lundi 8 juillet 2013

Manalika ny filohan’ny tetezamita ?!? Les chiens vont bien, merci.

Hoy i Andry Rajoelina tany Mahajanga tamin’ny sabotsy 06 jolay lasa teo :

« Les chiens aboient. La caravane passe. Andry Rajoelina passe (…). » (1)

Iza moa izany no alika mivovo noho ny afitsok’i Andry Rajoelina ?

N’iza n’iza mitaraina satria mikoroso fiainana noho ny fitondràny ?
N’iza n’iza mitsikera ny halatra sy gaboraraka ary jadona hilibàny ?
Isika rehetra sahy milaza ny marina moa izany alikainy avokoa ?

Izaho manoratra izao izany alika ? Alika satria teny anoloan’ny vavahadin’ny lapa Ambohitsorohitra aho nitaky ny fialan’ny andrim-panjakan’ny tetezamita ?!

Fikarakarana fifidianana, tompokolahy sy tompokovavy, no antom-pisian’ny tetezamita. Efa taona izay. E ! Tsy misy fifidianana mihitsy !!!  Ompain-dRajoelina ho alika aho noho izany fitakiana izany ?

Manompa ny manalika ! Tsy mpiziva izahay sy Rajoelina. Koa maninona aho no ompainy ho alika ? 

Hampidoboka an-dRajoelina iny nanompa safobemantsina imasom-bahoaka iny. Fiantsiana iny fanalikàna iny.

Fiantsiana hirongatra ! Fiantsiana ny olompirenena rehetra mpandadilady rariny iny fanalikàna iny !!

Fiantsiana hirongatra.


1 commentaire:

Anonyme a dit…

Hanorana ve hoy aho sa hanavandra ?
Sa hiafiana fa karama, hoy ny mpitarika sarety ?
Tsisy lehibe otran'ny vorona fa rehefa tsy miteny, hitoeran'ny vorona !
Nefa atody ve ka hiady amim-bato ?
Sa lakan-kifaninan'amin-jahatra ?

Tsy mpomba ilay mpanalika aho, fa miandry izay fihetsik'ilay nohalikaina.