dimanche 21 octobre 2012

VOLAMENA TSY HANIN- KISOA !


Hanolotra sori-panadihadiana samihafa isika ato. Saingy andao aloha hamaky resaka amin'ito vaovao tsy mampandrimandry ito. 

Dika mitovy amin’ny lahatsoratra navoakako tany amin’ny facebook ny harivan’ny alahady faha-21 oktobra 2012.

Raha misy sahy na afaka mandiso ny vaovao voasoratra ito ambany ito dia iangaviana ampanajàna izy hanoratra mivantana eto, tompoko. Raha misy te-hitondra fanitsiana dia raisina an-tànan-droa ihany koa. Mandoza, manantambo mihitsy raha izao !

Vaovao vao voaraiko mivantana tamin’ingahy D’GARY, mpanakanto Bara ikohizan’izao tontolo izao ary fantatro manokana efa 20 taona mahery izao, ito ampitaiko ito.

Salama anao,

Dia misaotra nanoratra ary nanome hery koa, fa amin'ny alahelo lehibe zaho zao manoratra aminao zao .

F'efa tsy misy intsony ny fitadiavana an'i Remenabila raha ny any Betroka, fa dia tifitra-doro-trano- ary manombotra zay tandrify ny lalan'izy reo

- F'efa Fokontany roa no may dia i Voromiantsa (65 olona), ary i Miary (95 olona), mba eritrereto ny tsy mana-kialofana !!!!!!

Tsy tenenina intsony ny olona samboritsamborina sy ny tifirina fotsina tsotr'izao, lasa ataon-dry Gendarme-Militaire fianarana mitifitra reo vahoaka zay amin'ny faritry antsimo-atsinanan'ny Betroka " Andriry" = Montagneux ,

io lay Andriry itarainako isan'andro ao amin'ny tononkirako isan'andro ,"lava mangirifiry".

- Nomaly nanao Havoria ny village iray "Ankoraky" dia mbola ao amin'iny faritry Andriry iny ihany io ,tonga dia no-rafaler-ndry gendarme  daholo ny vahoaka rehetra tao , 

nefa Havoria zany dia fomban'ny Bara faha-raza, amin'ny alahelo lehibe zaho amin'izao manoratra aminao zao .

Aleo hotohizana amin'ny manaraka
Misaotra anao ry namana Vahombey

D'GARY


Ankoatra io vaovao mampihorinkoditra io dia araho moa ireo rohy eo ambany eo ireo ê. Mialoha izay, apetrako ny fanontaniana miisa 3.

FANONTANIANA:

1. IZA amin’ireo mpifikafika pôliFika rehetra ireo no sahy miozona amin’ny taranaka faramandimbiny hoe tena madio eo anoloan’izao HAGAIGENA rehetra izao ? 

Na movânsa inona io na inona, miampy ireo rehetra misababàka rehetra ireo !

2. IZA aminay rehetra kandidà, sy ho kandidà, Filohampirenena rehetra ireo, tsy ankanavaka, no sahy miozona amin’ny taranaka faramandimbiny hoe tsy mbola NITROSA tany amin’ny mpampanjanabola tany ananona rehetra tany mba ahatafita azy amin'ny fifidianana ? 

Ary ny antambo dia ny Tanindrazana, izay tsy ananana fahefana akory ny fifehezana azy, no efa natao antoka – Hypothèque !

3. IZA aminay kandidà, sy ho kandidà, ireo no sahy miozona amin’ny taranaka faramandimbiny hoe tsy BOKAN-TROSA amintsika miresaka izao ary voatery hanao ampihimamba raha sanatria lany eo satria ho kendain’ny mpampanjanabola ? 

Raha tsy izay dia ny ainy sy ny an’ny vady aman-janany mihitsy no hanefa.


Ataovy, tompoko, ny fanadihadiana lalina ! Atomboy amiko, izay manoratra izao, ny fanadihadiana dia aseseo izahay rehetra. Aza asiana tombo sy hala.

Zahao moa ireto rohy telo ireto ê. Ireo ny zava-misy. Ny tenako, tompoko, mandà ankitsirano hoe voatery izao no iafiantsika mianakavy ! 

Ny fototr'olana mampikatso ity tanin-tarànantsika ity dia ny TROSA very an-javona, lasa miavosa: ENDETTEMENT à la fois irraisonné et déraisonnable.

Mivoady masina hanavotra ny Fireneko aho. Noho izany, tsy izaho mihitsy amin’ny maha-kandidà Filohampirenena ahy no handeha hitrosa antsokosoko anatanterahako fampielezan-kevitra. FADY, tompoko, ny mandrora mitsilany. 

Anjarako ny mandray an-tànana ny fitantanana an'i Madagasikara, Tanin-tarànaka ? Toa izao no antanan-tohatrin'ny soatoavina:

1. OLONA: fanazariana ny mahaolona
2. FIVELOMANA: fikolokoloana ny tontolo manontolo
3. TANY: fandavorariana ny velaram-ponenana
4. VOLAMENA: fanatevenana ny andrin-takalo

Harena avokoa ireo singa ireo. Sompitra voajanaàry i Madagasikara raha ireo no resahana. Tsy maintsy kajiana, ilaina koloina ! Ireo no hampatanjaka ny firenentsika, hampirija ny Malagasy tsivakivolo. 

Zahao anie, ohatra, fa ny devises (dollar, euro, sns) fampijaliana ny fihariankarentsika dia miha-vola baoritra avokoa satria mari-tsoratra tsy sandaim-bolongambolamena intsony akory ê ! Ataovy ny fanadihadiana.

Ireo firenena midehaka ho goavana ireo anie no bokan-trosa indrindra ê ! Koa ndeha atao tsara tantana ny harentsika. Handadilady amintsika avokoa ireo raha malina sy mahery loha isika. Ndeha tandremana ity kitrosa-trosa fahatany lanilaniam-poana ity ! Ndeha atsahatra ity manao ny sompitr'i Madagasikara ho hypothèque gaboraraka ity !!





Aucun commentaire: