mardi 2 février 2016

Kiranyl # 06. ZO KWE ZO – Samby ôlômbelo jiaby.

Mahalasa saina mihitsy aty antanin’olona aty. Mampandinika hasarotam-piainana sy fomba fiatrehan’ny mponina an’izany. 

Lafiny fandriampahalemana andavanandro. 

Misy “cabaret” fitendren’ny mpanan-talenta isak'alahady. Andao ho any, hoy ny namana, raha vao malalaka ianao. Raikitra. Nitsotsotra ny alahady tolakandro. Tamin’ny 6 hariva vao nikasa hiomankomana. Nigadona ny tamin’ny 2 sy sasany. Gaga ireo namana tonga naka ny tena.
- “F’angà ianao tsy handeha indray ?
- Ahoana aho no tsy handeha ? Fa hanao lasiesta aho aloha satria migaina loatra ny andro kouh ! 
- O ramose â. Amin’ny 3 tolakandro anie no manomboka ny "cabaret" ê. Tapitra amin’ny 6 sy sasany.

Oadray ! Hay ‘ty hoe “cabaret”, ... Tolakandro fa tsy takariva. Tsy misy fiainana takariva izany aty. Matahotra ny olona.

Mifanerasera amin’ny sarambabem-bahoaka ny tena satria fampianarana no anisan’ny isahiranana. Fifanomezan-tànana ao amin’ny Département d’anthropologie – Université Bangui. Zana-bahoaka no ankamaroan’ny mpianatra. Raha ampitahaina ny toe-piainana, mbola miadana mihitsy ny any Madagasikara. Na ny mpampianatra, na ny mpianatra. Ho resahana kokoa izay mikasika an’iny, any afarafara any.

Fampianarana ihany. Fiaraha-misalahy amin’ny Fédération Centrafricaine de Karaté et Arts Martiaux Affinitaires – FECKAMA. Sondriana ireo ceintures noires atoro pitsopitsony tsy mbola nampahafantarina azy ireo. Mpitranga moa izany, na aiza na aiza, isaky ny misy mpampianatra vahiny mandalo. Raikitra ny fanazaràn-tena. Mihena an-daharana ny mpikatroka. Mamonjy manao seiza eny amin’ny sisiny. Maka aina mijery fotsiny dia miakatra tatami indray. Zara raha nisy ampahatelony sisa no nahatozo entraînement fédéral hatramin’ny farany. Nony nirava, nanontaniana hoe naninona ireto karatéka no tsy naharaka “rythme” toa io ?

Oadray ! Hay ry zareo tena zara raha mihinan-kanina isanandro. Izay manan-kely mifampizara amin'ny havany tsy manana mihitsy. Nohon’ny tsy fandriampahalemana, sarotra tadiavina ny hanina. Ary rehefa ahitàna, lafo dia lafo. Avo-5 heny raha oharina amin’ny any Madagasikara ny vidin-javatra rehetra.

Tena mbola miadànkadana mihitsy ny ao Madagasikara ao raha oharina amin’ny aty izay fadiranovana tokoa. Koa maninona ny Malagasy no toa bibilava manaiki-drambo toa io ?


Faharoa hatrao amin'ny ankavanana: Lidier Zara, senseï. Isan'ireo tranainy.
Raha lafiny ara-tantaran’i Madagasikara, isan’ny tena mahalasa saina mihitsy ny hoe : « Naninona ny japoney no nahatafita ny « ère meiji  ~ 1868 » ? Isika kosa tamin’io vanim-potoana io no namotsotra sakeli-dàlana tokony nahatafavoaka antsika ? »

Mety ho anisan'ny antony, ny faharotehan’ny « maha-mpianady ara-dràzana » tao amin’ny kolontsaintsika Malagasy.

Angamba noteren’ny mpanjaka Radama I hivoatra nalaky loatra ho miaramila ny tafika ? Zahao ny tantara fa nampikaikaiky nanerana an’Imerina ny fanaboriana randrana ny lehilahy mpianady ara-dràzana. Mampiranga Hasina ny taovolo antampon-doha. Sanatria tsy hajejoana fotsiny akory. Ohatra ampotomoto: ny volon’i Salomona ao amin’ny Baiboly. Azo atao lahasa fikarohana mihitsy io taovolo io ho an’ny anthropologue – mpandinika ny mahaolona anivom-piarahamonina.

Mety ho antony hafa koa. Niha-natsatso ny Hasim-panjaka taorian-dRanavalona I.

Nanao izay afany ny Praiministra Rainilaiarivony ary sahy namaky ady nazava tamin’ny mpitondra frantsay mihitsy nony tratry ny an-tery. Indrisy, saobakàka ambody riana. Miaramila mbola nikaviavia no teo ambany fiadidiany. Tsy mpianady ara-dràzana intsony nefa ara-lôjika miaramila, angamba zazavao loatra. Ny fampitaovana rahateo nampahory, tsy nahasehaka ny an’ny mpanjanantany. Ny toe-tsaina mantamanta, tsy ambony tsy ambany. Sarotra omen-tsiny. Nangozohozo Hasina. Ny tanjaka ara-tafika, lamaody tandrefana, vao nianarana ho fehezina. Tsy an-tany, tsy amparafara. Tena sarotra dia sarotra omen-tsiny !

Midigin-drambo ny tantara ofisialy. Nahatafatsangana tafika toa ny an-dr’i Napoléon, hono, ny tao Imerina. Fivoarana ara-teknika sy teknolôjika avo lenta. Niampy paikady raitra dia raitra. Ny toe-pisaina sy toe-piaina nanàra-davahana fanao tandrefana. Afaka namolapolaka izay noraràfany raha samy Malagasy no nifampikatroka. Saingy tsy nahovoka kosa nony nifaninana tamin’ny mpanafika vahiny. Nitafy lamba imason’ny tompony ? Henatra no nentina nody. Faharesena no vokany.

Vitsy ny tantara sahy milaza hoe ny ady miaramila fanitaram-panjakana merina anie ka ankandripaka an-jambany tamin’ny tafondro ê. Ankamahana Malagasy samy Malagasy ambin-kanin’alika tany amin'ny faritra tiany nozanahana. Nanota Hasin’Olona. Tsiny aman-tody: very Hasina koa.

Ny ara-miaramila vao nizàrana, tsy voafehy akory. Ny Hasina maha-mpianady ara-dràzana, votsotra sy very an-javona ! Tsara dia tsara ny nahay namaky teny sy nanoratra latin – grec ancien. Saingy naninona no natao anjorombala ny Fanorona ? Mifono zava-dalina anie io Fanorona io ê. Tsara dia tsara ny nianatra Soratra Masina. Saingy naninona no nenjehina ny fahaiza-manandro sy mitetika rohotany ?

Sady voazanaka hatrany amin'ny zanak'atidohany Ra-Malagasy no very Hasina nentim-paharazana.

Ampahany amin'ny ekipa nasionalin'i RCA
Izao ny vokany. Io menomenondava manerana facebook io. F’angà hisy sahy hitsangana eo ? Izay sahy nanao izany samirery tsy ankiandiandry n'iza n'iza intsony, eso sy ompa ary fanivaivàna no nasetry azy. Hay vakiana bantsilana izany satria nandraman'ny tena mihitsy in-3 nifanesy tao anatin'ny 13 taona: 2002 - 2013 - 2015. Akory atao ? 

Mantamanta vava saingy mavozo banja malalaka ho an'ny fanorolahy ny ankamaroan-dra-Malagasy nahatety sekolim-bazaha. Raha karajia sy kajikajy "théorie" dia mahay. Raha hamoritra tànan’akanjo, … Hamaray, hamaray avao ! Hamaray mbô day !!

Azo ifanomezan-tsiny ve izany ?

Ny miaramila mpanjanatany nahalemy loha andra-Malagasy hatramizao. Vao mandrahona ny mpisalotra fanamiana mitàm-basy dia “Ento aho, ra-tongotro !”. Na rariny, na tsy rariny. Na marina, na tsy marina. Ra-miaramila rahateo moa… Miaramila ê ! Baiko dia baiko. Tsy novolavolaina hisaina ao anaty “casque tsara tarehy. O ! Ra-miaramila ô”, hoy ilay hira malaza. Naha-kiriana 1972. Naha-ontsa 1991. Naha-monamonaina 2002. Naha-rikoriko 2009.

Izay tompon’ny vola no mahakarama miaramila anonganàm-panjakana. Mialoha ny aha-voahongana indray, dimbiasan'izay mahakarama miaramila bebe kokoa. Demokrasia afrikana no fetra ! Azo inoana fa maro an’isa ny miaramila manam-panahy saingy “La grande muette” no fiantso azy koa akory atao ? Tsy hay atao safobe mantsina.

Ny ray aman-dreny leom-boanànana hatramin’ny 1972 tsy maintsy handràra ny taranany tsy hitonantonana hanao 2009 bis eo indray. Sarotra kiniana.

Hoy rahateo ilay mpandinika izay, raha heverina ho mpifindra monina hatrany amin’ny firenen-kafa ny ankamaroan’ny razambentsika Malagasy. Mpitsoa-ponenana satria mpilefa poriporitra hatrany amin’ny nisy azy tany. Sady fatritra mpandà fifehezam-piarahamonina no kanosa tsy nahatohitra didy jadona. Vao sendra fahasahiranana, avy hatrany dia nilefa taty Madagasikara, tany malemy nanorenam-pangady.

Raha mpaka tombony amin'ny takalo an-tsena fotsiny, tsy mba mpifofotra ara-pamokarana sy ara-mpamoronana, no ankamaroan’ny razantsika dia ho gaga ve isika raha toa antsika izao no taranany ? Mpi-bizina tia kely sady mpitily kitapo latsaka. Mpimenomenona amin’ny tsy rariny saingy kanosa velona tsy hanohitra imasoimaso velively. 

Niampy fandemen-tsain’ny fanjanahantany dia io izy io. Io ny sarintsika. Io miboridana io. Ny sangany indrindra amintsika, satria izay fositra indrindra amintsika, no atsangantsika ho mpitondra antsika. Io izy io. Isan-karazany. Telo lahy izy nifandimby teo, hatry ny taona 2002.

Raha sanatria misy fahamarinany izany, … Tongombakivaky ! Sady maharary no mahamenatra.

Ankavanana, raha jerena ny sary: Eric N'daos, senseï.
Fehiny, naleo mihitsy aloha nitazan-davitra ilay tanindrazana malala, mandritra ny fotoana voafetra. Mitady fanàfana enti-manarina azy. Osa nohon’ny Malagasy angamba ny Centrafricains. Saingy nahatohitra Boko Haram saika hanao ampihimamba ny renivohim-pireneny. Raha tsy nahatahiry sy nahavelombelona ny maha-mpianady ara-dràzana azy ry zareo, efa vita ny tantarany ohatr'izay.

Nihoaran’ny japoney isika hatry ny ère meiji ~1868. Satria mahakolokolo toe-batana, toe-tsaina, toe-po amam-panahy, mpianady ara-dràzana ny japoney hatramizao: “Bushido” (1).
Isika Malagasy kosa, … Tsia.

Noverezin’ny japoney isika mandrak’ankehitriny. Voakajin’ny japoney ny Hasina mahaolona azy: shintoïsme – bouddhisme – confucianisme. Tsy voalevon’izay fisainam-bahiny.
Isika Malagasy kosa, … Tsia.

F’angà vitan’izany ?

Ny ankamaroantsika Malagasy, manambanimbany Afrikana. Eny, na misy bantu sy Swahili aza ny fitenin-drenintsika. Aleontsika, raha samy hisafidy, mitonontena ho hatrany Asia. Antony ? Sady asiatika isika no afrikana. Na sady TSY asiatika no TSY afrikana. Satria isika Malagasy.

Tena mino tokoa ra-Kiranyl hoe tany masina i Madagasikara. Hanana ny maha-izy atsy ho atsy.

Ankehitriny, miaiky koa ra-Kiranyl hoe mifono dika lalim-pàka ny nambaran’ny Pape François taty RCA tamin’ny 29 novambra 2015: “Bangui no Centre spirituel du monde manomboka izao.” Isan’ny tampony amin’ny initiés en doctrine hermétique ny olombe toa an’io raiamandrenibe io. Matoa izy nanambara niezinezina an'izany taty RCA, Coeur de l’Afrique ? Ao ràha !

Tena mino koa ra-Kiranyl hoe tany masina i Madagasikara. Ho mpisava làlana mihitsy atsy ho atsy.

Ankehitriny, miaiky koa ra-Kiranyl hoe ny fiaraha-mironàn’ny firenena afrikana rehetra no hampatanjaka an’i Afrika izay kontinanta manan-karena indrindra manerana an’izao tontolo izao. Tafavoaka i Afrika ? Tafaporitsaka i Madagasikara.

Tsy ankanindrahindra na iza na iza. Tsy ankanosompotaka na iza na iza. Samy manana ny badraodrany sy ny ondrakondrafany ary ny amboalambony ny firenena rehetra. Na Afrikana io. Na Malagasy. Samy manana kiady avokoa. Samy manana mpianady ara-dràzana ihany koa.

Manokatra fisainana sy mampanitatra jery ny fifampidinihana amin’ny karazana afrikana mainty hoditra aty RCA. Nohon’ny toe-draharàha aty, feno karazana Afrikana aty izay miasa ho an’ny Nations Unies. Ankoatra ny centrafricains teratany, misy camerounais, rwandais, burundais, congolais, sénégalais, togolais, gabonais, burkinabe, ivoiriens, maliens, sns.

Samy miara-manonofy sy miady avokoa ireo rehetra ireo eo amin’ny sehatra misy azy avy. Fonctionnaires internationaux, militaires, experts, … Miandràndra ilay Afrika vaovao. Hivoitra hatreto amin’ny République Centrafricaine.

Mpampianatra.
Lasa saina...

“Aiza ho aiza Ra-Malagasy amin’izany Afrika vaovao izany ?
Ny Malagasy anie, aty Afrika, ka malaza ho avanana sy kinga tokoa ê !
N’inon’inona anton-draharahany, vao manoka-bava… Mangina ny rehetra. Mihaino avokoa.”

Velom-panontanina ilay philosophe – mpandinika ny mahaolona.

Aleony aloha mianatra amin’ireo izay efa nahatohitra Boko Haram.

Ito fikambanan-tsilamo sàdasàda mahery vaika ito no fitaovam-baovaon’ny mpanjanantany nentim-paharazana. Fahanany vola sy fitaovam-piadiana ny Boko Haram. Asainy manafika ny firenena tiany ampandohalihana. Rafitra ny ady an-trano. Tongavan’ny tafika ofisialiny mody hoe mpanelanelana. Saingy vao mainka mampisaritaka an-tsokosoko. Iantsoany Firenena Mikambana nony avy eo, "hiahy" izay tompontany apetrany ho kisarisarim-mpitàntampanjakana. Momoka sy rotika ilay firenena ampiharany izany tetika voretra izany. 

Kadoa ambony ampanga ? Ny "millions de dollars" tsy tambo isaina, lanilaniana mandritra izany rehetra izany dia trosa ho baben'izay mpitondra ho fidiam-bahoaka. Tsy maintsy faranana amin'ny fifidianana tsinona ilay fandrotehana satria "demokrasia" no soa toavina indraindraina. Sady potika ilay firenena no bokan-trosan' izay zara raha nisy potipotiny tonga ambilanin'ny sarambabem-bahoakany.

Toa izany no nitranga taty RCA. Antony: taona vitsivitsy izay, nahasahy nanao fandraharahàna ny mpitondra taty. Tamin’ny sinoa ho an’ny fitrandrahana pétrole. Tamin'ny afrikana tatsimo ho an’ny fitrandrahana uranium. Nitodika tamin'i BRICS ê (2). Nangahiahy ilay mpanjanatany nentim-paharazana. Valikitsany ? Nanirahany Boko Haram.

Ny fahatongavan’ny Pape François, izay nampitahorina sy noraràn’ilay mpanjanatany nentim-paharazana tsy hankaty, no nampamerin-daoniny tsikelikely ny toe-draharàha. Nanomanan’ny Firenena Mikambana papamobile ny Pape. Neken’io raiamandrenibe io izany saingy nodidiany tsy nasiana vitrage blindé ! Papamobile non-blindée !! Izany ka Finoana, tompokolahy sy tompokovavy !!!

Noho ireo voazava ireo, aleon-dra-Kiranyl mitsinjo vody andro ho merika. Aleony mianatra amin’izay efa nahavaky lefa ny Boko Haram. Raha sanatria savihan’io tsy mataho-tody io ny tanindrazany, hanan-katokona sy ho asetry izy.

Hanan-ko ampitaina amin’izay Malagasy mpianady vonon-kijoro ho lehilahy.

“It is better to be a warrior in a garden than to be a gardener in a war.”

Sary nindramina tany amin'ny tranonkala
Samia tena Andriamanitra, ry Malagasy mpianady ara-dràzana.

Kiranyl, Bangui-RCA 02 febroary 2016.




(2)     BRICS : Brazil – Russia – India – China – South Africa


Aucun commentaire: