vendredi 3 mai 2013

Taratasy misokatra ho fanta-poko, fanta-pirenena.

                                   
 Antsirabe, 03 mey 2013


            
Ho an’Andriamatoa sy Ramatoa
Mpikambana Cour Electorale Spéciale
Antananarivo MADAGASIKARA




Antony : Taratasy misokatra ho fanta-poko, fanta-pirenena.


Manaja, tompoko.


Manoratra izao ny tenako manao sonia etsy ambany taorian’ny fivoahan’ny Décision n°01-CES/D du 3 mai 2013.

Voalohany, maneho fankasitrahana ny fankatoavanareo ny firotsahako fidiana Filohan’ny Repoblika faha-efatra taorian'ny fanadihadiana notontosainareo mikasika izany.

Faharoa, manome toky izahay, ny tenako manokana sy ny komity mpikarakara ny firotsahako fidiana ary ny mpikambana ao amin’ny antoko FAnambinana MAdagasikara – FAMà, fa hanome hasina io fifidianana voalaza etsy ambony io. Noho izany, hitandrina fahamendrehana hatrany na amin’ny fiteny na ny fihetsika. Koa hijoro ho ohatra velona mpandàla lalàna sy fahaiza-miaina anivon'ny tany ama-monina.

Fahatelo, manambara ho ren-tany, ren-danitra ny fankatoavanay izay voarakitra ao amin’ny Décision n°01-CES/D du 3 mai 2013. Noho izany, ialanay lavitra izay siasia ara-pôlitika sy filan-kisa isan-karazany mifandiso amin'ny jerinay manokana. Mpandrary fahalemana eto an-tanindrazana, tompoko, izahay. Isan’ny antony goavana irotsahako fidiana Filohan'ny Repoblika izany.

Mankasitraka, tompokolahy.
Mankatelina, tompokovavy.
Fanambinana ho an’ny tsirairay avy.




Aucun commentaire: