vendredi 7 juin 2013

ARODANY IO TETEZAMITA IO !!











Sabatra mampihorohoro, tsara fono anaty tranony. Asafelika ao an-damosina. Mitovy amin’ireny mpianady fahita amin’ny horonantsary ireny. Poignards miantona an-takiba.  Ankavia, lava lela marotsaka. Ankavanana, fohy lela tapelaka. Basy lava an-tànana ihany. Toa izany ny tovolahy mahery raha miriorio an-tsena. Izay manana moa dia mivimbina basy lava 5 coups tsotra izao. Anio dahalo. Ampitso patrôn’aomby. Afakampitso, patrôm-panjakana !



Maso be tsy mahita ny mpanao fanamiana antenaina ho manam-pahefana. Ny zandary sy pôlisy aza anie tafihan’ny dahalo an-tokantranony rehefa izay no tiany ê ! Zava-misy izany. Aza manody, hoy izy ireo, ny manambotra dahalo, manatitra azy ireo any amin’ny tiribonaly fa ireo dahalo indray no mirehaka, mivoaka avy ao koa manao hoe : « Akory ny arôzazy sefo bey ? » Aiza izay fanjakana ê ?!?










Hita maso ny andiam-balala mahatsiravina ! 20 km no halavan’ny andiany, 1 km no sakany ! Vain’i Egypta ity, marina mafy ! Koa inona indray no manaraka !? Aiza izay fanjakana ê ?!?


Raha izany no any andakira, any antanin-draketa, manakory ny aty afovoan-tany ? Faty miampatry ny hatsiaka zéro degré ! Satria fatin’olo-mahantra tsy manan-kitafiana na ialofana dia sanatria toa fatin’alika ?! F’angaha tsy mba nisy kristy nonina tao anatin’ireo faty ireo, kristy toa ilay ao anatiko, ao anatinao, ao anatintsika rehetra ?!! Koa aleo ho faty any satria fatin’olo-tsisy mpandraharàha !!! Aiza, ho'aho, izay fanjakana ê ?!?










Rehefa izao no izy ? Aleo fitokonam-be lavareny ! Aleo hiantona ny fandrotsahan-ketra isan-karazany !! Iza koa no sady handoa vola no alikaina lava toa izao ? Satria sarambabem-bahoaka ? 

Rehefa hagaigena ihany isika vahoaka vao mahare fanjakana !

Fitokanana hôpitaly manara-penitra, fandaniana mihoam-pampana miampy propagandy ho an-dRajoelina ? Io mandany vola be io Ra-Fanjakana !



Mifanaraka aby indray ny CST, f’andao indray aloha hiara-hisôsy, ahemory any izany fifidianana izany ! Aleo aloha hitavana volam-bahoaka, hikaly sosisy henakisoa, hividy salon ho an’ny 3ème bureau, hanokatra épi-bar ho an’ny 4ème bureau. Io fa manefa karama sy tombontsoa maro ho an’ny CST-CT isika vahoaka. Io fa mandany fahatany ny volantsika indray Ra-Fanjakana !










Tsy misy mandraharaha izay fifidianana ara-drafitra izany ! Tompondaka mpanao bodongerona ry zareo be hatoka rehetra.  Na ry Lalao, na ry Andry, na ry Didier. Ry mpanongam-panjakana mianakavy isany rahateo mbola mankafy voninahitra sy mitavana harenam-pirenena ! Koa iza amin’ireo no hiaiky hoe diso ?!? Iza no tsy mpanararaotra fanjakana amin’ireo rehetra ireo ?



Sady mpiandry anie no ankamaroan’ireo ê. Rehefa tsy diakona dia evanjelisitra latsaka fahefany. F’angaha vao androany no nanjakan’ny fariseo sy sadoseo ?!? Koa izay jentilisa vazaha sy afrikana ve no hamepetra fahaiza-miaina eto ? An’ireo fariseo sy sadoseo  ireo anie ny fifandovana fanjakana eto ê. Tsy mila vazaha mitsiritsirika izany ireo rehefa hiara-hivalana ankadilàlana. Rehefa samy avy nifitra ireo vao handadilady an-tsokosoko any an-tokontanim-bazaha hila ranondranony ho azy manokana. Izany no fomba fanjakana teto hatramizao !










Mari-pitiavana omen-drafanjakana antsika amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena izao ? Miverina mandray ny asa aman’andraikiny avokoa izay olom-panjakana kandidà prezidà niala rehetra teo noho ilay daty 24 jolay. Izany no izy, hoy ny minisitrin’ny Atitany. Raha tsy tanindrazako ity Madagasikara ity dia lokin’ny hehy aho. 

Koa ndao re miverina karamainay vahoaka daholo indray ianareo mpanongam-panjakana rehetra ireo ê. Mazotoa mihinana ô. Aza miala raha tsy voky ho faty sy mandrora gira. Anareo tokoa ny fanjakan’ny mpisoloky tsy voasivam-pifidianana !


24 jolay toa lasa 23 aogositra moa ilay fifidianana prezidà iny ? Sa moa tsy izay ilay izy satria mifanontona amin’ny baccalauréat ? Aza helingelenina ny mpianatra, tompoko ô. Efa momoka ny raiamandreny nampianatra, torovana ny ankizy nianatra. Koa ho inona ihany ny daty ê ? Sa tsy misy fanjakana mahatapaka eto ?

Misy fanjakana ve eto ê ? Raha ho fanjakan-dolo sy avelo, foano any ! Foano ny Filoha HAT ! Foano ny CST ! Foano ny CT ! Foano ny governemanta ! 










Atsangano ny fitondrana teknisianina manomana fifidianana anatin’ny telo volana raha ela. Mijoroa izay te-handray fanjakana. Tsy mila filohan’inon’inona izany. Praiminisitra sady Minisitrin’ny Atitany misahana fifidianana. Izay no tena ilaina. Ny sekretera jeneraly no mitantana ny affaires courantes amin'ny minisitera rehetra. Tsy ankandray karama ! Fitiavan-tanindrazana.

Mijoroa izay Mpahay lalàna matahotra an’Andriamanitra Marina . Ajoroy izay tampom-pahefana mifehy an-dalàna ny zotra sy vokam-pifidianana. Tsy ankandray karama ! Fitiavan-tanindrazana. 



Mijoroa izay olom-pahefana am-panamiana manompo marina ny Tanindrazana sy Lalàna. Rehefa tsy hanapa-kevitra ny ampanatanteraka ny fifidianana ianareo ireo dia arovy izay olom-baovao tsara sitra-po hampanatontosa an-tsakany sy andavany izany fifidianana izany.

Mijoroa ry vondrona ekonomika isan’isany. Aza omena io fanjakana io intsony izay efa nafoy ho azy. Tsy mahavita azy io fanjakana io. Firy tao-maty izao ! E lelon-jaza eto ihany no anaovana antsika mianakavy. Aleo izay tsara sitra-po ho avy eo no ampianareo. Kajio izay hetra, haba, sns. Kajio any an-kafà. Iandraso fanjakana vaovao.

Andraso hirodana io fanjakana tsy mahavita azy io vao ampodiana amin'ny laoniny ny fanefàna hetra sy haba.



41 no isanay kandidà mihambo hahavita hanarina. Ao ny efa miondam-panjakana, mpisoloky matihanina, mpangala-tety aman-tombodahatra. Ao ny efa teo fa nisitaka dia mody miana-kendry indray. Ao ny efa teo fahiny fa voaroaka dia te-hanao tampody fohy. Ao ny miandry kendry tohana, efa nanao antoka ny harempirenena mba hitrosana vola anambakàna mpifidy. Ao ny mpanao ombay làlana an-tsena, manao ny rariny an-doloha koa mizotra milamina. 

Aleo fa ho tratr'andro hamoa-tsampona eo izay joko tsoriaka aminay 41 ireo.

Aleo ho hitan’ny havany eo izay mpiravaka vangy hosoka nofaina tany amin'ny mpisandoka satria kanosa tsy mahavono biby akory.

Malalaka ny banja. Tanteraho ny fifidianana.


ARODANY  IO  TETEZAMITAN-DOZA  IO  !


Aucun commentaire: