jeudi 24 novembre 2011

FAnambinana MAdagasikara: drafi-pitantanana raharaham-pirenena


Fenitra: mampanambina ny Firenena.

Tanjona: mampikolokolo ny tanin-taranaka.

Fepetra: mampisongadina ny tanora.

Sori-dahasa tanterahana isan-tsokajy:

A. Ara-kolontsaina

1. Manabe voa ny Maha-Olona: olombelona - olombanona - olonkendry.
2. Mampifanjohy ny fikarohana sy ny fampandrosoana.
3. Mampirindra fifanabeazana: ampianarana sy am-pikambanana, amperin-draharàha sy ampialàm-boly, ankalamanjana sy an-dalàmbe.
4. Mampijoro ho olompirenena vanona mamelombolo ny tontolo iainana ho tontolo ivelomana.
5. Manandratra ny maha-malagasy ankehitrio anivon’ny fanontoloana.

B. Ara-tsosialy

1. Mampimira lenta ny lehilahy sy ny vehivavy.
2. Manatevina ny soatoavina ifotoran’ny ambaindaim-piarahamonina.
3. Manatsara ny toe-piainana andavanandron’ny mpiray monina sy ny firijarijan'ny mpiara-belona.
4. Mitsinjo manokana ny sahirankirana ara-pivelomana: sembana, beantitra sy kamboty ary mananontena.
5. Mampiaina ny fifanomezan-tànana sy ny fiantsoroan’andraikitra fifanasoavana.

D. Ara-toekarena

1. Mifototra amin’ny asa aman-draharaha mendrika sy fivelomana mampahomby ary famoronana mampavitrika.
2. Mikoja ny tontolo famokarana: fambolena sy fiompiana ary jono, fitrandrahana harena ankibon’ny tany sy fanodinana akora ary fifehezana herinaratra.
3. Mampivelatra ny tsenam-barotra sy ny tambazotram-pitaterana ary ny rantsamangaikan-tserasera aman-kirakira isan-tsampany.
4. Mampitombo ny fahaiza-mitantana: fampirindràna ny faharisiha-mitahiry sy ny fahafaha-manjifa.
5. Manitatra ny tohivakàm-pihariana fampiteraham-bola aman-karena.

E. Ara-politika

1. Manompo ny fahamarinana, mitandro ny rariny sy ny hitsiny.
2. Miantsoroka miara-milanja, ifotony sy isan’ambaratonga.
3. Manaja ny mpanohitra sy ny fiarahamonimpirenena.
4. Mampiara-monina anaty lapa be tia maro.
5. Manazary voaàry mampiadam-pinaritra.


Rasavolana:



Lasitra ho an’ny FANAMBINANA ireo voasoritra ireo.


FAnambinana MAdagasikara - FAMà. Midika hoe: famaha-olOna sady famaha-olAna.

Mitosaka ny fanambinana rehefa fifankatiavana sy fahasoavana ary filaminana no sainintsika ombieny ombieny.

Fadiana ny mamosavi-tena amin’ny eritreritra mivilana sy ny bingom-po ary ny hamantsinàn-doha.

Tanteraka hatrany izay ao ampontsika koa iriantsika. Na iniana io, na tsy nahy. Na tsara io, na ratsy. Izay no lalàn’ny Voaàry manontolo.

Koa ndeha, rey havana isany, fanambinana lalandava no imasoana.

Rehefa manao izay mampanambina ny hafa isika dia ambinina toa kindriandriana ho antsika ihany koa.

Samia velon-driaria satria efa tsara paika ny teti-panorona FAMà.

Koa ny aina no matezà, tompokolahy sy tompokovavy,

Fanambinana ho an’ny tsirairay avy.


Antsirabe, faha-24 novambra 2011


RABEARISON Roland Dieu Donné Vahömbey.




Aucun commentaire: