dimanche 12 mai 2013

4

4

EFATRA. Laharana faha-Efatra isika ao amin’ny bulletin unique sy eny amin’ny peta-drindrim-panjakana mandritry ny fifidianana Filohan’ny Repoblika faha-Efatra.

EFATRA. Efa-joro miorina amin’ny vazan-tany Efatra eto Madagasikara Manankasintsara.


RAIAMANDRENY

Mpiangona tsotra, mpandray Fanasan’ny Tompo ao amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy Antsirabe Antampontanàna ny tenako. Mpanamafy orina lalandava an’i Kristy ao am-po sy saina ary fanahy amam-batana. Ao anatintsika tsirairay avy no tempoly tsara indrindra fonenan’Andriamanitra Ray Mpahary tongotra aman-tànana.

Isan’ireo raiamandreny Malagasy ny tenako. 54 taona. Efa mipi-bolo sy sola an-tampondoha. Efa loa-jafy ihany koa. 

Tompokolahy sy tompokovavy, zavatra roa loha no ambarako ampahabemaso mason’andro androany.


1. FIANIANANA

Ny tenako no fidian’ny olompirenena Malagasy, fantenan’Andriamanitra mpandahatra ny zava-drehetra ho Filohan’ny Repoblika faha-Efatra ?

Takiako ampidirina ao amin’ny lahateny fianianako :

« Madio ny tànako mandray izao adidy masina izao. Hadio tanteraka ny tànako hahavita izao adidy masina izao. Miozona amin’ny taranako fara-mandimbiko aho. Tanterahako ankitsim-po izao fianianako izao. »

Soritako mazava : mandat iray ihany no iantsorohako fahefàm-panjakana. Tenin-dehilahy ny ahy. Ary fifidianana faran’izay raitra no ho karakaraintsika ho an’izay handimby toerana. Koa ifampitàna amin’ny fomba faran’izay mendrika ny fifamindram-pahefana. Ho antsika ambanilanitra, izay no teny omeko.

2. ANKEHITRIO

Ho an’ny ankehitrio dia ambarako ren-tany, ren-danitra, izao manaraka izao. 

Mahakasika anay kandidà rehetra miandahy sy miambavy izay mihambo ho kiadin’i Madagasikara Manankasintsara :

« Miantso ny TSININ’ny TANY sy ny TODIN’ny LANITRA hipàka aminay rehetra avy hatrany aho mason’andro niany.

Ny soa rehetra izay nataonay sy ataonay, mivaly aminay antapitrisa ! 
Ny ratsy rehetra izay nataonay sy ataonay, mitampody aminay antapitrisa !!

Mihatra aminay sy ny taranakay tsirairay avy izany !

Izao dieny izao !! »

Ny Malagasy, tompoko, Manankasy. 
Ary Madagasikara, Manankasintsara. 

Mby ny fotoana iavahan’ny vary amin’ny tsiparifary.
Manivana ny tany ! Mikororoka ny voaàry !!

TANIN-TARANAKA: "Ny faravodilanitra no valam-parihiko."






Aucun commentaire: