jeudi 14 janvier 2016

Kiranyl # 04 : YE TI MAWA - Aza manao ratsy.

Io maraina io. Nifoha moramora. Tsikelikely toa ny mahazatra. Nisotro kafé faran’izay mahery. Tsy ankanisy siramamy na ronono ho fitandrovana ny fikorian-drà satria ny tena efa màkamàka taona ihany. 56 tsotra izao ! Làsalàsa saina. Mitsiahy izay niainana nandritra ny alin-torimaso, nandritra ny ambiroa niremby tany anebakeban-danitra.

Technique mnémonique fampiasan’ny Pythagoriciens (1) izany. Mialoha ny ho rendrika hatory, mitadidy antsipirihany izay niainana nandritra ny tontolo andro. Mialoha ny hifoha andraharahàna, mitsiahy izay niainana nandritra ny tontolo alina. Mampatsilo saina izay fanao izay. Mampiodina kokoa ny ati-doha. Mampifandrindra kokoa ny vatana sy ny ambiroa. Mampatanjaka zotom-po.

Teo ampifohazana, làsalàsa saina. Nitombina nitàn-takolaka. Nandalo ilay mpiray vodirindrina. Fa dia maninona, hoy izy, no mitàn-takolaka ? Ory sa malahelo ? Sokafy ny tànana fa aza atao toa io. Sady nitsiky izy no lasa nandeha. Tonga saina ny tena: “F’angà tokoa misy maha-ory ahy ?!”

Nandalo koa mpiray vodirindrina hafa indray. “ Bonjour ! Ca va ? » Tadidy tampoka ilay efa nambarany talohan’io hoe : « Toujours parfaitement ! ». Izay, hoy izy, no famaly. Mailaka tampoka ny tena. Sady nitsiky no niteny hoe: “Toujours parfaitement !”.

Toetra fahita amin’ny Centrafricains izay nifaneresaseràna hatramizao izany. Farafahakeliny, “Ca va bien” no valinteny rehefa anontaniana. Ahitsin-dry zareo avy hatrany raha vao mitonantonana miteny hoe tsy ça va eo ! Raha misy manahirana, efa aorian’ilay ça va bien vao resahana. Raha ilaina.

Lesona:

Toetra kojakojain’izay Centrafricains niharitra ngidin’ny afero izany.
Ho azy ireo: “Etre encore en vie pour pouvoir se dire bonjour est un miracle.» Izay no fanazavàna nomen’ilay vahiny mpiara-miaina amin’ny Centrafricains raha nanontaniana mikasika ilay fomba fifampiarahabàna. Noho izany, fadian-dry zareo mihitsy ny hamaly hoe « Ca ne va pas » na « Ca va mieux ». Mbola velon’aina soa aman-tsara mifanao « Bonjour » koa hoe tsy « Ca va bien » !?!


Bonjour ! Ca va ?

YE TI MAWA

Tena mampitsangam-bolo ny fandalovana fotsiny amin’ny toerana nitrangàn’ny habibiana taty. Raha karazan’olona “hyper sensible” toa an’i Kiranyl dia kaodikaody avy hatrany. Mampalaina ny mbola hiresaka an’izany. Efa voalaza tao amin’ireo lahatsoratra mialoha an’ito.

Efa milamindamin-dratsy ny eto antampon-tanàna na dia mifady fivezivezena maty masoandro aza ny mponina. Amin’ny 8 alina, efa mangingina ny arabe.

Omaly takariva. Tsy nahataitra an’iza n’iza intsony ny poa-basy nifanesisesy. Tsy naharitra i Kiranyl fa nony nitsahatra ilay izy dia nivoaka nanontany mpiray vodirindrina. “Poa-basy ilay teo ô ?” Sady mba mody tsy rototra firy.

F’angà naka sarotra akory ny valin-teny, hoy ianareo ?

“ Eisy ! Poa-basy madinika. Tatsy amoron’ny arabe tatsy iny. Angamba nisy jiolahy nanafika mpandeha tratra hariva. Rehefa hanendaka moto, na bisikileta, aza anie ry zalahy dia mampiasa basy ê. Mitsoaka ny tompom-panànana dia lasan-dry zalahy mora foana izay robainy. Mirifatra ry zalahy avy eo dia tsy hita. “Braqueurs” ireny ê. Tsy misy ahiana akory, tsy hankaty velively ireny. Izay tratra hariva an-dàlambe ihany no asiany.”

Mbola mitobaka izay tsizy ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Naparitaky ny mpampiady an-trano. Efa noresahana teto ihany koa ny mikasika an’iny koa aleo aloha atsahatra raha ho tantaraina fotsiny fa tsy mbola ho rasarasaina.

Jereo sy henoy moa ity hira malazan’i Losseba Ngoutiwa ity ê. Rakitra tantara niainana. Faran’izay mahonena. Mandranitra hambo ihany koa. Sady miteny Sango ilay tononkira no misy ampahany amin’ny fiteny frantsay. Mora takarina ny tiany ampitaina: 

“ Aza manao ratsy !” Yé Ti Mawa.

https://www.youtube.com/watch?v=aqx9rx7-dis



Le pays de BOGANDA

BOGANDA

Amin’ny 31 janoary ny fifidianana fihodinana faharoa ho Filohan’ny Repoblika aty Centrafrique. Enga anie hisongadina izay hentitra indrindra, hampirànga ny tanin-taranak'i Boganda.

Ny raiamandrenibe antsoina hoe Barthélémy BOGANDA (2) no tena toavin’ny olona aty. Mahasondriana ny tantarany. Izy no nifofotra ho an’ny fahaleovantenan’i RCA izay fiantson’ny mponina hoe “Le pays de Boganda”.

Goavana dia goavana ho an’ny fahafantarana ny tantaran’i Afrika nandritra ny fanjanahantany frantsay ny vakoka mikasika an’io andrarezina io. Voaramby anatin’izany tantara izany i Madagasikara.

Aleo tsy fintinina eto sao mampitanila jery. Azafady, zahao ito rohy ito ahafantarana ny andinindininy:


"Kékéréké !" 
Amin'ny manaraka indray, tompokolahy sy tompokovavy.
Samia tena Andriamanitra isika mianakavy.

KIRANYL – Bangui 14 janoary 2016


Toujours parfaitement !

(1)   L’école pythagoricienne est une école philosophique de l’Antiquité fondée par Pythagore (-580 à - 490). Elle dure neuf ou dix générations.

(2)     04 avril 1910 – 29 mars 1959


Aucun commentaire: