mardi 26 avril 2011

Tafa sy dinika ifanambinana

Ho an’I Alidera A.R.

BEzoro, tompoko.

« Tsara maraina », hoy ny aty Vakinankaratra izay.

Salohy fito raha izao vao mamelona tafa aminao. Tsy nohiniana velively izany, sanatrian’ny vava. Misahana “ingénierie culturelle” no raharaha fivelomako koa nivahiny tany amin’ny toerana sarotsarotra “connexion” ê.

Nistidika ny takelaky ny FAMà aho fa tsy nety nisokatra ny fametrahana fanamarihana sy famoasahan-kevitra ka dia eto no anaovako izany. Asa ve mila mpikambana ve vao afaka mamaly?

Takelaka fanambinanamadagasikara.blogspot.com no resahantsika ?

Afaka mamela hafatra ato avokoa izay maniry hanao izany, eny na dia « anonyme » aza. Vao nohamariniko talohan’izao anoratako izao mihitsy izany. Ny fepetra mikasika ny “moderation” no misy, saingy malefaka ihany izany satria ankinina amin’ny fahalemem-panahin’izay te-hampita hafatra ato.
 
Manaraka izany dia zavatra hita sy tsapa voalohany rehefa nitsidika ny takelaky ny FAMà aho dia ny tsy fahitako ny momba an’i VAHöMBEY. Angamba efa tsy sehatry ny mozika sy ny kiakiaka intsony ny dingan’ny filatsahana ho Filoham-pirenena. Ny fiakarana amin’ireny sehatra ireny dia ampy ny hoe VAHöMBEY. Iza moa izany « RABEARISON Roland Dieu Donné » raha oharina amin’i VAHöMBEY? Zanak’iza izy? Teraka oviana? Ny làlana efa nodiaviny sy ny traikafeny rehetra? Ka RABEARISON ve izany no milatsaka ho fidiana sa i VAHöMBEY?

Misy ny antsoina hoe “profil”, mamarana ilay “projet de société” voarakitra ato amin’ito « blog » ito. Tsinjo ao ny ampahany mikasika ahy.

Olona iray ihany moa ireo voatononao anarana ireo. Ary mifaningotra aina amin’ilay mpanakanto, ilay olon-tsotra.

Manohy ny raharaha fanakantoana hatrany aho, na dia niataka sehatra aza efa ho roa taona izay noho ny antony iaraha-mahalala. Isan’ireo voatohintohina mantsy tamin’ireny fotoana nahamay ireny koa naleo nanaja-tena, namaha totohondry.

Marihiko manokana fa kajiako hatrany ny maha-mpanakanto ahy eo amin’izao firotsahana fidiana Filohampirenena izao. Tombony izany sata izany koa velomiko hatrany.

Ny hoe Vahömbey, tompoko, dia misoratra ao amin’ny karapanondroko sy ny pasipaoroko, na tsy hita marika ao amin’ny soram-panjakana tamin’ny nahaterahako aza. Anarana lolohaviko izy io amin’ny fananako ila tatsimo. Ara-pirazanana mantsy dia sady merina aho, no antandroy sy hindou bânian miaro.

Rabearison Norbert no anaran’ny raiko. Adjoint d’administration izy fahiny. Razafindrazaka Sahindra no reniko. Efa samy lasàn-ko razana izy ireo. 

Poety nalaza tamin’ny fotoanandrony io reniko io, fony izy mpikambana tao amin’ny UPEM niaraka tamin-dRajemisa Raolison sy Clarisse Ratsifandrihamanana. Sady mpanentana, no mpilalao tantara tao amin’i Radio Madagasikara rahateo moa izy fahiny. Sahondra Ravaka no nahalalàna azy tamin’izany.

Teraka tamin’ny 09 aogositra 1959 tany Ambodifarihy Amparafaravola Lac Alaotra aho. Teratany Malagasy iringiriny. Monina eto Madagasikara hatramizay, na miampita ranomasina tsindraindray aza, filàna ravinahitra.

Mazava ny famaharan’ny FAMà amin’ny kolontsaina amin’ny zavatra kasainy atao. Tsara angamba raha asiana fanazavana misimisy ny momba ny atao hoe kolontsaina. Avy eo mety ve raha hazavaina ny « maha-olona » sy ny « mahaolona », « fiarahamonina » sy ny « fiaraha-monina » . Raha ny fijeriko manokana mantsy dia ny teny no voalohan-karena sy voaloham-pitaovan’ny kolontsaina. Ka ao anatin’izany indrindra moa ve tsy adidin’ny olona te itantana an’i Madagasikara ny manaja io Teny Malagasy io? Anisan’ny zavatra efa nanankianako, izaho manokana, ireo izay efa nitondra teo hatramin’izay io. Ny Filohan’ny Repoblika ve izany any amin’ny fifandraisany ofisialy dia hampiasa fanafohezan-teny tahaka ny hoe « @ »? Satria amiko io takelaka izay anambaràna ny filantsahan-ko fidiana io dia ofisialy.

Ekeko marindrano ny tokony hifanazavana hatrany mikasika ny kolontsaina. Indrindra fa tsy ilay hoe “culture” mahafaobe no tena iompanantsika fa ny hoe “culturel”.

Ny tiana hasongadina dia ilay ezaka lalandava handrindra ny fiainana andavanandro amin’ny manodidina rehetra.

Noho izany, omena lenta izay mety hatsaràm-bakoka sy izay fahasoavana nolovaina tamin’ny nialoha làlana. Saingy tomorina akaiky dia akaiky kosa ny famoronana lalandava mahasehaka ny fampivoarana ny toe-piainan’ny tena. Lova apetraka ho an’ny fara sy dimby rahateo izany.

Fampaherezana ny tsirairay hanefy ny mahaolona azy no isan’ny tanjona amin’izany. Koa ny fikajiana ny Maha-Olona, ilay fanahy fototra avy amin’ny Mpahary, no zotra ahatongavana amin’izany

Marihana manokana fa amin’ny maha-Filohampirenena dia ho tandremantsika fatratra ny hisaringotra amin’izay mety fotom-pinoana na karazam-piangonana. “Laicité de l’Etat” moa no filaza azy.

Ahy manokana, ambatako samirery ary avahako amin’ny maha-Filohampirenena, izay jeriko mikasika an’iny.

Ho antsika eto fotsiny ihany no ilazako fa mpiangona ao amin’ny FLM Antampontanàna Antsirabe aho ankehitriny, rehefa tao amin’ny FJKM Ambavahadimitafo fony nonina tao Antananarivo, ary katolika nandritra ny fahatanorako satria nianatra tany amin’ny sekoly katolika aho. Raisiko ho tombony izany, ahafantarako akaiky ny fiangonana kristianina eto amintsika.

Ny teknika fitaizan-tena “bouddhiste” moa eo hatrany satria mpikolokolo vatana sy mpanabe tanora amin’ny karate-do aho.

Ny filozofia “taoïste” dia ankafiziko manokana nohon’ny halalinam-pisainana fonosiny.

Isan’ireo mandinika akaiky ny fomba amam-panao malagasy aho satria anthropologie izay notovanana ethnomusicologie no zotram-pianarana ambony nandaniako taona maro, taorian’ny nahavitako “Licence en philosophie”.

Noborahako ireo fanazavana ireo entiko ampitàna hoe “Ny faravodilanitra no valamparihiko” raha ny fikatsahana ny Maha-Olona no resahana.

Mikoriana avy amin’izay, ito hevitra manaraka ito. Fiaraha-monina ? Fahazotoana mifandray amin’ny hafa, mifanerasera, mifanakalo, mifanampy, mifanohana, … Izany no tokony velarina eo amin’ny mpiara-belona mba ampirindra ampiadanana ny fiarahamonina.

Antenaiko ho tsinjo ao amin’io famaritana tsotsotra io fa zava-dehibe ho antsika ny antsoina hoe “action volontaire”, finiavana manatanteraka antsitra-po.

Maro ny mimenomenona hoe ny tena olana eto amintsika dia ny toe-tsaina sy ny tokony hanatsaràna azy. Ny ahatongavana malakilaky amin’izay no anton’izao famelabelarana tsotsotra izao.:
-      Koloina ankahavitrihana ny mahaolona ny tena.
-      Adidin’ny mpitondra ny mijoro ho ohatra velona voalohany amin’izany. Natao ho tahafina ny mpitantana. Tokony efainy ampahamendrehana tanteraka izany ho zohin’ny daholobe.

Mikasika ilay fanafohizan-teny “ @ “ ? Voaray, tompoko, ampiharina avy hatrany manomboka izao.

Mitovy koa ny hevitra mikasika ilay fonjan-teny iombonana: “tanin-taranaka”.

Ny zavatra tsy hita ao anatin’ny hevitra tian’ny FAMà ampitaina ihany koa dia ny toetra sy toeran’ny Repoblika. Fanontaniana kidaladala ihany ny ahy fa ny satan’ny Repoblika ve no hampanjakaina sa ny satan’ny kolontsaina?

Mikasika ny Repoblika dia ny Lalàmpanorenana no mamaritra izay tokony hajain’ny mpitondra amin’ny antsakany sy andavany.

Ny jery pôlitika miompana amin’ny kolontsaina dia ho velarina ampahatanjaka hatrany ny Repoblika.

Ampahatsiahiviko rahateo fa ny FANABEAZANA, amin’ny endrika sy fomba sahaza ny fanazariana mahaolona anie, no miantoka ny kolontsaina ambarantsika ê.

Eo ihany koa ny hoe ny Fitondrana (Etat) ve izany mifolaka amin’ny maha-olona/mahaolona (§ 1.4 PRINCIPE POLITIQUE)?

Ny Maha-Olona no enti-mitrotro ny Fitondrana, ivelaran’ny mahaolona ho an’ny tsirairay. Fototra iorenana izany. Miainga avy eo avokoa ny rehetra, fiatrehana ny kolikoly, sns.

Soatoavina mitsilo ny fanatanteraham-pitondrana ny Maha-Olona. Manaja an’io ny mpitondra ? Mirindra avokoa ny raharaha satria mby ny fanambinana.

Jery kristianina no indramina ? Fifehezan-tena amin’ny alàlan’ny finoana, fanantenana sy fitiavana no ilofosan’ny mpitondra. Fanambinana no vokatr’izay. Isaky ny miezaka manambina ny hafa dia ambinina ho an’ny tena, toa kindriandriana. Fifanambinana lalandava no mahamamy ny fiarahamonina.

Jery Malagasy no itaràfana ? Mifanojo tanteraka amin’io jery io ilay hoe “Manazary”, ho antsika Malagasy. Rehefa mijoro ho mpanazary ara-bakiteny ny mpitondra dia tafajoro ho mpanazary avokoa izay mazoto manefi-tena rehetra eo anivon’ny firenena.

Mihatsara ny toe-tsaina araka ny irariantsika azy.

Mipetraka ihany koa noho izany ny momba ny mpitakamangampirenena ny amin’ny lanjan’ny hevitra izay mety avoakany ary indrindraindra koa ny fomba fiasany.

Fantatra fa mampahalailay io tolokevitra io. Saingy tena ilaina io ara-piaraha-monina, hampandry fehizay ny tany sy ny fanjakana. Dingana fototra io raha vao fampihavanam-pirenena no katsahana.

Ankoatra izay, ny Mpitakazomangampirenena no tahiry voalohany raha fitantanam-panjakana no resahana. Indrindra ny mikasika ny fifandraisana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Samy nanana ny niandaniany avy izy ireo. Sarobidy ny torohay mikasika izany amin’izao vaninandro mahasaro-pady ny “géopolitique” izao.

Ny famaritana ny fomba fiasa amin’ny maha-komity filankevitra azy ireo kosa dia ho tomorintsika akaiky rehefa mby an-dakan’ny fitantanana, ny tongotra. Na izany aza, omanintsika dieny izao ny fepetra fototra ho an’izany. Marindrano, tompoko, ny voalazanao.

Izany rehetra izany raha mamaky ny ambaindain’ny zavatra voalazan’ny FAMà dia tsy mifanaraka mihitsy amin’ny Lalàm-panorenana faha III ary tsy mifandraika amin’ny Raiamandreny voalazanny Lalàm-panorena faha IV nataon’ny HAT.

Tsy maintsy izay Lalàmpanorenana ampelan--tànana aloha no hiangàna. Raha io fahabingobingoan’ny Lalàmpanorenana farany teo io no zahana ? Ilaina ny fanatsaràna. Fanitsiana fotsiny sa handilatra an’izay ? Ny hevitry ny maro mahataka-davitra koa ifampieràna mialoha izany rehefa eo an-toerana ny tena.

Ny resaka fiaraha-monina sy toe-karena dia miankina amin’ny hevitra fototry ny FAMà, ka rehefa mazava tsara ny dikan’ny hoe maha-olona/mahaolona ao anatin’ny sehatry ny teo-karena dia inoana fa afaka manomboka ny dinidinika rehetra. Amin’ny teny baiko dia hoe « système social » ve sa « libéral » ny firehan-kevitry ny FAMà.

« Humaniste » ny FAMà. Mirona « ankavia - de gauche ».

Tsy maintsy katsahana ny elanelam-panahy, tery omby ririnina. Ny toe-karena no mamahana kibo.

Noho izany, tsy maintsy amafisina ny fandraharahana eto antoerana. Mila risika matanjaka avy amin’ny Fanjakana ny mpandraharaha mba ivelarany malalaka eo amin’ny tsena anatiny sy ivelany. 

Fampiharana fepetra mazava eo amin’ireto lafiny ireto, ohatra, no dikan’izany: fanabeazam-boa ny mahaolona, fahaiza-mitantana, fampiteraham-bola, fampitoboam-pahaizana, fampitaovam-pamokarana, sns.

Fampitomboan-karena – “Profit” - no antom-pisian’ny fandraharahàna.

Fampivoarana toe-piainana – “Mieux-vivre” - no antom-pisian’ny Fanjakana.

Noho izany, isahiranana manokana ny faninjaràn-karena, amam-panànana, ara-drariny: “redistribution équitable des ressources”.

Tsinjovina manokana ny fifamelomana eo amin’ny mpamatsy vola sy ny mpandraharaha.
Toa izany koa ny samy mpandraharaha: mpamorona sy mpamokatra, mpamokatra sy mpivarotra, mpivarotra sy mpanjifa.

Izay no tontosa ? Mitombo an-toerana ny harena satria mihanaka isaky ny mifandimby tànana.

Sarotiny koa isika mikasika ny fiahiana ara-drariny izay ananantsika rehetra na herimbatanolona, na vola, na tany, na vokatra, sns. Indrindra manoloana ny mpanao ampihimamba, na vahiny na teratany.

Adidy masina ho an’ny Fanjakana izany.
Ary miantoka ny fahatanjahany.

Mazava ho azy. Anoloan’ny toe-javatra iharetantsika ankehitriny dia Mpanohitra marindrano ny FAMà.

Mandeha tokana, sahalain’Andriamanitra, ny FAMà hatreto. Mahaleo-tena tanteraka. Tsy miandàny na amin’iza, na amin’iza, na atsy na aroa. Fiomanana ho Filohampirenena ho an’I FAMà no  fanefitra. Dia izay.


Ny rongony, hoy ianao ?

Rano raraka tsy azo raofina. Tsy misy tsy diso, hoy Ny Antsaly, f’izay mivari-lavo no adala indrindra. Fahiny izany. Efa navalona antsitra-po.

Fady, tompoko, ny rongony. Indrindra fa ny midoroka azy imasom-bahoaka. Indrindra indrindra fa ny mivarotra azy, mandrisika ny hafa hifoka.

Ny fampiharana ny Lalàna, tompoko, tsy hananan-kavana.

Ny lohalaharan’ny kiady mpitatao an-doloha ny Lalàna dia ny Filohampirenena. Sady mpitily no vodifahatra.


Mankasitraka indrindra, tompoko, nisahirana nanadihady satria samy te-hanana ny tsara isika mianakavy.

VAHÖMBEY

FAMà – FAnambinana MAdagasikara.


Aucun commentaire: