay "continuité de l'Etat".