lundi 2 juillet 2012

BITSIKA HO AN’NY MANAM-PANAHY












1. Mitsofa rano fa aza manozona !

Manomboka hasavilivilin’ny rambon’ny « Maneno fitatra » (1) isika izao eto Madagasikara. Tsy atao mahagaga ny fianahan’ny faharatsiana sy ny habibiana ary ny fanararaotam-paty. Aleo handripadripaka avokoa ireo sahy ratsy hisedra ny tsiny aman-todin'ny tany aman-danitra mahaboka forehitra !

Azy ireo izao ny laka. Mahasoava azy ireo izay ataony rehetra. Tsofy rano amin’ny fo madio izy ireo, ahavanonan’ny tody aminy tsirairay avy. Aza mandratsy saina manozona azy ireo sao sanatria ny tena indray no manota. Izay vao ho sahiranan'ny bingom-po eo. Aleo azy ireo ny azy !

Lalàn’ny tany aman-danitra izao mihatra izao. Manivana ny tany, mikororoka ny voaàry, tompokolahy sy tompokovavy.  Izay akotry ihany no vanon-ko vary mahabotrabotra sy ho ambioka fanasin’ny tanin-taranaka. Izay akofa kosa ho pahon-tadio hiraparàpa any an-tanim-pandozàna fahalovan’ny tsiny.












2. Aza mamaly ratsy ny ratsy !

Maha-tandrèma tena ! Fadio ny fihetsika mandratra, fehezo ny vava tsy ambina, foany ny eritreritra vilana. Tandrovy ny hitsiny, hajao ny marina. Ny olo-mendrika tsy fola-mandefitra. “Maneno fitatra” isika izao. Tokony hitandrina no dikan'izany, tompoko ô, raha mbola te-ho vanona ihany !

Koa raha ilaina, ianaro Ramasabomanga ! Manaova ombay làlana eny an-dalàmbe ka hatreny an-tsena. Dingano ny singambolo mpandavo ny vositra, ahilio ny patsa iray tsy omby vava. Raha malina ê ?! Mifehy hazo tokana.

Mihainoa ilay Mpananatra mpibitsika am-pon’ny mahalala. Mahasahia mandeha tokana ho sahalain’Andriamanitra. Idiviro ny rebikondrin’ny ondrafana. Indrindra ny an’ireo jamba mpanara-dia jamba mpampikorotsaka an-kady.












3. Sao badenina ê !

Sao badenina ê ! Koa ho sodoka indray amin’ny langolangon’ireo efa  namoa-fady nandraraka an-tany ny ilo mby teny antampon-dohany. Ny andon’ny lanitra tsy indroa hirotsaka amin’ireo efa nahavanon-doza aman'antambo, nanota voady masina filolohavàm-pirenena ! Na hibebaka in-jato aman’arivo aza !!

Sao badenina ê ! Koa hiantsampy amin’ny hazo mampidanandranandrana, hitelina voankazo voarara mampiola-tsinay. Sao sanatria hihinana ambolony koa kenda vao domy aho, rahavana. Mahaiza mamantatra izay mpaminany sandoka ! Ny an’ny tena vita ihany fa ny taranaka no ho fadiranovana !!

Sao badenina ê ! Koa alaivo ambony, alaivo ambany. Tilio, tsikafony, savasavao ny ambahandain’ireo rehetra be filaza ho mpanavotra tanindrazana.
Na ireo mpangala-tety, mpambotry kamboty, mpitàvana harem-pirenena nandritra ny taona maro nifandimby !
Na ireo mitonona ho olom-baovao sy misora-tena toa voatango. Aza misy singanina na iza, na iza. Hatramin’ny tompon’izao lahatsoratra izao.












4. Antampon’i “Samy reraka” ve ?!

Izao no hafatra ampitaina koa ifampilazalazao. Afaka roa volana any ho any no hitsirika eto Madagasikara ny “Mangoambodilanitra atsinanana”. Mialoha ny faran’ity taona diavintsika ity, hivelatra ny « Mazava atsinanana ». Raha vao mitsidika io taon-ko avy io dia hipàka ny "Vaky masoandro". 

« Hifoha Olona » eto Madagasikara, tompokolahy sy tompokovavy.
 
Ireo mahavàtra mitandrina ka maha-fehy tena no ho velon'aina amam-panahy, ho velon-dririaria hihanoka ny Hazavana hitsidika dieny “Mangoambodilanitra atsinanana”.

Mahereza, tompokolahy sy tompokovavy ! Tapa-taona sisa, raha ela, no hihafiana izao hagaigen'ny lany fanahy, jiolahim-boto sy jiolahim-bavy, mpiliba ambony jàlim-bahoaka izao !!

Koa araraoty ê ! Araraoty ny fotoan-tsarotra toa izao hanaovan-tsoa.
Ny soa atao ? Levenam-bola, tompokolahy sy tompokovavy.

Antsirabe, 02 jolay 2012

RABEARISON Roland Dieu Donné Vahömbey.


(1)   Ny antsoina hoe « Maneno fitatra » dia toro fotoana malagasy, mandritra ilay aizin-kitroka firotsaham-panala rehefa ririnina toa izao. Fotoana filibàn’ny mpamosavy faramparany io, fotoana fandrapahany ny herivaika fonosin’ny aizina. Mandrovi-tsihy araka izay tratrany izy eo.
Fem-potoana ankatoky ny « Mangoambodilanitra atsinanana » no antsoina hoe « Maneno fitatra ».








Aucun commentaire: