mercredi 19 juin 2013

TANTARA: Alakamisy 13 jona 2013

Lahatsoratra : Dadan’i Ranto - Gazety Basy Vava laharana 6805


Sary pika : Jeannet Razafimahery, olompirenena.


Iny olona iny

Niakarany sy nivazavazany ny tao an-dapa

Fandàvana ankitsirano ny itarazohan’izao kirizy izao,

hetsika ankitsi-po sy ampahatoniana ary mateza izay voizin’ny olompirenena samirery, 

fampisongadinana ny zo masimandidy sy ny fahalalahana feno izay tandrify ny olompirenena, 

fanoherana ny viravira ataon’ny mpilalao pôlitika matihanina, mpigalabona amin’ny ady seza, 

antso avo ho an’ny mpanao pôlitika rehetra tsy ankanavaka hiaiky ny fahadisoam-paikan’izy ireo ka handefitra ankehitrio, hanome ny lakan’ny fitantanan-draharampirenena ho an’ny Olompirenena tsotra. 


Fitakiana ny fametraham-pialàn’ireo mpibodo ankeriny ny Fitondrana, ny mpiandraikitra rehetra ao amin’ny tetezamita: Filoha, Goverinemanta, CST, CT… 

Fandrafetana Tetezamita vaovao iadidian’ny Raiamandreny sy ny Zokiolona, 

fanomezana alàlana hanatanteraka ny fifidianana isan’ambaratonga rehetra an’io rafi-pitantanana manokana io.


Iza moa no tsy efa nahare izany foto-kevitra nodradradrain’iny olona iny izany ? 

Fa ny antsika dia nijanona ho revin-gadra fotsiny ny resaka tokony hifanentanana, ka mahatonga ny rehetra hiteny izay tandrifin’ny vavany fotsiny. 

Fa iny olona iny dia te hamarana izao fahavoazan-tsika izao ka naleony mihitsy, raha ny fanazavany, nandray adidy hirotsaka ho fidiana ho filohan’ny repoblika. 

Nokarohina sy natao ny hevitra rehetra ka dia nahafeno ny fepetra ho amin’izany tokoa ny tenany, saingy nahatsapa izy (ankehitriny) fa natao tsinotsinona indray ny finiavany, ka dia nivazavazany ny tao an-dapa tao omaly.


Ny hevitra vohiziny sy nahatonga azy teny dia tsy manan-tompo velively, na iza na iza. Na fikambanana, na vondrona, na firehan-kevitra. 

Manohitra ary tsy miray dia mandrakizay, amin’ny mpikatsaka tombontsoa manokana, na iza na iza : TGV, TIM, antoko, vondrona, tambatra ... 

Rehefa mipetsapetsa ara-pôlitika, na misarontava ho manampahefana sivily na miaramila aza, dia voakasika izany avokoa. 

Mankahala ny fanakorontanana na fanonganàm-panjakana iny olona iny, saingy tonga eny amin’ny arabe izy omaly satria tezitra amin’ny fanodikodinan-dresaka.


Tany tsy misy fanjakana rahateo eto raha tsy rehefa hieboebo sy hisehoseho, handroba sy hanaporitra. Fanjakazakan’i Baroa no misy fa tsy Fanjakana ara-drariny sy ara-dalàna, hoy iny olona iny teo Antaninarenina teo. 

Tezitra sy nivoa-dinitra ny tenany, raha tonga teny amin'ny manoloana ny lapan'Ambohitsorohitra: Miala Rajoelina, fa tsy mahavaha-olana ny tetezamitany. 


Tena ho gaga ianao hoe fa iza iny olona iny ? Izy ilay kandida laharana faha-4. 

Tsy mitarika ny olom-pirenena hidina eny an-dalambe aho, hoy izy, fa ny tenako izao no ety amin'ny arabe ary efa nivonona ny amin'izany...fa izay hevitrao dia anao irery ihany izany. 

Tsy mila olona any anaty trano sy be resaka any anaty efitra mihidy ny firenentsika raha ny hevitra novoizin’iny olona iny sy ny fivazavazany.


Fa firy tamin’ireo olona nitangorona moa no te hivazavaza sy himenomenona toa an’iny olona iny ? 

Firy izy rehetra ireny no nitempo fitiavana ity tanindrazana ity ka te-hiteny ihany koa saingy feno tahotra hatrany anaty fanahiny ?

Izany ny Gasy, r’iny olona iny, izany no sakana ny anatin’ny fisainany any ka tsy ahafahany mijery sy mandinika ny ho avy ho any amin’ny tsara kokoa. 

Tsy te-hamono tena ny olona, ary tsy te-hanohana na iza na iza intsony fa leo ny resaka sy ny taim-bava tsy misy fatrany avoakan’ny mpanao politika. 

Fa niavaka tamin’ny teny nataony iny olona iny ka nahatonga ny olona nanome vahana ny heviny.


Fa inona tokoa moa izao no tena andrasan’ny olona nihaino anao teo, r’iny olona iny ?

Inona no tao an-tsain’ireo rehetra nanotrona anao teo ?

Ianao iny ve ilay mpanakorontana lazain-dava eto, sa ireo tao an-dapa izay nivazavazana tsy nitsahatra ?


Aucun commentaire: