jeudi 7 mai 2015

VAZIMBA MITAKY FANDRIAMPAHALEMANA.

Marobe, efa mila tsy tambo ho isaina, ny fanaonao fahatany faran’izay tsy manjary ataon’ny mpitondra ny Fanjakana Malagasy sasany ankehitriny. Leferina avokoa izay azo leferina. Ary mbola tsofina rano aza izy ireo hampiarina izay mitongilana.

SAINGY !

Saingy ito kosa TSY HO LEFERINAY MIHITSY.


LAVINAY NY FANOMEZANA VAHANA NY KARAZANA SILAMO MAHERY VAIKA ETO AN-TANINDRAZANAY.

Lolohavinay an-tampon’ny loha ny haja atolotray ny rahalahy sy anabavy mpandala ny finoana sy fotopivavahana Silamo. Ny Silamo nahay niara-nonina tamin’ny besinimaro hatramizay ka nahay nifanaja tamin’ireo mpandala finoana hafa nohon’ny an-dry zareo.

Lolohavinay an-tampon’ny loha ny hafatra napetraky ny raiamandrenibe Ralitavaratra, Al Tawarath, isan’ny loharanom-pahendrena amam-pahalalàna maha-Vatomasy an’i Vatomasy.

Ankehitriny kosa ?

Omen’ny fanjakana vahana manokana ve ny fanorenana mosquée amin'arivo isa ?

Omen’ny fanjakana vahana AN-TSOKOSOKO ?

F’angà efa mahafeno ireo mosquée amin'arivo ireo ny havantsika Silamo eto an-toerana ?

Sa omanina ireo amin'arivo ireo anafarana silamo sadasada tsy fanta-pihaviana, na mody atao indray hoe tsy fanta-pihaviana ?

Dia hiazakazaka hitampify ao amin’ireo toeram-baovao ireo ka hihanaka toa ahi-dratsy ry zareo TSIVALAHARA MAHERY VAIKA ?

Hikotrika loza aman'antambo ao amin’ireo toerana ireo mandra-patanjaka azy ireo hanao ratsy toa ny fanaony manerana an’i Afrika, ohatra ?

Inona no loza aman’antambo manapotika ny firenen-kafa fa tsy io Mahery Vaika, Mahery Vaika io !?!

Fa efa maty eritreritra ve ireo mpitondra fanjakana sasany, tompoko ô ?!

Leo ny miaina angà ka hiompy bibidia romotra ao an-tokontany fiririavan’ny ankizy ?

Sa ry zareo mpamahana vola an’ireo Mahery Vaika ireo koa no namaham-bola nahatongavana teo amin’ny fitondram-panjakana koa tsy maintsy tompoina ankehitriny ?

Raha te-hanompo Mahery Vaika ianareo mpitondra fanjakana sasany ireo dia mialà an’i Madagasikara ary tompoy any amin’izay anomponareo azy any ny Mahery Vaikanareo fa tsy aty an-tanindrazanay ! 

Tanim-Bazimba i Madagasikara. Tany manan-jina. Tany fady rà.

Efa tafahoatra izay rà latsaka teto amin’ity tany masina ity izay.

Ho very faty eny amoron-dàlana ho ataon'ny mpandalo fiotàna sy fanariana maloto izay mpitondra fanjakana efa maty eritreritra ka ho rangory fototry ny afo eo !

Omena vahana eto ireo Mahery Vaika ireo dia higorodana eto koa ny tafika tandrefana hamaky ady amin-dry zareo !? 

Ny sarambabem-bahoaka Malagasy tsy manan-tsiny no ho voaporiporitra eto ?

Izany no tadiavin’ireo mpitondra fanjakana efa maty eritreritra ireo ahatongavana ?

Sa efa mpiray tsikombakomba amin’ny fanapotehana an’izao tontolo izao koa ireo mpitondra fanjakana ireo nohon’ny vola efa nohaniny tany amin-dry zareo mpamahana ny Mahery Vaika ?

Dia i Madagasikara no ilingilingiana ho atao sorona ?

Fantatra anie fa vazaha mody miady ny mpanome baiko ny Mahery Vaika sy ny mpanome baiko ny tafika tandrefana ê !

Mpiray tendro ireo ! Mpiray tsikombakomba !! Mpiray petsapetsa !!!

Kitapon-drenimbola iray ihany no mamahana an’ireo: 

Ny tsenan’ny fitaovam-piadiana mpandripaka aina, izay tena fangoronan-karena faratampony ho an’ny maty eritreritra.


Masonandro androany ity ?

Mahitsy ny teny atoraka izay mpitondra fanjakana efa maty eritreritra:

“ AZA MANGARONA VAZIMBA AN-DAVAKA !

RAHA MBOLA TE HO VANON-TARANAKA !! “


AZAFADY.



Aucun commentaire: