lundi 15 juin 2015

MANKASITRAKA !

Ito ny rohy mirakitra ny serasera an-tranokala rehetra hatramizay (play list). 
Ao avokoa na fanakantoana, na fanehoan-kevitra:




"AOK' IZAY !". Rock'n roll altitude.
Crédit photo: Namana Production, 2015
Mankasitraka eram-po eran-tsaina ireo tapaka – namana - havana nanome voninahitra ny seho natolotray Vahömbey, Sesely & Co sy Milanto ary Sôrameva notontosain’i BEzoro – ingénierie culturelle ny alakamisy 04 jona 2015 tao amin’i TRASS Tsiadana.

Kiranyl de Milanto, lead-guitar, sur la pédale Vox tube.
Crédit photo: Namana Production, 2015
Voaray soa amantsara ny hasina volatsivaky natolotrareo ampahatsorana koa Andriamanitra Fiadanana  hameno avo analinkisa ny kitapo nialàny tany aminareo tsirairay avy.

" Madamabe ", Aria Pro II série limitée.
Crédit photo: Namana Production, 2015.
Faran’izay nahatsiaro tena voakarakaran’ny tomponandraikitra tao amin’i TRASS  izahay mpanakanto koa feno fankasitrahana tokoa noho izany.

Dialogue avec Milanto. Blues session.
Crédit photo: Namana Production, 2015.
Ialàna tsiny etoana ny pitsopitsony tsy nahatomombana ny lafiny ara-peo ankapobeny. Vao miantomboka mamaky lay indray izahay, hany ka somary mbola niambakavàka. Hatsaraina miandàlana izany.

Dialogue avec Sesely. Blues session.
Crédit photo: Namana Production, 2015.
Ankoatra izay, tsy afa-niatrika iny seho iny ny mpiandraikitra manokana ny kirakira feo ho anay. Sendra toe-pahasalamana nananosarotra izy tamin'iny. Efa salama tsara izy ankehitriny.

Blues. Poignant mouth organ.
Crédit photo: Namana Production, 2015.
Santatra ambava rano iny, tompokolahy sy tompokovavy, ny manetsa be mbola ho avy.
Amin’ny manaraka indray ô.

V&V. Sôrameva: " Masoandronao ".
Crédit photo: Namana Production, 2015.
Vahömbey / Sesely  & Co / Milanto / Sôrameva / BEzoro - ingénierie culturelle.

" MANKASITRAKA, TOMPOKO Ô !"

Crédit photo: Namana Production 2015.

Aucun commentaire: