samedi 6 octobre 2012

KIADIN'NY BESINIMARO MIDEGÔBA MOVÂNSA-MOVÂNSA

Atody ve, hono, hiady amim-bato ?

Tànam-polo ve, hono, hiady amin-defona ?

Kibay ve, hono, hiady amim-basy ?

Betsimiteny ve, hono, hifaninan-dainga alahatra amin-dry be farora-bava ?

Besinimaro anie, hono, ka "Béni-oui-oui m'sé" no fanampin'anarany ê. (1)

Ho an'izay sahy milaza hoe :

" Izaho tsy mila fatritran'olona mitantana ny Fireneko ! ". 

Tsy mila :

- Rajoelina na Ravalomanana ! 
- Mpitondra taloha samy efa namarina an-kady !
- Mpisandoka ho pasitera-mpaminany, mpandemy saina ny marivo salosana !
- Zaza sary mody olom-baovao nefa saribakolin'ny mpampanjana-bola !  

Dia ompa aman-gidragidra no valiny ! Rehefa tsy Antanimora dia Tsiafahy ! Na basy aman-tafondro tsotra izao !!! Tsindry hazo lena sy fampihorohoroana no mibahana eto an-tanindrazana eto efa ho 4 taona izao.

Koa izao anio izao, 'ndeha atsikafona am'izay. Matoa be sotasota amin'ny basy na avo vava amintsika olo-mahavatra mandefitra hatramizao dia ... Kely Finoana ! Osa vatana, malemy saina sy mafaitra fo ary marefo fanahy !!

Koa aiza ho aiza ankehitriny ny fiomanantsika Kiadin'ny besinimaro midégôba movânsa-movânsa ? 

Na Ramasabomanga mandadilady rariny aza, tsy mipetrapetra-poana fa mandranitra SHIN-BUDO.


Tany aman-danitra.

Mivonöna hatrany, ry kiadin'ny SHIN-BUDO. Ahoreno amin’ny ZEN ny ZANSHIN.

Kalio any amin’ny " Seika-tanden " ny respiration.

Ampidino any amin'ny "Seika-tanden" dia poreto tsara. Taneo toa mitanika angozon'omby laroana mangahazo maina.

Ahodino miaka-midina, avy ao afara mankao aloha dia avy ao aloha mankao afara. 

Tandremo, tsy ankanetsika ambavafo ! Aza avela hibontsina ny tratra fa ny tröky, ambanin’ny foatra, sy ny kibo ihany no hany hisefoana. 
Abontsina-Poretina. Abontsina-Poretina. Abontsina-Poretina. Abontsina-Poretina, … 
Ahitsio ny hazon-damosina, avoay afara ny fitombenana dia gadrao ny lavany. 
Aza atsahatra io fanazaran-tena io raha tsy maha-tsemboka !

Rehefa mampivoa-dinitra ? Atosaho manontolo avy amin’ny vava adànadàna izay herivaika voaàngona. 

Dia avereno indray ilay teknikam-pisefoana voalaza teo. Ny lavak’orona mampiditra rivotra ! Ny vava, zara fa misokatra ary ny molotra fisahana, mamoaka.

Vao milamina ny respiration ? Misosa mora foana ny tosi-drà. TONY ny FO.

Raha vao tony ny fo, milamina ny saina satria voatondraka tsara ny ati-doha. 

MISINDA NY TAHOTRA.

Ny fifantohana amin’io procédé respiratoire io no mampifikitra ny eritreritra tsy hibirioka atsy na aroa. Tontosa tsara izay ? 

Mailaka ny ambiroa. Mitsoriaka toa tselatra ny tànana aman-tongotra. Mitondra tena ny vatana satria hipoka FANAHY.

MITOMBINA amin’ny eo no eo ny saina aman’eritreritra: ZEN.

Mitambolombolona ny KI, herivaika. Vonon-kirefotra ny KIME !

O' SENSEÏ.

Tadidio, ry Kiadin'ny Shin-Budo ! Ny hoe ZANSHIN, fanomanana KIME, dia tsy ny saina no adiridiry maina.

Ny hoe Zanshin dia ny fanagejàna Hara, araka ny natoro teo, no isahiranana.

Zanshin: miombona ny tany aman-danitra ary mifantsika ao anivon'ny Hara

Tony. Milamina. Vonona. MIAMBINA: " YOÏ ".


“NY HERY TSY MAHALEO NY FANAHY.”

Tsarovy, ry Kiadin'ny Shin-Budo ! Mamarina an-kady ny teknikan'ny haiady raha tsy ialohavan'ny fankatoavana feon’ny fieritreretana.

Noho izany, na iza na iza mihambo ho mpahay teknika tampony indrindra… Rehefa enjehin’ny eritreriny izy noho ny havoretran'ny fisainany sy ny rahorahom-piainany dia rava maina avokoa izay heveriny ho heriny ! Na mandraho-masiaka toa bibidia romotra aza izy koa milanja kibay sy mitam-basy ary mibaby tafondro !

Izay mandàla ny feon’ny fieritreretany ihany no tsy maintsy tompon'ny tombon-dahany. Koa na basy aman-tafondro aza atifitra azy ? Rano, rano, rano !


Madio mangarahara.

Zahao ato amin’ny bilaogintsika ato fa efa voarakitra ato amin'ny teny frantsay, hatry ny tamin-taon-dasa, io fanazaran-tena tsotsorina etsy ambony etsy io !
Raha te-handalina kokoa, vakio ilay boky “SAHA-LANITRA”, version numérique.

Ary izao no goavana indrindra !

Na tsy nianatra niady aza ianao, saingy

1. Mamboly Finoana an’Andriamanitra ankazavàm-po tanteraka,

2. Mahakaly “respiration” araka io atoro eto io, 

NA IZA ratsy saina aminao NA IZA, tsy hahavita handratra anao mandrakizay.

Koa midiova anaty, itarafan'ny herivaikan'ny voaàry manontolo, toa RANO madio mangarahara.

“NY HERY TSY MAHALEO NY FANAHY.”

" AKANGA MARO TSY VAKIN'AMBOA."

Na amboadian-dRajoelina, na amboahaolon-dRavalomanana, na amboaromotr'ireo movânsa-movânsa rehetra ireo. Hiady an-trano, hifamono ho faty am’izay ireo ato ho ato ! Hihatra ny tsiny aman-tody !! KÔF’RÔKA !!

ISIKA kiadin'ny besinimaro LEO pôliFika - TOFOKA mpanalika ? 

Hitily lavitra ka hiaro ny besinimaro sao ipitihan’ny ràn'ny mpifikafika pôliFika mpanalika, miampy ny vora-tsinain'ny mpanompo tsangan'olona mpanara-dia azy ireo, izay hiforitika etsy sy eroa ! Aoka ho azy ireo ny azy !! Samy mijinja izay nafafiny !!!

Raha sanatria ry zareo mitonantonana aty no tsy hahay hiaina ?

Sioka tokana no andrasan'ny kiadin'ny besinimaro midégôba movânsa-movânsa ! 

Azafady, am'izay fotoana izay, fa ho ...


KÔF’RÔKA âââ !!!







(1)  HAFATRA avy amin'i D'GARY, mpanakanto BARA ikoizana maneran-tany ary mpamelombolo efa an-taona maro ny faritra Bara:  
https://www.facebook.com/photo.php?fbid=10151261271086098&set=a.416511166097.208585.218637801097&type=1


( Source photos d'illustration: "Samouraï" sur facebook )

Aucun commentaire: