mercredi 27 janvier 2016

Kiranyl # 05. KOTA NZE – Fanjava bory

Diavolana, fanjava bory. Hatrany ananonanona any, vely amponga sarihan-tsiokan’ny alina. Ito indray ilay helikôptera mpihaodihaody antampon-doha. Sady mandondona no miraondràona. Sady mandolo no mitily kivorivory ?

Diavolana, fanjava bory. Ambany foto-manga. Mitsinjo lanitra tony. Làsalàsa ambiroa. Vetsovetso mampandotso eritreritra kaperotra. Mampievaeva fo. Mampite-ahare mozika. Akipy ny maso. Te-haneno ny faràra. Ampanenoina moramora.


Tonga ho azy ireo feonkira, teraka eo no eo, ho adino rahampitso. Injao mitambolona, feo mozika tamin’ny taona enimpolo. Fony fahazaza. Mafilotra ery ny mitsoka azy samirery... Rehefa toa izao. Manirery: “Il silenzio” – « Bonsoir, mon amour. » (1)



" Il silenzio "

Mangingina ny alina. Efa hatry ny tontolo andro. Zara raha nisy singan’olona. Na ny mpianatra aza, nampodiana avokoa. Izay voatery nivoaka, nikoropadropaka maraina. Vao tamin’ny 10, nimpirina an-trano avokoa. Na nitampify tany ho any. Iny antoantoandro iny, nivoaka ofisialy ny valim-pifidianana filohampirenena fiodinana voalohany. Andriamatoa isany Anicet Georges Dologuélé sy Faustin Archange Touadéra no avo tomban’isa indrindra.

Nahiana mafy ny fisian’ny korontana avy amin’ireo kandidà 28 nihintsana an-daharana. Saingy hatramizao anoratana izao, tonitony ny tanàna. Eny na dia nofoanana avokoa aza ny valimpifidianana solombavambahoaka. Tafahoatra loatra, hono, ny hosokosoka sy halabato. Ny an’ny filohampirenena no nankatoavin’ny fahefana mahefa. Ny an’ny solombavambahoaka, nampiarahana taminy, ho averina hatramin’ny fifidianana.

Tomefy miaramila hatrany anelankelan-dàlambe. Tsy mbola nambenana toa izany ny teto an-tampontanàna, hoy ny tompontany. Izay aleha irodorodoan’ny fiara mifono vy. Izay diavina, ivandravandràn’ny mpirongo fiadiana. Zandary, pôlisy, miaramilam-panjakana. Tafika mpisatromanga miampy ny an’ny frantsay. Milamina i Bangui hatreto. Toa milamina hafahafa. Mahakaodikaody sao mikotrika inona indray, hoy ireo tompontany. Sanatria ihantonàn-doza lalandava.

Raha mandry, tsy lavo loha. Mandraharàha ivelan’ny trano, mailo dia mailo tokoa. Mila mivonona hatrany. Manao fanazaràn-tena sesilany. Ampirihatina ny vatana. Ranitina ny “mental”. Taizataizàna ny fo. Safosafoina ny ati-fanahy. Fitiavana no masahana an-doha. Soa fa misy ny “La vie des Maîtres” nosoratan’i Baird T. Spalding, filan-kevitra isan’andro


" Warrior in a garden "
Ny faritra ivelan’i Bangui, sarotsarotra ahitàna mangirana. Midadasika i Centrafrique. Ankoatra ireo andiam-mpampihorohoro mpampisafotofoto ady an-trano, eo koa ireo mpihoko hatrany Ouganda, Tchad, Soudan, Congo. Mirenireny anebakeban-tany ireny. Mandroba, manolana, mamono sy mandripaka tanàna. Hatramin’ny trano fiangonana, relijiozy lahy sy vavy, no ataony lasibatra.

Andian-jiolahy isan-karazany mirongo fiadiana mahery vaika. Mampitondra faisana izay ifanenany. Tsy ananany hantra. Mersenera mpanao antsojay izay rehetra vokarin’ny mponina: volamena, vatosoa, sakafo an-tsompitra, akoho amam-borona, … N’inon’inona robainy. N’inon’inona bedainy. Ny tovolahy gejainy ho boto faniraka. Ny vehivavy vetainy ho vadivady mpanompo. Ny antitra, firainy. Taperiny aina eo no eo.

Manao izay afany ny miaramila mpisatromangan'ny Firenena Mikambana. E-e-e ! Mandamoaka lava. Izay ho mpitondra firenena atsy ho atsy no antenaina hampandry fahalemana. 

Ankehitriny, ireo miaramila mpisatromanga no hany hary fitaovana ihazàna jiolahy. Vahiny loatra koa mitaveravera. Ampirihatin’ny sangodim-panin'ny mpiady anaty akata rehefa tsy miempoka manao masobe tsy mahita tsotra izao.

Nohon’ny fifandrafian’ny mpifanongàm-panjakana teo aloha, mbola marefo dia marefo ny tafika tompontany . Iharan’ny antsojay avy amin’ny Firenena Mikambana. Voaràra vatsim-pitaovampiadiana hatramizao. 

Saingy ankilan’izay, tofoka sy leo Firenena Mikambana ny sarambabem-bahoaka. Manompa ankiharihary raha vao mahita azireo mandalo. Ireo Forces Armées Centrafricaines – FACA – no hany atokisan’ny mponina hoe hahafehy toe-draharàha. Ireo no mahita ny hirika rehetra, mahavita mihaza lambo hatrany ankodahoda rehetra any. Saingy atao akory ? 

Hatramizao, ny fikambanambe iraisampirenena, poretin’ny fanjakana frantsay, no mandidy sy manapaka. Ny Fitondrana Tetezamita, boloky saribakoly, tompony mangataka atiny, angady mondro tsy mahatapaka ahitra.

Hoy ilay zandary tompontany: 

“Nahatràtra fitaovam-padiana iray kamiô izahay tany Berbérati. Araka ny fepetra ankehitriny, voatery natolotray ny tafika frantsay. Soa fa noraisinay avokoa ny “numéro de série”. Taty afarafara, nahavaky lefa andian-jiolahy izahay tany Bambari. Very basy an-dàlana ry jiolahy rehefa nododoanay. Nozahanay. Hay mbola ireo basy efa natolotray ny frantsay. Porofo tohaka an-tenda ny “numéro de série”. Ampahafantaro izao tontolo izao re, ramose, ny mahavoretra ity raharàha ity !”

Fahita etsy sy eroa, ambanimbanian’ny vahiny mihambo ho manam-pahaizana amam-pahalalàna ny tompontany. Ohatra akaiky, ny fieboebon’ny miaramila frantsay mpisotro ronono, mpampianatra ny “Laoniny” ho fitandrovam-pahalemana. Adinon’ireo “mpampianatra” ireo hoe nobeazin-drazany ho mpianady anie ireo ihamboany ho “mpianany”, folahany ara-miaramila ireo ê.

Hafa ny mpianady. Hafa ny miaramila. Tevana no manasaraka an’ireo. Tevana ilaina dinganina ara-kolontsaina. Fahasamihafàna ilaina aravina ara-kolontsaina. Teknika maoderina sy teknolojia avo lenta ny an’ny miaramila. Fahaiza-manao nentim-paharazana sy talenta mahafehy zava-mahagàga ny an’ny mpianady.

Zahao moa ity ohatra malaza aty Bangui ity ê ! 

Rehefa nifampitady tamin’ny djihadista - Boko Haram ny teto antampon-tanàna, antsy lava lela no hany teny an-tànana. Rehefa mafy ny ady, nanirahan-dry zareo andian-tantely romotra ny fahavalony ! Vaky lefa ny djihadista - Boko Haram nofahanan’ny tandrefana vola sy fitaovana avo lenta !!

Tamin’ny sabotsy lasa teo, niharihary ny maha-mpianady ny tompon-tany. Andrarezin’ny mpikatroka haiady no nindaosin’ny fahafatesana nohon’ny aretina. Folaka andry niankinana ny FECKAMA.


Biographie sportive OUAÏNA Senseï
Karatéka ampolony. Tepana mainty. Samy nanao fanamiana. Equipe nationale. Ireo no nikarakàra ny fihaingan’ny vata-mangatsiaka hatrany amin’ny hôpitaly. Nentina tany andakoron-dreniny. Natao ny fomban-tany amam-piarahamonina. Nihavory lanona ny karatéka. Zato isa.

Tonga niondrika am-panajàna, nanome voninahitra ny raiamandreny Fidèle Gouandjika: isan’ireo karatéka afrikana tompondaka europeana voalohany, nisolo tena an’i Roumanie tamin’ny taona 80 – Filoha tranainy Union des Fédérations d'Afrique de Karaté - Mpanorina ny FECKAMA – Kandidà filohan’ny Repoblika in-3 nifanesy.

Rehefa tontosa ny teo an-toerana, nafindra lasy tany andakoron-drainy ny razana. Vao mainka nihamaro ny mpanotrona. Tomefy karatéka ny toerana. Ny federasiona no niantsoroka sy nitantana ny arifenitra fanomezam-boninahitra ny lasàn-ko razana.

Nahavariana ny fahaizan-dry zareo nandrary ny fomba amam-panao. Andaniny, ny ara-drazana ho an’ny taranaka mpianady hatry ny fahagola. Ankilany, ny an’ny mpikatroka haiady japoney nahay niaina ampahamendrehana.

Manan-ko tsakotsakoina ilay Malagasy mpiara-mikatroka amin’ny karatéka centrafricains.

Igor Wilfrid OUAÏNA, Senseï.

Arigato gozaï mashita.

OSU.


Igor Wilfrid OUAÏNA, Senseï 5ème dan

Tantely amam-bahona ny fiainana.

“Zo kwé zo”. Samby ôlômbelo jiaby.

Kiranyl, Bangui-RCA 27 janoary 2016.



(1) Nini Rosso “Il Silenzio”:

https://www.youtube.com/watch?v=ksjj8J4e2LA

Aucun commentaire: