dimanche 28 octobre 2012

D'GARY. Tohivakan-tolotànana (chaîne de solidarité)


Vaovao voaray tamin’ingahy D’GARY androany Alahady 28 oktobra tamin'ny 8 maraina.

ANTSO AVO ho an'ny Olompirenena izy ity ! 

Sasin-teniko mamaky làlana ny hafatra nampitainy

Ialàko tsiny, rey havako, fa mitampody sahady indray aho ity mampita vaovao mampihivingivina. Nilaza aho omaly hariva hoe NIATO NY FANAFIHANA ANJAMBANY. (1)

Niato tokoa saingy namela RATRAM-PO latsaka anaty. Isan'ny Malagasy tena sarotiny indrindra amin'ny antsoina hoe "Fierté et Dignité" anie ny mponina Bara raha mbola samy Malagasy ê !

Niato tokoa saingy namela FERIM-PIARAHAMONINA izay mbola ho adidintsika mianakavy indray koa no mitsabo azy. Marina fa ry Rangory sy ny forongony no fototr'antambo. Saingy ry Rangory anie iaraha-mahalala fa fatra-pialangalana ê.

Ny Olompirenena mahatsiaro tena ho Olompirenena no tsy maintsy mandray adidy eo anatrehan'izao satria olo-mpankato ny feon'ny fieritreretany. Ny adidy, tompoko, anjara tandrifin'ny olon-te ho tsara. Ary isika etoana, rey havako, te-ho olon-tsara avokoa.

Niato tokoa ny fanafihana anjambany saingy VAY lalim-pàka anie 'ty, rey olona, marina mafy ê ! Na ho potsitra aza ny masony, ny nàna masiso mbola ahiana hihanaka. Sao mivadi-dratsy ho homamiadana ho an'ny Firenena re, tompoko ô !

Koa miangavy tàna-maro, tompoko. Ampitapitao, ahelezo, apariaho araka izay tratra izao lahatsoratra izao !! Izay no azo atao izao ankamehana izao.

Ekeko fa voinkava-mahatratra noho ny setrasetran'olombelona izy 'ty. Saingy aza mbola mangidy fo moa marina ê. Manana ny voaratra isika. Tsinjovina aloha ny havantsika iharam-boina. Iaraha-hahita eo ny ho tohin'ity raharaha ity. TSY HO AVELANTSIKA ARIRARIRA MORA FOANA IZAO raha vao mby ny fotoany.
 
Ny loza ahiana ho sarihin'ny fahavaratra, toa ny rivo-mahery sy ny safo-drano, koa mbola hanao ny ataony atsy ho atsy. Koa ndeha re hifarimbona amin'izay voatsirambin'ny tànana ê !

Aleo ry zareo mpandravarava fahatany hifanazava samy miaramila sy mpitondra fanjakàna any ! Misy dia misy tokoa mantsy ny manam-pahefana sivily sy miaramila izay leo sy tofoka izao hagaigena izao. Aleo izany ho any.

Fa ny antsika 'ndeha ireto tra-boina, Malagasy voasetrasetra, ireto no toloran-tànana anaovan- tohivakana. Miangavy "CHAINE DE SOLIDARITE", tompoko ô.

Hafatra avy amin'ingahy D'GARY

" Manaja anao Vahömbey,

Dia zao indray ny vaovao ,kay moa dia tena potika tanteraka (may) ny amin'iny faritry an-driry antsimo-antsinana n'ny Dist-Betroka dia ireto indray ireo tanana zay mbola tsy voatonona, zay anisan'ny  nodoran'ireo gendarme-militaire :

-Manombo- Mahatsinjo- Agnezandava- Ambaro atety- Ambatomazaka- Morafeno- Egn'omby- Amboadelaky- Abetsizaray- Ambaibo- ary Ambalasoa .

Efa miisa enin'ambin'ny folo (16) zany ny fitambaran'ireo tanana miampy ny Fokontany dimy teo aloha " MAY", dia akory ireo olona rehetra < ny zaza, gn'ampela, olo-be..> ,ts'isy ny hohaniny, ts'isy ny lamba,.....

Ireo Fokontany sy ny komitim-pokontany izay nodoran-dry gendarme-militaire rehetra ireo d'efa nolovaina tamin'ny faha-razana matoa misy ny "VY LAVA" ary f'efa Fokontany ao anaty ny bokim-panjakana hatramin'ny faha-fanjanahan-tany  (Colon), fa ahoana no atao an-kasoparana tsotra izao ! zay tsy azo ekena

Mirary soa

D'GARY " (2)

Rasavolana avy amiko manokana

Hoy D'GARY tamiko tamin'ny 10 maraina teo hoe:

"Lazain'ny mpiseraseran'ny herim-panjakàna fa tanànan'ny dahalo avokoa ireo nodorana ireo."

(FOKONTANY MIISA 16 !!!)

Mampisendoatra an'ingahy D'GARY izany fanendrikendrehana mahafaobe izany satria tanàna efa misoratra anaty bokim-panjakàna hatry ny fahiny anie ireo tanàna rehetra ireo ê.

Noho izany, miaina anaty rafitra fifampifehezan'ny mpiara-monina. Na ara-didim-paharazana, VY LAVA. Na ara-didim-panjakàna, FOKONTANY. Nisy fifanaraha-masompokonolona foana tao hatramizay hatramizay.

Koa nahoana no natao safobemantsina ho tanànan-dahalo avokoa ? Sa ny zoky raiamandreny, ara-drazana sy ara-panjakana, rehetra tao mihitsy no endrikendrehana, sokajiana ho raindahin-dahalo ?!

Ho raharaha 'ty marina mafy raha mitroatra eo avokoa ireo Malagasy Bara, anisan’ny olo-marina nefa voasoketa, ireo ! Tsoriko fa mampiasa loha ahy, tsy mampandrimandry ahy amin'ny maha-anthropologue ahy, 'ty raharaha 'ty !!

Koa manao antso avo etoana amin'ny manam-panahy izahay mirahalahy - D'GARY sy ny tenako manokana - hiara-hamitrana ity vakim-piarahamonina miha-mitresaka 'ty. 

Ndeha iaraha-misalaha dieny izao re, tompoko ô. Loza mitatao ho an'ny Firenena izao ! Koa ndeha sorohana sao mivadika ho loza mihatra, marina mafy !!

Mankasitraka, tompoko, namaky hatramin'ny farany.

VAHÖMBEY.


(1) Ato amin’ito rohy ito ny dingam-panairana antserasera nifandimbidimby nanomboka tamin’ny 21 oktobra:



(2) Misy sangan’asan’i D'GARY vitsivitsy amin'ito rohy ito sy eo ankilany eo. Raki-po amam-panahin'ny "IRAKY NY VAVARANO":


Very Ny Bado Artist: D’GARY

Aucun commentaire: