vendredi 14 février 2014

Ny fampivelarana ara-kolontsaina no miantoka fampandrosoana.


Azafady, zahao ito ambany ito. Dika mitovy amin’ny lahatsoratra nosoratan’i Manitra A. Gazety Takoritsika, zoma 14 febroary 2014, laharana faha-168, pejy faha-5. Natao anterivava : VahÖmbey. Lohateny : «Ny fampivelarana ara-kolontsaina no miantoka fampandrosoana. »

 ________________________________________________

Mpanakanto, mpandalina mozika sy kolontsaina, olon’ny serasera ary mpikaroka momba ny fivoaran’ny mahaolona « philosophe-anthropologue » i Rabearison Roland Dieu Donné, fantatry ny maro amin’ny hoe : VahÖmbey.

Nilaza voalohany ny hofidiana ho filoham-pirenena ary nirotsaka tamin’ny loko FAnambinana MAdagasikara – FAMà saingy tsy lany. Tsy mitsahatra hatreo anefa ny tolony ho an’ny fanandratana an’i Madagasikara sy ny kolontsainy. Resadresaka :

Gazety Takoritsika (*) : Taorian’ny fifidianana filoham-pirenena, aiza ho aiza ianao izao ?

VahÖmbey (-) : Manohana ny filoha Hery Rajaonarimampianina aho izao satria hitako fa olon’ny fisokafana izy sady olon’ny Fihavanana izay tena sarobidy loatra ho antsika Malagasy. Hitantsika fa betsaka koa no nanaradia ny tenanay ka nanohana azy avy eo. Heverina fa ity filoha ity no ahatanteraka ny vinam-piaraha-monina efa novolavolaina hatry ny ela dia fanasongadinana ny « Kolontsaina » eo amin’ny sehatra rehetra ka mifanohana izahay.

(*) : Lasa tena mpanao politika koa ve izany i VahÖmbey ?

(-) : Mpikaroka momba ny fahendrena sy ny mahaolona aho ary izay rehetra ataoko dia mifototra amin’ny resaka kolontsaina avokoa. Izaho irery hatramin’zao no manao ny antsoina hoe : « communication et ingénierie culturelle ». Betsaka no miantso ahy mahakasika ireo sehatra ireo, hatramin’ny sekoly ambony fampianarana politika aza, noho izaho « senior consultant » momba ireo lafiny ireo.

Hainareo tsara aho ! (nitsiky) Manavia ahy ary tsy tiako andramana akory ny viravira pôlitika. Ny hany paikadiko eto am-pikatsahana toeram-panapahana ara-panjakana dia miorina amin’ny « Fitiavana » izay lolohaviko an-tampon’ny loha.

(*) : Raha ho tendrena ho ministra tokoa ianao dia ahoana ?

(-) : Mifototra amin-javatra efatra lehibe ny tanjona raha mahazo io toeram-panapahana eto amin’ny firenena io ny tenako. Ny voalohany amin’izany dia ny filaminan’ny tsirairay, tsy mifanelingelina mba hahafahana manorin-javatra « Paix sociale ». Ny faharoa dia ny fandrindrana sy fameloma-maso ny fifandraisana eo amin’ny olona samy olona, ny olona sy ny natiora, ny olona sy ny zava-boary « concorde nationale ». Ny fahatelo dia ny fametrahana ny Kolontsaina marolafy amin’ny toerana ambony sy mivelatra kokoa, « marketing culturel ». Ny fahaefatra dia ny famadihana ny Kolontsaina miainga any amin’ny mpamorona hatrany amin’ny làlam-barotra mba hiteraka voka-tsoa ara-toekarena ka miara-mihary, miara-mivelona, miara-tafita sy miara-mandroso ny Malagasy rehetra, « dimension économique de la culture Malagasy » no hiantsoako izany.

(*) : Azo tanterahana ve izany ?

(-) : Ny resa-bola sy ny fifanarahana amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena dia hain’ny filoham-pirenena vaovao saingy ny mpanalàlana ny vahoaka eny ifotony amin’ny aty ambony aty no maha-VahÖmbey ny VahÖmbey ka azo atao tsara ireo !

(*) : Ny hafatra avy amin’i VahÖmbey ?

(-) : Nisahiranako nandritra ny androatokom-piainako ny fanabeazam-boa ny « Mahaolona Malagasy ». Ilàko iraka mazava ara-panjakana izany ankehitriny. Te-ahita ny tanin-taranaka Malagasy velombolo aho mialohan’ny hikipian’ny masoko indray andro any. Ataontsika mamiratra manerana izao tontolo izao ny maha-malagasy antsika. Ny fampivelarana ara-kolontsaina anie no miantoka ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny ê !


______________________________________________________

Ito ambany ito, rohy ahazoantsika mihaino ny fandaharana tao amin’ny Radio Antsiva izay notontosaina ny alakamisy 13 Febroary 2014 tamin’ny 1 sy sasany antoandro hatramin’ny 2 ora.

http://www.youtube.com/watch?v=MNlRmNZuTEM&feature=youtu.be




Aucun commentaire: