mercredi 6 juin 2012

Adigasin’i Kirijavola.




Kolontsaina sy kolo fanahy.

Miorina amin’Andriamanitra-Andriananaàry, Mpaàry tongotra aman-tànana, ny firafitry ny soatoavina ho an-draMalagasy. Na inona na inona fireham-pinoany sy endrika amam-pomba fanompoany ny Mpaàry. Hatramizay ka hatramizao izany. Ary ny singa isan-karazany azo itarafana ny kolontsainy (jery, serasera, fanao, fivelomana, sns.) dia mamahatra hatrany amin’ny kolo fanahy.

Andriamanitra-Andriananaàry no fototra ara-pirazanana na inona na inona fahasamihafàm-pihaviana sy firehana ary sata eo anivon’ny mpiara-belona. Ara-tetiharana dia Andriamanitra-Andriananaàry no loharanon’Aina. Izy no antendron’ambaratongan’ny razana niaviana. Noho izany, Izy no maha-mpihavana ny mpihavana.

Marihana fa ho an-draMalagasy, ankoatra ny fatoram-pihavanana ara-tetiharana dia mihatra koa ny antsoina hoe “ziva” izay mampiray donakafo ny mpifanila vodirindrina, mpiombon-tanàna, vohitra sy faritra ary Firenena.

Araka izany, mpihavana avokoa ny Malagasy manerana ny vazantany satria

1.     Andriamanitra-Andriananaàry no fototra maha-iray ny antanan-toha-tetiharana.

2.     Ireo samihafa tetiharana dia ny maha-mpiziva no enti-mandrary fihavanana.


Zoky sy raiamandreny ary maha-olona.

Ankoatra izay, ireto lafiny roa ireto koa no itoviana sy iraisana:

1.     Ny maha-olona ny tsirairay. Hoy ny mpikaroka fanta-daza Dzaovelo-Dzao Robert: olombelona – olombanona – olonkendry. Ireo no dingana lalovan’ny tsirairay maniry ho vanon-ko olona. Olona feno ny tena rehefa mahaorina laka ao anatin’ny tena ny maha-olona. Andriamanitra-Andriananaàry io maha-olona io.

2.     Ny fankatoavana ny zoky sy ny raiamandreny no mampirindra ny fiainam-piarahamonina. Nohon’ny fikoloany fanahy dia izy ireo no akaiky indrindra ny Mpaàry. Mitaky fahamendrehana ny maha-zoky sy ny maha-raiamandreny. Izay manatanteraka ny maha-olona azy no mendrika ny sata maha-zoky sy maha-raiamandreny.

Tsara ho fantatra fa tsy izay maty rehetra akory dia azo antsoina hoe lasan-ko razana.

Izay mantamanta sy kitoatoa fiaina, raha maty, dia iavonana sy akoraina. Irahana mihitsy aza hihady vomanga satria tsy ahavita hitahy velively. Iza koa no haka tahaka izay tsy valahara fony fahavelony ? Sanatria anie izany.

Ireo izay vanon-ko olona nandritra ny fiainany an-tany, raha maty, dia asandratra ho razana. Mety mihoatra an’izay mihitsy aza ! Hasinina ho razana mitsinjo satria dieny tety an-tany dia efa vanon-ko olona. Hany ka azo itokiana hiahy ny taranaka hatrany, any ankoatra iririavany any.

Demokrasia ara-adigasy ?

Raha tarafina amin’izay voalaza izay no isariana ny ambahandain’ny hoe demokrasia ara-adigasy dia toa izao ny sori-pisainana sy zotram-piainana tokony tozoin’ny isam-batanolona.

-         Ny fanetrehan-tena lalandava eo anatrehan’Andriamanitra-Andriananaàry.
-         Ny fahendrena aterak’izany fanetrehan-tena izany.
-         Ny fitandrovana ny taranaka fara-mandimby aterak’izay fahendrena izay.
-         Ny fitandreman-tena ho ohatra velona mendrika ho tahafin’ ny taranaka fara-mandimby.

Haja amam-boninahitra ny maha-zoky sy ny maha-raiamandreny. Ny fameloman’aina ny maha-olona no adidiny. Ny fandrafetana ny fihavanana no andraikiny.

Samy mbola ho zoky sy raiamandreny avokoa, rehefa mby ny fotoany, na iza na iza solofo dimbin’ny ala. Fepetra ilaina ?

Olombelona mitombo ho olombanona. Olombanona  miezaka ho olonkendry. Olonkendry manefy tena ho Olona. Rehefa vanon-ko olona ka miamboho indray andro ? Misandratra ho Razana.

Fehiny ?

-         Ny maha-olona.
-         Ny maha-mpihavana.
-         Ny maha-zoky sy ny maha-raiamandreny.

Tombondahiny mampiavaka antsika Malagasy ny fiorenan’ny kolontsaintsika amin’ireo maha-isika antsika ireo.

Koa hono, ho’aho, rey olona. Sao tokony tomorintsika akaiky ireo toko telo ireo ?

Sao ireo no lafikin’ny demokrasia ara-adigasy hahasoa hahatsara ny Malagasy eto Madagasikara ?


Antsirabe, 06 jona 2012.


PS: Afaka roa tokom-bolana dia higadona ny fankalazana ny fahaleovantenam-pirenena. Raha oharina amin'ny fiainan'olombelona dia ndeha atao hoe efa mipi-bolo sy mihasola toa ny mpanoratra izay nahita masoandro herintaona talohan'ny Fahaleovantena. Azo lazaina hoe manomboka ho matoy. 

Koa velona, tompokolahy sy tompokovavy, ny fanontaniana. Efa misy andrefesana mantsy izay tanety lava nisaintsainana izay.


Aucun commentaire: