dimanche 12 avril 2015

TSIPAK’OMBALAHY.

Mpitandro aina koa sarotim-pihavanana ny mpanazary. Aleony misoroka toa izay mitsabo. Dieny mbola fotoanany dia atsipiny ny teny. Tsipak’ombalahy. Mahavoa, mahafaty. Tsy mahavoa, mahafanina.

Anjara nofinidy sady natolo-bahoaka ny fitondrana firenena. Saropady. Ary raha andraikitra natolotra, nekena an-tsitrapo ihany koa fa tsy novozonana. Sarobidy.


Raiamandrenin’ny sarambabem-bahoaka, hono, ny mpitondra. Na mibolila aza itandritandremana toa mitaky trosa amin’andriana. Saingy ny anio ho vita ihany fa ny ampitso mila tsinjovina. Koa manao ombay làlana, raondriana, raha hanao teny tsy ankisorona ny mpanazary.


https://www.youtube.com/watch?v=10pUTObgIog

KERE

Nanao reportage ny tena tamin'ny 1991, fony mbola niasa tao amin’ny Radio-Madagasikara. Ny tatitra izay niainana sy hita maso ary nampangotsoka no nananganana dossier nikasika ny KERE tany Atsimo. Ny Programme Alimentaire Mondial no niantoka ny kojakoja nanatontosana io reportage radiophonique io.

Dokotera nomen'ny mponina tany solon'anarana hoe "Rambô" no niandraikitra ny lahasa makadiry ho an'ny PAM tany Ambovombe tamin'izany fotoana izany.

Natolotra nivantana an'Andriamatoa José Bronfman – tomponandraikitrin’ny Banque Mondiale tamin’izany fotoana - sy ny Praiministra Razanamasy io dossier io. Tafajoro ny Opération KERE SOS SUD. Voin-kava mahatratra sy tsipaipaika fa nahavita izay vitany nohon’ny tohivakam-pifanampian’ny nalala-tànana rehetra. Ankasitrahana ampahabe-maso eto avokoa izy ireo.

24 TAONA aty aoriana ! Mbola izao ihany ny zava-misy any Atsimo ! Kere, kere, kere !! Efa antsasa-manilan’ny mponina no tsy mahita arapaka. Efa raketa mena no ifandrohitana. Aza manody izany voatery mihinana voan-draketa mena ! Efa voatery nihinana ny tena, matoa mahalala. Aza manjo izany mahita maso zazakely tazonina aina amin’ny kily laroina tany ravo !


https://www.youtube.com/watch?v=10pUTObgIog

 TAVOZAVOZA

Mitavozavoza loatra avokoa, rehefa tsy mangala-pihinana vary sosoa andovian-jaza madinika, ny ankamaroan’ireo mpitondra ankehitriny eo anoloan'ny fahorian'ny Malagasy. Tsy ambanivolo, tsy antanàn-dehibe !

E koa ity antambo any Betroka ankehitriny ! Efa hatramin’ny 2011 Ingahy D’Gary no nanaitra ny sain’ny be sy ny maro mikasika io fifamonoana any Betroka io. Ankehitriny, vao mainka nihitatra. Mandoza !!

Ràn'olombelona ankehitriny no mijininika mamonto ity tany masina ity. Hanody ny tomponandraikitra isan-tsokajy io fa tsy ho vitavita mora foana. Fady ràn'olombelona ity MADAGASIKARA tanim-bazimba ity ! Indrindra nanomboka tamin'ny 19 febroary lasa teo.

Sao tsy hahadingana ny volana Jolay 2015 eo ireo mpitondra be kabary, mpitaribato vilam-bava ireo ! Efa niainga anie ny " Révolution Vazimba " ê.

Hamaivan’izireo loatra koa ny Hazolava isahiranan’ingahy Théo Rakotovao mikasika ny fandrotehana tsy ampiheverana ny Ala Mikéa. Mitahiry hasina tsy takatrin’ny marivo salosana anie io Ala Mikéa io, rey olona ê. Tsy ho leon’ny tsikalakalam-bola mandrakizay.

Hodian’izireo fanina ihany koa ny fanandevozana mianjady amin’ny tompontanin’i Horombe. Basy no arangarangan’ny mpivovon’ny misoratena ho mpandrafitra tetikasa goavana. Mitahiry ivon-drohotany isan’ny saropady indrindra eto amintsika io faritra io. Iaraha-mahalala izy izay.

Rahoviana ny mpanapaka eto amin’ity firenena ity vao hisaintsaina ny ankibon’ilay antso avon’ingahy Olombelo Ricky mikasika ny Kadasitr’i MADAGASIKARA ? Atsaharo, hoy io olobe io, ny fahazaran-dratsy mamoehatra “ Manjono anaty koveta “.

Sy ny sisa, sns. Rehefa mitsoaka fahoriana hatrany ambanivohitra lavitra andriana ny Malagasy tsy manam-piahy dia mifatratra any amin’ingahy Père Pedro ny ankamaroany. Sa koa io olon’ny fo io no vody fahatra fanilihana ny rihatra ateraky ny fitavozavozan’ny mpitondra fanjakana ?


https://www.youtube.com/watch?v=10pUTObgIog

TSIPAK’OMBALAHY

Teny atsipy izao ho an'ireo mbola itampifiam-panahy ihany, any antsefatsefan'ny fitondram-panjakana any. Efa voaisa ny fotoam-panapahan’izy rehetra rehetra ireo. Na inona haja iamboany, na inona voninahitra isalorany. 

Ary enga anie izireo tsy hampiasa herisetra rehefa kibokiboan'ny marina sy hianjadian'ny rariny. Izay mitonantonana mahalatsa-drà amin'ity tany ity, na mpitondra io na mpanohitra, ifoteran'antambo tsy misy hatakandro.

Tandremo ry mpitondra isan-tsokajiny ny tanjak'izao teny mipàka amin'ny tany aman-danitra izao. Teny iloaka ny vavan’ny vaky lela izao !

Efa niandoha tamin’ny 19 febroary teo ny “ Révolution Vazimba ”. Ary miha-miridana.

Manivana io ny tany. Mikororoka izao ny voaàry. 
Mampodia fanahy avokoa raha mbola mihevi-tena ho mpiankandrefam-baravarana ihany.

Manasa tànana iny Ikaky Ravaho, 
Mpanazary manokan-tena ho an'i MADAGASIKARA.


https://www.youtube.com/watch?v=10pUTObgIog

Aucun commentaire: